1Feno 21 taona i Tsedekià fony tonga mpanjakan’i Joda; ary naharitra 11 taona no nanjakany tao Jerosalema. Ny anaran-dreniny dia Hamotala zanakavavin’i Jeremià avy ao Libnà.
2Ary nanao izay ratsy eo imason’ny TOMPO izy tahaka izay rehetra nataon’i Jôiakima.
3Fa ny fahatezeran’ny TOMPO no nahatonga izany loza izany tamin’i Jerosalema sy tamin’i Joda, ka niafara tamin’ny fandroahany an’ireo Jodeanina hiala teo anatrehany.
Ary nikomy tamin’i Nebokadnetsara mpanjakan’i Babilôna i Tsedekià.
4Koa tonga tao Jerosalema niaraka tamin’ny tafiny manontolo i Nebokadnetsara. Nitoby manoloana ny tanàna ireo miaramilany, ary nanao tovon-tany manodidina an’i Jerosalema. Taona fahasivy nanjakan’i Tsedekià tamin’izay, ary andro fahafolon’ny volana fahafolo.
5Naharitra hatramin’ny taona faha-11 nanjakàn’i Tsedekià ny fanaovana fahirano.
6Mafy dia mafy ny mosary tao an-tanàna fa tsy nanan-kohanina ny mponina. Ary tamin’ny andro fahasivin’ny volana fahefatra,
7dia nisy noloahan’ireo Babilônianina ny mandan’ny tanàna. Koa nony alina dia nitsoaka nandositra ny miaramila jodeanina rehetra. Na dia voahodidin’ny Babilônianina aza ny tanàna, dia niala tao Jerosalema ihany ireo, ka nandalo ny vavahady tanelanelan’ny manda roa sady takaikin’ny sahan’ny mpanjaka, ary nihazo ny lalana mankany amin’ny lohasahan’i Jôrdàna.
8Kanjo nenjehin’ny miaramila babilônianina i Tsedekià mpanjaka ary tratrany teo amin’ny lemak’i Jerikao; dia nihahaka nandao an’i Tsedekià ny tafiny manontolo.
9Rehefa voasambotra ny mpanjaka, dia nentina tany amin’ny mpanjakan’i Babilôna izay tao Riblà anatin’ny faritr’i Hamata; ary namoahan’i Nebokadnetsara didim-pitsarana tao izy.
10Novonoina ho faty teo imason-drainy ireo zanakalahin’i Tsedekià; ary tao Riblà koa no namonoana ho faty ireo mpiasam-panjakana jodeanina.
11Avy teo dia nasain’i Nebokadnetsara nopotsirina ny mason’i Tsedekià; ary nasainy nafatotra gadra halimo sy nentina ho any Babilôna izy mba hatao an-tranomaizina ka nahibony tao ambara-pahafatiny.
I Nebozaradàna no namarana ny fandravana an’i Jerosalema(Jereo 39.8-10; 2 Mp 25.8-21)12Tamin’ny taona faha-19 nanjakàn’i Nebokadnetsara, nony andro fahafolon’ny volana fahadimy, dia tafiditra tao Jerosalema i Nebozaradàna, filohan’ny mpiambina sady manamboninahitry ny mpanjakan’i Babilôna.
13Izy no nandoro ny tranon’ny TOMPO sy ny lapan’ny mpanjaka ary ireo trano tao an-tanàna, indrindra ny an’ny olona ambony rehetra.
14Ny manda manodidina an’i Jerosalema dia narodan’ny miaramila babilônianina rehetra izay niaraka tamin’ny filohan’ny mpiambina.
15Ary nentin’i Nebozaradàna ho babo ireo mponina sisa tao an-tanàna, dia ireo fianakaviana mahantra vitsivitsy sy ireo olona nitolo-batana tamin’ny mpanjakan’i Babilôna ary ny sisa tamin’ireo mpahay taozavatra.
16Kanefa dia nisy ampahan’ny vahoaka mahantra navelany mba hamboly ny tanimboaloboka sy ny saha.
17Nopotehin’ny Babilônianina ireo andry halimo tao an-tranon’ny TOMPO mbamin’ireo kalesy ary ilay fitobian-drano halimo goavana teo an-kianja; dia nentiny nankany Babilôna avokoa ny halimo.
18Nalainy koa ny fanaka halimo rehetra fampiasa tamin’ny fanompoam-pivavahana, dia ny vilany fasian-davenona sy ny sotron’afo mbamin’ny antsy sy ny tsatokaty famafazana ary ireo lovia madinika.
19Nentin’ny filohan’ny mpiambina koa ny fitaovana volamena sy volafotsy rehetra: ny lovia, ny fandoroana zava-manitra, ny tsatokaty famafazana, ny fandraofan-davenona, ny fitoeran-jiro ary ny kaopy sy ny tavoara.
20Tsy hita lanja ny halimo tamin’ireo fanaka rehetra izay namboarin’i Salômôna ho an’ny tranon’ny TOMPO: dia ireo andry anankiroa sy ilay fitobian-drano goavana miaraka amin’ireo ombilahy halimo 12 mitondra azy, ary ireo kalesy.
21Ny andry tsirairay dia sivy metatra ny haavony ary enina metatra ny manodidina. Poakaty izy nefa misy valo santimetatra ny hatevin’ny metaly.
22Misy lohany halimo tsirairay avy ny andry ka mahatratra roa metatra sy sasany ny haavony sady voaravaka harato sy ampongabendanitra halimo ny manodidina azy. Mitovy ireo andry roa sy ny ravaka natao taminy.
23Miisa 96 ireo ampongabendanitra teo amin’ny lafiny efatra, izany hoe ampongabendanitra zato no tontaliny tamin’ny manodidina ny harato.
24Nosamborin’ny filohan’ny mpiambina i Seraià mpisorombe sy i Tsefanià lefiny ary ireo mpisorona telo lahy mpiandry varavarana.
25Nosamboriny koa ny mpiasam-panjakana iray mpiandraikitra ny miaramila sy ny olona fito lahy mpanolotsainan’ny mpanjaka, sy ny mpitantsoratr’ilay manamboninahitra misahana ny fiantsoana ho miaramila, ary ny teratany jodeanina miisa enimpolo lahy; fa samy hitany tao Jerosalema avokoa ireo.
26Nentin’i Nebozaradàna ho any amin’ny mpanjakan’i Babilôna tao Riblà anatin’ny faritr’i Hamata izy rehetra
27ary nasain’ny mpanjakan’i Babilôna novonoina ho faty tao ihany. Toy izany no nitondrana ny vahoaka jodeanina ho babo lavitry ny taniny.
28Ireto no isan’ireo olona nasain’i Nebokadnetsara nentina ho babo: tamin’ny taona fahafito nanjakany, Jodeanina 3 023;
29tamin’ny taona faha-18 nanjakany, olona 832 avy tao Jerosalema.
30Tamin’ny taona faha-23 nanjakany, dia mbola nitondra Jodeanina 745 ho babo ihany i Nebozaradàna filohan’ny mpiambina. Koa ny tontalin’izy rehetra dia 6 400.
Nomen’ny mpanjakan’i Babilôna famotsoran-keloka i Jôiakina.(Jereo 2 Mp 25.27-30)31Fony 37 taona taorian’ny fanaovana sesitany an’i Jôiakina mpanjakan’i Joda, dia i Evila-Merôdaky no tonga mpanjakan’i Babilôna. Koa tamin’ny volana faha-12 tao anatin’io taona io, nony andro faha-27,, dia nomeny famotsoran-keloka i Jôiakina ka nasainy navoaka ny tranomaizina.
32Dia nanaovany teny mamy izy, ary nomeny toerana ambony kokoa noho ny an’ireo mpanjaka niaraka taminy tao Babilôna.
33Tsy navela hanao ny fitafian’ny mpigadra intsony i Jôiakina; ary niara-nisakafo isan’andro tamin’ny mpanjakan’i Babilôna izy nandritra ny andro sisa rehetra niainany.
34Izany koa no nahazoan’i Jôiakina tamin’ny mpanjakan’i Babilôna ny zavatra nilainy araka ny sahaza azy isan’andro mandra-pahafatiny.
Who We AreWhat We EelieveWhat We Do
2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.