Salamo 147 - Malagasy Bible

SALAMO Ny Tompo no mpanohana izao rehetra izao

1Miderà ny TOMPO ianareo fa tsara Izy;

mankalazà ny Andriamanitsika fa mamy Izy.

Mendrika Azy tokoa ny fiderana.

2Manangana an’i Jerosalema ny TOMPO:

ao no hamoriany izay efa niely tamin’i Israely.

3Manasitrana ny torotoro fo Izy

sy mamehy ny ferin’ireo.

4Manisa tsirairay ny kintana Izy

sy miantso azy amin’ny anarany avy.

5Lehibe ny Tompontsika sady mahery;

tsy misy fetra ny fahalalàny.

6Manarina ny ory ny TOMPO

fa manetry ny olon-dratsy hatramin’ny tany.

7Mihirà fiderana ho an’ny TOMPO ianareo;

mankalazà an’Andriamanitsika amin’ny lokanga:

8Izy no manaron-drahona ny lanitra

manomana orana ho an’ny tany,

mampitsiry ahitra ny tanety,

mamokatra anana ho an’ny olona,

9manome sakafo ny biby fiompy

sy ny zana-goaika mitoreo.

10Tsy ny herin’ny soavaly na ny hakingàn’ny olona

no tena sitraky ny TOMPO sy ankamamîny,

11fa izay manaja Azy ka matoky ny fitiavany.

12Ry Jerosalema ô, mankalazà ny TOMPO;

ry Tsiôna ô, miderà an’Andriamanitrao.

13Izy no manamafy ny hidim-bavahadinao,

mitahy ny zanakao ao anatinao,

14manisy fiadanana ny faritaninao

sy mamoky anao amin’ny vary tsara indrindra,

15mandefa ny baikony eto an-tany

ka faingam-piely tokoa ny teniny.

16Izy no mandatsaka orampanala toa volon’ondry,

sy mamafy fanala toa lavenona,

17manipy ranomandry toa sombi-mofo

ka tsy misy mahazaka ny hatsiakany.

18Alefany ny teniny, ka miempo ireny;

atsokany ny rivotra, dia mandriaka ny rano.

19Izy no manambara ny teniny amin’ny taranak’i Jakôba,

ny didiny sy fitsipiny amin’ny vahoaka Israely,

20fa tsy mba nanao izany tamin’ny firenen-kafa

ka ny fitsipiny tsy mba fantatr’ireo.

Haleloià!

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help