Isaià 40 - Malagasy Bible

FIZARÀNA FAHAROANy fampiononana an’i IsraelyAmpaherezo ny vahoakako

1Ampaherezo, ampaherezo ny vahoakako,

hoy ilay Andriamanitrareo.

2Omeo toky i Jerosalema

ka antsoantsoy aminy

fa tapitra ny asa an-terivozona

sady vita ny sazy nahatra taminy;

ary efa nandray indroa heny

tamin’ny tanan’ny TOMPO izy

ho avotry ny fahotana rehetra nataony.»

3Misy feo miantso hoe:

«Misavà lalana any an-taniefitra

ho an’ny TOMPO,

mamakia arabe any an-tany karakaina

ho an’Andriamanitsika.

4Aoka hasondrotra ny lohasaha rehetra

ary aoka haetry ny tendrombohitra

sy ny havoana rehetra!

Aoka hovana ho lembalemba ny tany be havoana

ary ho saha midadasika ny tany mikitoantoana!

5Dia hiseho ny voninahitry ny TOMPO,

ka hiara-mahita izany ny olona rehetra.

Fa ny vavan’ny TOMPO mihitsy no efa niteny.»

6Misy feo manao hoe: «Miantsoa.»

fa hoy ny famaliko azy: «Inona no antso hataoko?»

Dia niteny indray izy hoe:

«Izao no antso hataonao:

Mihelina toy ny ahitra ny olona rehetra,

toy ny voninkazo eny an-tsaha ny faharetany:

7Mihamaina ny ahitra, mihamalazo ny voninkazo

rehefa seranan’ny fofonain’ny TOMPO.

–Mihelina toy ny ahitra tokoa ny olona–.

8Eny, mihamaina ny ahitra,

mihamalazo ny voninkazo,

fa ny herin’ny tenin’Andriamanitsika

no haharitra mandrakizay.»

Ny vaovao mahafaly hotorina

9Ry vahoakan’i Tsiôna

nanankinana vaovao mahafaly ô,

miakara eny an-tendrombohitra avo;

ry vahoakan’i Jerosalema

nanankinana vaovao mahafaly ô,

ingao mafy ny feonao ka aza matahotra.

Lazao amin’ireo ao tanànan’i Joda hoe:

«Indro Andriamanitrareo.

10Indro ny Tompo ANDRIANANAHARY tonga amin-kery

sady manana ny fahefana hanjaka.

Ny vahoaka, hoentiny miaraka aminy, no ho karamany

sady eo anoloany ho valin-kasasarany.

11Tahaka ny mpiandry ondry

miandry ny andian’ondriny Izy

ka manangona ireny amin’ny baikon-tanany;

trotroiny eo an-tratrany ny zanak’ondry

ary roahiny miadana ny ampianahany.»

Lehibe sy hendry ilay Tompon’izao rehetra izao

12Iza no nahafatra ny ranomasina teo am-pelatanany

na naharefy ny lanitra tamin’ny irain-jehiny?

Iza no nahangona ny vovotany

tamin’ny vata famarana tokana

ary nandanja ny tendrombohitra sy ny havoana

tamin’ny mizana anankiray monja?

13Iza no naharefy ny Fanahin’ny TOMPO,

iza no nahatakatra ny fikasany?

14Iza no nakany hevitra ka nampatsilo Azy

na nampianatra Azy ny fahaiza-mitsara,

sy nanoro Azy ny fahalalana

ary nampahafantatra Azy ny fahaiza-manavaka?

15Eo anatrehan’ny TOMPO, indreo ny firenena

fa toy ny rano indray mitete avy amin’ny siny,

na toy ny fasika madinika iray eo ambony mizana;

ary indreo ny mponina any amin’ny nosy

fa ingaina toy ny vovotany maivan-kely.

16Ny biby fihaza ao Libano amin’ny TOMPO

tsy ampy hatao sorona dorana manontolo;

ary ny hazo ao anatin’ny alany

tsy ampy hatao kitay amin’izany.

17Toy ny tsinontsinona ny firenen-drehetra

eo anatrehan’ny TOMPO;

toy ny tsy misy sady zava-poana ireny aminy.

Tsy misy tahaka an’Andriamanitra

18Koa ampitovînareo amin’iza moa Andriamanitra?

Endrik’inona no ampanahafinareo Azy?

19Raha ny sampy no tenenina

dia mpanao taozavatra no nandrendrika azy,

mpanefy firavaka no nandrakotra azy takela-bolamena

ary nandrenty azy rojo volafotsy.

20Ny mahantra izay tsy afaka mandany toy izany

dia mifidy vatan-kazo tsy mety lo,

ary mitady mpandrafitra mahay

mba hanangana sampy tsy hihozongozona.

21Moa tsy fantatrareo na efa renareo ve,

moa tsy nambara taminareo

hatrany am-piandohana ve,

ary moa tsy noeritreretinareo ve

ilay mpanangana ny fanorenan’ny tany?

22Izy no mipetraka amin’ny sezafiandrianana

eo ambonin’ny habakabaka izay andohalambon’ny tany;

ka toy ny vitsika no fijeriny ny olona avy eny.

Izy no nanenjana ny lanitra toy ny lambabe

ary namelatra azy toy ny lay hitoerany.

23Izy no mahatonga ny mpitondra ho tsinontsinona

sy maha zava-poana ny mpifehy ny tany.

24Vao tonga eo amin’ny toerany ireny,

vao manomboka miely patrana,

vao miorim-paka amin’ny tany,

dia tsofin’ny fofonain’ny TOMPO ka mihamalazo;

ary indreny fa voapaoka

toy ny mololo indaosin’ny tadio.

25«Koa hampitovînareo amin’iza Aho

ary hoharinareo amin’iza,

hoy ilay Andriamanitra masina?»

26Atopazo eny an-danitra ny masonareo

ka jereo: Iza no nahary ny kintana?

Tsy iza fa Ilay mamoaka azy isan-tokony

toy ny andian-tafika hanao matso

sy miantso azy rehetra amin’ny anarany avy.

Lehibe loatra ny heriny

ary tena hentitra ny fahefàny

ka tsy misy mitsoaka an-daharana ireo.

Manavao ny herin’ny reraka ny Tompo

27Ry vahoaka Israely, firenen’i Jakôba,

nahoana ianao no miteny sy manamafy hoe:

«Tsy hitan’ny Tompo akory izay mahazo ahy,

lalovan’Andriamanitra fotsiny ny zoko?»

28Tsy fantatrao sady tsy efa renao va

fa ny TOMPO dia Andriamanitra mandrakizay?

Izy no namorona ny tany manontolo.

Tsy mba reraka Izy na sasatra,

ary tsy misy fetra ny fahalalàny.

29Manome hery ny reraka Izy

ary manatanjaka ny malemy.

30Ny tanora aza dia mihareraka sy mety sasatra,

ny mahery tompon-daka aza dia mety ho solafaka.

31Fa izay matoky ny TOMPO kosa

dia hahazo hery vaovao hatrany,

ka hisidina ambony toy ny voromahery.

Hihazakazaka izy nefa tsy ho sasatra,

handeha izy nefa tsy ho reraka.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help