1 Tononkalo fananarana nataon’i Asafa.
Henoy tsara ny fampianarako,
ry mpiray firenena amiko;
atongilano ny sofinareo
amin’izay teny lazaiko.
2Hisoka-bava hanao fanoharana aho
ka hanatsoaka lesona avy amin’ny fahiny.
3Izay efa renay sy fantatray
satria notantarain’ireo razantsika taminay,
4dia tsy hafeninay amin’ny zanakay koa;
eny, hampitainay amin’ny taranaka ho avy
ny zavatra tokony hiderana ny TOMPO
ary koa ny asa mahery sy mahagaga nataony.
5Nampijoro fitsipika ho an’ny vahoakany Izy
ary nametraka lalàna teo amin’i Israely,
ka nandidy ny razantsika mba hampianatra
izany tantara izany amin’ireo zanany.
6Amin’izay ny taranaka ho avy,
izany hoe ireo zaza mbola hateraka,
dia hahafantatra ihany koa
ka hijoro hampita amin-janany,
7mba hahatonga azy hatoky an’Andriamanitra
ka tsy hanadino ny asa mahery nataony
fa hitandrina kosa ny didiny.
8Amin’izay ireto tsy hanahaka ireo razany
izay taranaka naditra sy nikomy,
taranaka nanana fo niovaova
sy fanahy tsy natoky an’Andriamanitra.
9Ny olona tao amin’ny fokon’i Efraîma,
izay nirongo tsipîka sy zana-tsipîka,
dia nandositra tamin’ny andro fiadiana:
10Tsy nitandro ny fanekempihavanana
nifanaovany tamin’Andriamanitra izy,
fa tsy nety hanaraka ny lalànany;
11hadinon’ireo ny asa mahery nataony
sy ny zava-mahagaga efa nasehony taminy.
12Tany Ejipta, tao amin’ny faritr’i Tsôhàna,
teo anatrehan’ireo razany mihitsy
no nanaovan’Andriamanitra zava-mahagaga:
13nosarahiny ny ranomasina mba hampitany azy ireo,
nasainy nivangongo ny rano ho tahaka ny fefiloha;
14Andry rahona no nitarihany azy tamin’ny antoandro
ary ny hazavan’ny afo nandritra ny alina.
15Namaky vatolampy tany an-taniefitra Izy,
ka nampisotro azy tamin’ny loharano nitosaka
avy any amin’ny fanambanin’ny tany;
16rano mandriaka no navoakany avy amin’ny harambato
ka nataony nikoriana tahaka ny renirano.
17Kanjo nanohy ny fahotany ihany ireo
ka nikomy tamin’ilay Avo Indrindra,
tao amin’izany tany karankaina izany.
18Sahy nihantsy an’Andriamanitra aza izy,
ka nangataka izay hanina nahaliana azy;
19niteny ratsy an’Andriamanitra ireo,
raha nanao fanontaniana hoe:
«Andriamanitra ve afaka hanome sakafo
hohanintsika atỳ an-taniefitra atỳ?
20Marina fa nikapoka vatolampy Izy
ka nampigororoana rano avy ao
hanjary riaka mibosasaka.
Saingy ho hainy ve ny hanome mofo
na hamatsy hena ny vahoakany?»
21Nandre izany ny TOMPO ka nisafoaka
tamin’ireo taranak’i Jakôba;
nirehitra toy ny afo ny hatezerany
ka namely ny Israelita,
22satria tsy nino Azy akory ireo
sady tsy natoky ny famonjeny.
23Nefa nandidy ny rahona avy any ambony Izy,
ka nanokatra ny varavaran’ny lanitra;
24dia nandrotsahany ny mana ireo ho sakafony,
vary avy any an-danitra no nomeny azy.
25Mofon’ny mahery no nohanin’ny olona efa osa,
fa nandefasany vatsy mahavoky izy.
26Nataon’Andriamanitra nifofofofo teny an-danitra
ny rivotra avy any atsinanana;
ary ny heriny no nitondrany
ny rivotra avy any atsimo.
27Dia nandatsahany hena betsaka hoatra ny vovoka ireo
ary voro-manidina marobe toy ny fasi-dranomasina;
28teo anivon’ny tobiny no nandatsahany azy,
teny manodidina ny tranolainy teny.
29Dia nihinana izy rehetra ka voky tokoa,
satria izay nirîny dia nomen’ny Tompo azy;
30kanefa mbola tsy afa-po ihany ireo,
na dia mbola feno aza ny vavany.
31Koa nirehetan’ny fahatezeran’Andriamanitra izy:
dia nahafatesany tamin’ireo matanjaka,
nataony ripaka ny zatovo israelita.
32Na teo aza izany rehetra izany,
dia mbola nanota ihany ireo;
ary na teo aza ny zava-mahagaga nataony,
dia tsy natoky an’Andriamanitra izy.
33Koa indray mitsoka monja
no nandevonany ny fisiany;
ary tamin’ny loza tampoka
no nanaperany ny taonany.
34Fa raha naringana izy, dia nitady an’Andriamanitra,
ary mba niverina nikatsaka Azy ihany;
35tsaroany fa Andriamanitra no vatolampiny,
Andriamanitra Avo Indrindra no mpanavotra azy.
36Saingy nanao teny fitaka
hilaza lainga tamin’ny Tompo ireo;
37tsy niraiki-po taminy izy
ary tsy natoky ny fanekempihavanana
izay nifanaovany taminy.
38Be indrafo anefa Andriamanitra
ka namela ny hadisoany
ary tsy nandringana azy;
nahatsindry hatezerana Izy
ary nampitony fahavinirana.
39Tsaroany fa osa sy malemy ireo
tsio-drivotra mandalo ka tsy hiverina intsony.
40Impiry impiry akory moa ireo
no efa nikomy taminy tany an-taniefitra
ka nampahatezitra Azy tany an-tany foana!
41Fa nikiry nihantsy an’Andriamanitra izy
ka nampalahelo an’ilay Masin’i Israely.
42Nohadinoiny ny hery nasehony
fony Izy nanafaka azy tamin’ny mpampahory,
43ka nanao famantarana tany Ejipta
sy zava-mahagaga teo amin’ny faritr’i Tsôhàna:
44novany ho ra ny rano teny an-dakandrano
ka tsy azon’ny Ejiptianina nosotroina intsony;
45nalefany hitsentsitra azy ireo ny fihitra
ary hanimba zavatra ny sahona;
46nomeny hohanin’ny sompanga ireo vokatry ny taniny
ary hohanin’ny valala ny valin-kasasarany;
47naripany tamin’ny havandra ny voalobony
sy tamin’ny fanala ny aviaviny;
48natolony hasian’ny havandra ny biby fiompiny
sy hasian’ny varatra ny omby aman’ondriny.
49Nozeràny fahatezerana mirehitra ny Ejiptianina,
dia fahavinirana sy fisafoahana ary fampahoriana
izay toy ny andian’iraka tonga hitondra loza.
50Namparin’Andriamanitra ny fahatezerany,
ka tsy narovany tamin’ny fahafatesana ireo
fa natolony velona ho azon’ny areti-mandringana;
51novonoiny ho faty avokoa
ny lahimatoa rehetra tany Ejipta,
dia ireo santatry ny hery
tamin’ny ankohonan’ny terak’i Hama.
52Ny vahoakany kosa nafindrany toy ny ondry
ary notarihiny toy ny andiany tany an-taniefitra;
53nentiny tamim-pilaminana ireo ka tsy natahotra,
fa ny fahavalony no voasaron-dranomasina.
54Nentiny ho any amin’ny tany masina ny vahoakany,
teo amin’ilay tendrombohitra izay azony tamin-kery;
55noroahiny ny firenen-kafa teo anoloany,
nozarainy antsapaka ho azy ny taniny;
ka ny tranon’ireo firenen-kafa ireo ihany
no nampitoerany ny fokon’i Israely.
56Nefa nihantsy an’Andriamanitra Avo Indrindra izy
ka nikomy taminy sy nandika ny didiny;
57nihemotra sy nivadika toy ireo razany izy,
eny, nisampotina toy ny tsipîka manody.
58Nampahatezitra ny Tompo izy
tamin’ireo toeram-panasinany
sady nankasiaka mafy Azy
tamin’ny sarivongan’andriamani-tsiizy.
59Nahatsapa izany Andriamanitra, dia nisafoaka;
ka nariany tanteraka ny Israelita,
60nilaozany ny fonenany tao Silao,
dia ny tranolay nitoerany teo amin’ny olona.
61Ary ny Vatamasina maneho ny heriny sy voninahiny
dia nafoiny ho voababon’ny fahavalo.
62Natolony ho fatin-tsabatra ny vahoakany,
fa nahatezitra Azy tokoa ireo voatokana ho fananany.
63Kilan’ny afo ireo zatovolahiny;
noho izany ireo zatovovaviny
dia tsy nanaovana hiram-pampakarana;
64matin-tsabatra ireo mpisorony,
ary tsy afaka nisaona azy akory
ireo vehivavy mpitondratenany.
65Dia nifoha ny Tompo toy ny avy natory,
tahaka ny mpiady maherifo notairin’ny divay.
66Nasiany teo ivoho ireo fahavalony
ka nataony afa-baràka mandrakizay.
67Nariany ny taranak’i Jôsefa:
tsy nofidiny ny fokon’i Efraîma,
68fa ny fokon’i Joda no voafidiny
ary ny tendrombohitra Tsiôna no maminy;
69teo no nanorenany ny tempoliny
ho avo toy ny lanitra ambony
ary ho mafy tahaka ny tany
izay najorony ho mandrakizay.
70Dia nofidiny i Davida mpanompony
ka nalainy avy tany an-kijàna;
71teo am-piandrasana reniondry mampinono izy
no nampanalainy mba hiandry ny olony,
dia ireo taranak’i Jakôba na ny vahoaka Israely
izay efa voatokana ho fananany.
72Tamin’ny fo mahitsy no nikarakaran’i Davida azy
ary tamim-pahakingana no nitarihany azy.
Who We AreWhat We EelieveWhat We Do
2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.