Isaià 65 - Malagasy Bible

Ny fitsarana ho avy

1Dia hoy ny TOMPO hoe:

Efa vonona hamaly Aho saingy tsy nisy nanontany;

efa niandry Aho, saingy tsy nisy nitady fanampiana tamiko;

koa firenena izay tsy niantso Ahy akory

no nanambarako hoe: «Inty Aho! Inty Aho!»

2Nanolo-tanana hatrany Aho

tamina vahoaka mpikomy,

dia olona manaraka ny lalan-dratsiny

sady mirona amin’ny saim-pantany.

3Vahoaka mampahatezitra Ahy mandrakariva izany;

sady eo imasoko no anaovany sorona eny an-tanimboly

sy andoroany zava-manitra mifangaro

eny amin’ny alitara tanimanga

ho fanajana ny andriamani-kafa.

4Mipetraka any am-pasana izy ireny

na misitrika any an-dava-bato amin’ny alina,

sady mihinana hena kisoa

ary manisy ron-kena maloto ao an-doviany.

5Ka hoy ireo amin’izay ifanenany:

«Mihatakataha lavitra, aza mikasika ahy

fandrao mahafaty anareo ny fahamasinako.»

Ireny fomban-tsampy isan-karazany ireny

dia toy ny setroka mampirongatra ny hatezerako

sy toy ny afo mampirehidrehitra azy isan’andro.

6Indro voasoratra eto anatrehako avokoa ireny,

koa tsy hangina Aho raha tsy voavaliko ny nataony,

ary hovaliako mitafotafo mihitsy aza;

7ka indray hatsingeriko aminy, hoy Aho,

ny heloka vitany sy ny heloky ny razany.

Satria ireto koa efa nandoro zava-manitra mifangaro

ho an’ny sampy teny an-tendrombohitra

sy nihantsy Ahy teny amin’ny havoana;

ka dia ho fatra mitafotafo mihitsy

no hasetriko ny fitondrantenany fahiny!

8Izao no lazain’ny TOMPO:

Rehefa ahitana sampaho mamy

eo amin’ny rantsam-boaloboka iray

dia ataon’ny olona hoe: «Aza simbana izany,

fa misy fitahiana hahazoan-divay tsara eo aminy»;

ho tahaka izany koa

no hataoko amin’ny mpanompoko

mba tsy hosimbako izy rehetra.

9Homeko taranaka ny firenen’i Jakôba sy ny fokon’i Joda.

Ireny no ho tompon’ny tendrombohitro:

ireo voafidiko no ho tompony,

ireo mpanompoko no honina eo.

10Ho an’ny vahoakako izay nitady Ahy

dia hanjary saha fiandrasana ondry i Sarôna,

ary hanjary valan’omby ny lohasaha Hakôra.

11Ianareo izay nandao Ahy TOMPO kosa

ka nanadino ny mankeny an-tendrombohitro masina,

ianareo izay nandroso sakafo ho an’i Gada

sady nanatitra divay voaharoharo ho an’i Menỳ,

12dia hatolotro ho voan’ny sabatra ianareo

ka haringana avokoa eo am-pandohalehana,

satria nantsoiko ianareo fa tsy namaly

ary nitenenako fa tsy nihaino.

Izay ratsy eo imasoko no nataonareo,

ary izay tsy sitrako no nofidinareo.

13Koa hoy Izaho Tompo ANDRIANANAHARY hoe:

Indro ny mpanompoko hihinana,

fa ianareo kosa ho mosarena;

indro ny mpanompoko hisotro

fa ianareo kosa ho main-ketaheta;

indro ny mpanompoko hifaly,

fa ianareo kosa ho menatra.

14Indro ny mpanompoko hihorakora-pifaliana

noho ny hasambarana ao am-pony,

fa ianareo kosa hiantsoantso noho ny alahelom-po

sy hikiakiaka noho ny fanahy torotoro.

15Eo amin’ny olom-boafidiko

dia hatao ohatra ny anaranareo

amin’ny fomba fanozonana toy izao:

«Hovonoin’ny Tompo ANDRIANANAHARY

tahaka an-dRanona na Ranona anie ianao!»

Ho fanasoavana ny mpanompoko kosa

dia anarana hafa no hotononina aminy.

16Fa izay hifampirary fitahiana eto amin’ity tany ity,

dia hifanao izany ao amin’Andriamanitra hany mahatoky;

izay hianiana eto amin’ity tany ity,

dia hanao izany ao amin’Andriamanitra hany mahatoky.

Lanitra vaovao sy tany vaovao

Hoy kosa ny TOMPO hoe:

Eny, ireo fahoriana taloha dia hohadinoina

sy ho voakosoka tanteraka tsy ho eo imasoko.

17Fa indro Aho mahary habakabaka vaovao sy tany vaovao

ka tsy hotsarovana intsony

ny habakabaka sy tany taloha

na ho mby ao an-tsaina akory aza.

18Fa mifalia sy miravoravoa hatrany ianareo

ny amin’ny zavatra izay hoarîko:

dia i Jerosalema heni-karavoana

ary ny vahoakany heni-kafaliana.

19Izaho koa hiravo amin’i Jerosalema

sy hifaly amin’ny vahoakako.

Fa tsy ho re ao Jerosalema intsony

na ny tomany na ny kiakiakam-pitarainana.

20Tsy hisy ao intsony ny zaza minono

izay ho faty anatin’ny andro vitsivitsy

na ny antitra tsy hahatapitra ny androny;

fa ho maty tanora izay maty zato taona,

ary heverina ho olona voaozona

izay tsy mahatratra zato taona.

21Hanao trano ny vahoakako,

ka hitoerany tokoa izany;

hamboly voaloboka izy

ka hihinana tokoa ny vokany.

22Tsy hanao trano hitoeran’ny hafa intsony izy

na hamboly zavatra hohanin’ny olon-kafa;

fa ho tahaka ny andro hiainan’ny hazo

ny andro hiainan’ny vahoakako,

ary ny olom-boafidiko hanaram-po

amin’ny vokatry ny asa vitany.

23Tsy hisasatra foana intsony izy

na hitera-jaza ho fatin’ny loza tampoka;

fa fianakaviana izay notahiko izy,

na ny tenany na ny zanany naterany.

24Mbola tsy miantso akory izy,

dia efa hamaly azy Aho;

ary mbola tsy tapi-miteny izy,

dia efa azoko ny tiany holazaina.

25Hiara-miraoka ahitra ny amboadia sy ny zanak’ondry;

ny liona hihinam-bilona toy ny omby,

ary ny menarana kosa dia vovoka no ho fihinany.

Tsy hisy fanaovan-dratsy intsony, hoy AHO,

na fanimbàn-javatra intsony,

manerana ny tendrombohitro masina!

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help