Ohabolana 26 - Malagasy Bible

Ny amin’ireo adala

1Diso toerana toy ny oram-panala fahavaratra

na orana amin’ny fotoam-pijinjana

ny voninahitra omena ny adala.

2Manidina tsy tafapetraka ny fody sy ny sindintsidina;

toy izany koa ny fanozonam-poana:

tsy mba hihatra akory izany.

3Ny karavasy dia ho an’ny soavaly,

ny lamboridy ho an’ny boriky

ary ny tsorakazo ho an’ny lamosin’ny adala.

4Aza mamaly ny adala araka ny hadalany,

fandrao mba adala tahaka azy koa ianao.

5Valio araka ny hadalany ny adala

fandrao mihevi-tena ho hendry izy.

6Izay mampitondra hafatra ny adala

dia toy ny olona manapa-tongotra ny tenany

ka tonga miboboka fahavoazana.

7Ny ohabolana lazain’ny adala

dia mikolepaka tahaka ny malemy tongotra.

8Toy ny mamatotra vato amin’ny antsamotady

ny manome voninahitra ny adala.

9Ny ohabolana lazain’ny adala

dia toy ny tsilo hazonin’ny mamo.

10Ny mpampiasa manarama adala sendra mandalo

dia mandratra ny olona rehetra.

11Ny alika miverina amin’ny loany

ary ny adala miverina amin’ny hadalàny.

12Raha mahita olona mihevi-tena ho hendry ianao,

dia ny adala no misy hantenaina kokoa noho izy.

Toetoetry ny olona kamo

13Hoy ny kamo: «Misy liona ao an-dalana,

misy biby masiaka atsy an-dalambe.»

14Ny varavarana mihodina amin’ny saviliny

ary ny kamo mivadibadika eo am-pandriany.

15Mangarona ny sakafo ao an-doviany ny kamo

nefa mandreraka azy ny hampakatra izany ao am-bavany.

16Ny kamo dia mihevi-tena ho hendry

mihoatra noho ny olona fito kinga famaly.

Ohabolana hafa

17Ny mpandalo izay misalovana amin’ny adin’ny hafa

dia toy ny misambotra amboa amin’ny sofiny.

18-19Ny olona mamitaka ny namany

ka manao aminy hoe: «Vazivaziko ihany izany,»

dia tahaka ny olona adala

mandefa forohana sy zana-tsipîka mahafaty.

20Rehefa tsy misy kitay intsony, dia maty ny afo;

ary rehefa tsy misy mpanendrikendrika intsony,

dia mitsahatra ny fifandirana.

21Ny arina mitaiza vain’afo, ny kitay mitaiza afo

ary ny olona liana ady mandrehitra fifandirana.

22Toa hani-matsiro ny tenin’ny mpanendrikendrika

ka any anaty kibo no mikorotsaka.

23Toy ny ankoso-bolafotsy amin’ny tanimanga

ny teny mandodoka manafina fo ratsy.

24Teny mihatsaravelatsihy no ataon’ny mpankahala

kanjo ny ao anatiny mikotrika fitaka;

25koa na dia miteny amim-pitiavana aza izy,

dia aza matoky azy fa feno rikoriko ny fony;

26mahay manafim-pankahalana izy,

nefa hiharihary am-pahibemaso ny haratsiany.

27Izay mihady lavaka no ho latsaka ao

ary izay manakodia vato no hikodiavany.

28Ny mampahory olona amin’ny lainga dia fankahalana azy;

ary ny teny mandokadoka no ahitan-doza.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help