1 Tao amin’ny tahirin-kiran’ny filohan’antoko-mpihira. Hampiarahina amin’ny valiha. Tononkalo fananarana nataon’i Davida,
2fony tonga ny Zifita ka nanao tamin’i Saoly hoe: Miery any aminay i Davida
.3Andriamanitra ô, vonjeo aho noho ny voninahitrao;
ary omeo rariny aho satria mahery Ianao!
4Andriamanitra ô, henoy ny fivavako;
mba mampandria sofina amin’ny teniko.
5Fa olona hafa firenena no mitsangan-kamely ahy,
olon-dozabe no mitady hahafaty ahy
tsy miraharaha Anao akory ireo.
Fiatoana
6Indro kosa Andriamanitra manampy ahy,
ny Tompo no hany mpanohana ahy;
7Izy anie hamaly ny ratsy ataon’ny mpitsikilo ahy!
Aringano ireo satria mahatoky tokoa Ianao.
8An-tsitrapo no anaterako sorona ho Anao;
TOMPO ô, hidera Anao aho fa tsara Ianao;
nafahanao tamin’ny fahoriako rehetra aho
ka hitako maso ny fahavaloko resy.
Who We AreWhat We EelieveWhat We Do
2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.