Ezekiela 17 - Malagasy Bible

Ny voromahery sy ny voaloboka

1Ary nisy tenin’ny TOMPO tamiko nanao hoe:

2«Ry ilay taranak’olombelona, manaova ankamantatra ary fanoharana ho an’ny Israelita,

3ka ambarao aminy fa izao no lazain’ny Tompo ANDRIANANAHARY: ‹Nisy voromahery iray lehibe nanana elatra goavana sy volo lava sady matevina no misoratsoratra. Nanidina hatrany an-tendrombohitr’i Libano izy ary naka ny tendron’ny hazo sedera,

4nanapaka izay avo indrindra tamin’ny rantsany, dia nitondra azy ho any amin’ny tanin’ny mpandranto ary nametraka azy tao an-tanànan’ny mpivarotra.

5Nalainy koa ny voa famafy anankiray hafa tao amin’ny tanin’i Israely ka naleviny tao anaty saha lonaka. Avy eo dia nafindrany teo amoron’ny rano mikoriana ny tsimok’io voa famafy io, ka nataony araka ny fanao amin’ny zanaka hazomalahelo.

6Ary naniry tokoa izany, dia tonga foto-boaloboka niroborobo sady nandadina. Nisandrahaka ny rantsany ka nitodika ho any amin’ilay voromahery ary ny fakany nitatra teo ambaniny. Tonga voaloboka izy ka nanome sakelika sy rantsana vaovao hatrany.

7Kanjo nisy voromahery lehibe iray hafa koa, nanana elatra goavana sy volo matevina. Koa nalefan’ilay voaloboka nankany aminy ny fakany sady natodiny nankany koa ny rantsany, mba hahazo rano betsaka kokoa noho ny teo amin’ny tany nisy azy izy.

8Kanefa saha tsara teo amoron’ny rano mikoriana no nambolena azy mba handrobonan’ny rantsany sy hamoazany ka ho tonga voaloboka mahafinaritra.›

9«Koa ambarao amin’ny Israelita fa izao no lazain’ny Tompo ANDRIANANAHARY: ‹Moa ho vanona ve izany voaloboka izany? Tsy hongotan’ilay voromahery voalohany ve ny fakany, hosimbany ny voany ary hataony izay hahamaina ny sakeliny? Tsy mila hery lehibe na antokon-tafika maro akory izy hanongotana azy.

10Voavoly tsara tokoa ny voaloboka kanefa tsy mety ho vanona. Raha vao tsofin’ny rivotra avy any atsinanana izy, dia ho maina tanteraka. Eo amin’ny tany tokony haniriany no hahamaina azy am-potony›. »

Fanazavana ny fanoharana

11Ary nisy tenin’ny TOMPO tamiko nanao hoe:

12«Anontanio ange ireo olona maditra ireo raha mba fantany akory ny dikan’izany fanoharana izany e! Ampahatsiahivo azy ny fomba nidiran’ny mpanjakan’i Babilôna tao Jerosalema, ny nisamborany ny mpanjaka sy ireo mpitondra ambony mbamin’ny nitondrany azy tany Babilôna.

13Avy eo dia naka olona iray tamin’ny fianakavian’ny mpanjaka izy ka nanao fifanekena taminy, ary nampianiana azy. Nampanalaviriny ny tany ireo olo-maventy rehetra,

14mba hampietry ny fanjakana, tsy ho afaka hitraka intsony fa hanaja tanteraka ny fifanekena.

15Kanjo ity mpanjaka vaovao nikomy tamin’ny mpandresy, ary nandefa iraka tany Ejipta mba hangataka soavaly sy miaramila marobe. Hahomby sy ho tafavoaka ve izy raha nanao izany? Tsy ho tafavoaka mihitsy izy, satria tsy nitandro fifanekena!

16«Velona Izaho Tompo ANDRIANANAHARY ka manao teny hentitra sy mianiana fa ho faty any amin’ny tanin’ilay mpanjaka izay nahatonga azy hanjaka io mpanjaka io. Nanao tsinontsinona ny fianianana nataony ary tsy nitandro ny fifanekena vita izy, ka ho faty any Babilôna.

17Ary na dia miaraka amin’ny tafika goavana vory marobe aza ny Faraon’i Ejipta dia tsy afaka hanampy azy hiaro tena rehefa manangana tovon-tany sy manao hady ho enti-mamono ireo vahoaka betsaka ny Babilônianina.

18Nanao tsinontsinona ny fianianana nataony io mpanjaka io raha tsy nitandro ny fifanekena. Nanao ireo hadisoana rehetra ireo izy ka tsy tafavoaka satria efa nanome toky tamim-pianianana.

19«Koa izao no lazain’ny Tompo ANDRIANANAHARY: Velona Aho ka mianiana fa noho ny mpanjakan’i Israely nanao tsinontsinona ny fifanekena izay nianianany hotandremana, dia hampihariko aminy ny vokatr’izany.

20Hamelarako fandrika izy ka ho tratra. Hoentiko any Babilôna izy ka any no hotsaraiko noho ny fivadihany tamiko.

21Ho faty an’ady ireo miaramila kinga amin’ny andian-tafiny rehetra, ary izay sisa velona dia haely amin’ny vazan-tany efatra: Amin’izay dia hoekenareo fa Izaho TOMPO no efa niteny taminareo.»

Fanomezan-toky nataon’ny Tompo

22Izao no lazain’ny Tompo ANDRIANANAHARY: «Izaho mihitsy no haka rantsan-kazo tanora iray eny an-tendron’ny hazo sedera avo, ary hamboleko izany; eny amin’ny lohan’ny rantsany no hakako izany, ka hamboleko eny an-tendrombohitra avo be.

23Eny an-tendrombohitra avon’i Israely no hamboleko azy. Handrobona ny rantsany ka hamoa, dia hanjary sedera mahafinaritra izy. Hanao akany eny amin’ny rantsany sy hitoetra eo ambany alony ny vorona isan-karazany.

24Amin’izay dia ho fantatry ny hazo rehetra any an-tsaha fa Izaho no TOMPO. Kapaiko ny hazo avo loatra ary ampaniriko ny kely indrindra. Hataoko maina ny hazo maitso milenodenoka, ka homeko aina indray ireo hazo efa maina. Izaho TOMPO no manambara sady manatanteraka izany.»

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help