Daniela Sava lalana - Malagasy Bible

Sava lalana –Ny bokin’i Daniela dia mitantara amintsika ny fomba nataon’ireo zatovo jiosy efa-dahy isan’ireo babo nentin’i Nebokadnetsara mba hijanonany ho mpivavaka mahatoky tsy azo hozongozonina amin’ilay Andriamaniny. Ny tapany voalohany (toko 1–6) dia mirakitra fitantarana enina toa samy mahaleo tena izay mampiseho ny karazam-panerena sy fandrahonana ary famaizana azon’ireo mpamoritra nampiharina tamin’ny Jiosy. Eto ohatra no ahitana ilay tantara malaza momba ny nanipazana an’i Daniela tao an-davaky ny liona.

Ny tapany faharoa (7–12) dia mitantara ireo fahitana efatra nomen’Andriamanitra an’i Daniela. Asehon’ireo fahitana ireo ny tantaran’ny vahoaka jiosy, teo ambany fanjanahan’ny firenen-kafa mandra-panarenan’Andriamanitra indray ny fanjakana jiosy.

Ny karazan’ity boky ity sy ny fomba fanoratra azy dia misy itoviany betsaka amin’ny bokin’ny Fanambaràna izay mamarana ny Testamenta Vaovao. Na ny bokin’i Daniela na ny bokin’ny Fanambaràna dia samy mikendry hampahery ny mpino amin’ny taonjato rehetra haharitra amin’ny finoana, na toa inona na toa inona fitsapana sy fanenjehana sedraina. Lahatsora-pitolomana ireo.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help