Hezrà 10 - Malagasy Bible

Roahin’ny Jiosy ireo vehivavy hafa firenena

1Raha mbola nanao izany vavaka fieken-keloka izany i Hezrà sady nitomany sy niankohoka teo anoloan’ny tranon’Andriamanitra, dia nisy vahoaka israelita maro, lehilahy sy vehivavy mbamin’ny ankizy madinika, nivory nanodidina azy; ary nitomany mafy dia mafy izy rehetra.

2Tamin’izany no niteny i Sekanià, zanakalahin’i Jehiela sady anisan’ny taranak’i Helama, ka nanao tamin’i Hezrà hoe:

–Efa nanao izay mahadiso amin’Ilay Andriamanitsika izahay, satria naka vehivavy hafa firenena anisan’ireo mponin’ity tany ity ho vadinay; nefa na izany aza, dia mbola misy fanantenana ihany ho an’i Israely.

3Aoka hifanaiky amin’Ilay Andriamanitsika izahay fa handroaka mbamin-janany ireo vehivavy rehetra hafa firenena ireo. Harahinay ny anatra nataonao sy naroson’izay fatra-panaja ny didin’Andriamanitra; aoka hatao araka ny lalànany tokoa izany!

4Mitsangàna fa adidinao izao raharaha izao; ary izahay koa vonon-kiaraka aminao. Aoka ho sahinao atao izany!

5Dia nitsangana i Hezrà ka nampianiana ny lohandohan’ireo mpisorona levita sy ireo filohan’ny Israelita hanao araka izany tolokevitr’i Sekanià izany; ary dia nianiana ireo.

6Taorian’izay i Hezrà no niala teo anoloan’ny tranon’Andriamanitra ka nankany amin’ny efitranon’i Jôhanàna zanakalahin’i Eliasiba ary nitoetra tao; saingy tsy nety nihinan-kanina sy nisotro rano izy satria nalahelo tokoa noho ny fahadisoan’ireo Jiosy tafaverina avy any an-tsesitany.

7Dia nisy teny nalefa eran’i Jerosalema sy i Joda ho an’ireo Israelita tafaverina avy any an-tsesitany mba hivory ao Jerosalema;

8ary na iza na iza tsy tonga anatin’ny telo andro, araka ny tenin’ireo lehibe sy loholona, dia horobaina ny fananany rehetra ary hesorina tsy ho anisan’ny fiangonana israelita izy.

9Nony afaka telo andro, izany hoe ny andro faharoapolon’ny volana fahasivy, dia vory tao Jerosalema ny lehilahy rehetra tamin’i Joda sy i Benjamîna; ary nipetraka teo an-kianjan’ny tranon’Andriamanitra ny vahoaka rehetra ka samy nangovitra noho izany toe-draharaha izany, ary koa noho ny ranonorana be.

10Dia nitsangana i Hezrà ka nanao taminy hoe:

–Ry lehilahy israelita, efa nanao izay mahadiso tokoa ianareo satria naka vehivavy hafa firenena ho vadinareo ka nampitombo ny fahotan’ny firenentsika.

11Koa samia ianareo miaiky heloka amin’ny TOMPO Andriamanitry ny razanareo sy manao ny sitrapony; ary misaraha amin’ny valovotaka mponin’ity tany ity sy amin’ny vehivavy hafa firenena nalainareo ho vady.

12Dia namaly ny olona rehetra tafangona teo ka niredona mafy hoe:

–Marina ny anao! Izay lazainao dia tsy maintsy hataonay.

13Nefa maro izahay ary ny andro manorana ka tsy mahatoetra eto alatrano izahay; sady raharaha tsy vita indray andro na indroa andro aza izao; fa maro izahay no efa nanota tamin’izany zavatra izany.

14Koa aoka ny lehibentsika no hisolo toerana ny fiangonana manontolo; dia ny Israelita rehetra izay efa nanambady vehivavy hafa firenena no aoka hankatỳ amin’ny fotoanandro homena azy, miaraka amin’ny loholona sy mpitsara isan-tanànany avy. Hotontosainay mihitsy izany raharaha izany mandra-pialan’ilay fahatezeran’Andriamanitsika mirehitra amintsika.

15I Jônatàna zanakalahin’i Hasahela sy i Jahizeià zanakalahin’i Tikvà no hany nanohitra izany hevitra izany; ary niandany taminy koa i Mesolama sy ilay levita atao hoe Sabetahy.

16Fa ny Israelita hafa avy any an-tsesitany dia nanaraka izany avokoa. I Hezrà mpisorona kosa nifidy lehilahy izay loham-pianakaviana araka ny tarika isany avy, sady samy voatonona anarana tsirairay; ka ireo lehilahy ireo no nipetraka handamina izany raharaha izany tamin’ny andro voalohan’ny volana fahafolo.

17Ka ny andro voalohany, tamin’ny volana voalohan’ny taona manaraka, vao vita lamina ny raharaha ny amin’ireo lehilahy rehetra naka vehivavy hafa firenena ho vady.

Lisitry ny Jiosy nanambady vehivavy hafa firenena

18Tamin’ireo taranaky ny mpisorona dia nisy naka vehivavy hafa firenena ho vady, ka ireto avy: tamin’ny taranak’i Jesoa mirahalahy avy, zanakalahin’i Jôtsadàka, dia ry i Mahaseià sy i Elihezera ary i Jariba sy i Gedalià;

19nametra-teny izy efa-dahy fa handroaka ny vadiny sy hanolotra ondrilahy iray avy ho sorona fanalana ny otany;

20tamin’ny taranak’i Imera, dia ry i Hanany sy i Zebadià;

21tamin’ny taranak’i Harima, dia ry i Mahaseià sy i Elià mbamin’i Semahià sy i Jehiela ary i Hozià;

22tamin’ny taranak’i Pasehora, dia ry i Eliôhenay sy i Mahaseià mbamin’i Jismahela sy i Netaneela ary i Jôzabada sy i Elehasa.

23Tamin’ny levita dia ireto avy: ry i Jozabada sy i Simehy mbamin’i Kelaià (atao hoe koa Kelità) sy i Petahià ary i Jehodà sy i Elihezera.

24Tamin’ny mpihira dia i Eliasiba.

Tamin’ny mpiandry varavarana dia ry i Saloma sy i Telema ary i Ory.

25Tamin’ny sarambabem-bahoaka israelita dia ireto avy: tamin’ny taranak’i Parehôsy dia ry i Ramià sy i Jizià ary i Malkià mbamin’ny Miamina sy i Elehazara ary i Malkià sy i Benaià;

26tamin’ny taranak’i Helama dia ry i Matanià sy i Zakarià mbamin’i Jehiela sy i Habdy ary i Jeremôta sy i Elià;

27tamin’ny taranak’i Zatò dia ry i Eliôhenay sy i Eliasiba mbamin’i Matanià sy i Jeremôta ary i Zabada sy i Hazizà;

28tamin’ny taranak’i Bebay dia ry i Jôhanàna sy i Hananià ary i Zabay sy i Hatlay;

29tamin’ny taranak’i Banỳ dia ry i Mesolama sy i Malòka mbamin’i Hadaià sy i Jasoba ary i Seala sy i Jeremôta;

30tamin’ny taranak’i Pahata-Môaba dia ry i Hadnà sy i Kelala ary i Benaià sy i Mahaseià mbamin’i Matanià sy i Betsalela ary i Binoy sy i Manase;

31tamin’ny taranak’i Harîma dia ry i Elihezera sy i Jisià ary i Malkià sy i Semahià mbamin’i Simehôna

32sy i Benjamîna ary i Malòka sy i Semarià;

33tamin’ny taranak’i Hasoma dia ry i Matenay sy i Matatà ary i Zabada sy i Elifelety mbamin’i Jeremay sy i Manase ary i Simehỳ;

34tamin’ny taranak’i Bony dia ry i Mahaday sy i Hamrama ary i Oela,

35i Benaià sy i Bedià ary i Keloho,

36i Vanià sy i Meromôta ary i Eliasiba,

37i Matanià sy i Matenay ary i Jahasay,

38i Banỳ sy i Binoy ary i Simehỳ,

39i Selemià sy i Natàna ary i Hadaià,

40i Maknadebay sy i Sasay ary i Saray,

41i Hazarela sy i Selemià ary i Semarià,

42mbamin’i Saloma sy i Amarià ary i Jôsefa;

43tamin’ny taranak’i Nebao, dia ry i Jehiela sy i Matitià ary i Zabada sy i Zebinà mbamin’i Jadao sy i Jôela ary i Benaià.

44Ireo lehilahy rehetra ireo no samy efa naka vehivavy hafa firenena ho vadiny, sady efa niteraka ny vehivavy sasantsasany tamin’ireny.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help