1Tamin’ny taona fahatelo nanjakan’i Jôiakima mpanjakan’i Joda dia tonga tany Jerosalema i Nebokadnetsara mpanjakan’i Babilôna ka nanao fahirano azy.
2Dia natolotry ny Tompo teo an-tanany i Jôiakima mpanjakan’i Joda ary ny ampahan’ireo fanaka tao an-tranon’Andriamanitra. Nentin’i Nebokadnetsara ho any Babilônia ireo olona babo; ny fanaka kosa nentiny ho ao an-tempolin’ireo andriamaniny ary napetrany tao amin’ny efitrano firaketan’io tempoly io.
3Ary i Nebokadnetsara mpanjaka nandidy an’i Aspenaza lehiben’ireo tandapany mba hitondra tovolahy israelita avy amin’ny tarana-mpanjaka sy ny fianakavian’andriana sasany;
4ireo tovolahy ireo tsy tokony hisy kilema ara-batana fa ho tsara tarehy sady ho feno fahendrena sy manam-pahalalana ary lalim-pahaizana, ka ho afaka hanompo ao an-dapan’ny mpanjaka. Hampianarina ny soratra sy ny fiteny babilônianina izy ireo.
5Nasain’ny mpanjaka hanokanana sakafo sy divay isan’andro avy amin’ny hanina amam-pisotrony izy ireo ary koa hampianarina mandritra ny telo taona. Rehefa izany dia hanompo ny mpanjaka izy.
6Anisan’ireo voafidy tao amin’ny fokon’i Joda i Daniela sy i Hananià ary i Misaela sy i Hazarià.
7Nomen’ny lehiben’ny tandapa anarana vaovao izy ireo, ka i Daniela nantsoiny hoe Beltesatsara, i Hananià nantsoiny hoe Sadràka, i Misaela nantsoiny hoe Mesàka, ary i Hazarià nantsoiny hoe Habeda-Negao.
8Hentitra ny fanapahan-kevitr’i Daniela fa tsy handoto tena amin’izay sakafon’ny mpanjaka na ny divay fisotrony izy; koa nangataka tamin’ny lehiben’ny tandapa izy mba tsy hanery azy handoto tena.
9Ary nataon’Andriamanitra nahazo fitia sy indrafo teo anatrehan’ny lehiben’ny tandapa i Daniela.
10Fa hoy ity lehiben’ny tandapa taminy:
–Ny andriamanjaka no efa nampanokana ny ho sakafonareo sy ho fisotronareo; koa matahotra aho fandrao ianareo hitany mahia endrika mitaha amin’ireo zatovo mitovy taona aminareo, ka dia hotapahiny ny lohako noho ny aminareo.
11Dia hoy i Daniela tamin’ny mpiandraiki-draharaha izay voatendrin’ny lehiben’ny tandapa hikarakara azy sy i Hananià ary i Misaela sy i Hazarià:
12–Mba tsapao mandritra ny folo andro aloha izahay mpanomponao, ka anana sy rano ihany omena hohaninay sy hosotroinay.
13Avy eo dia hojerenao ny endrikay sy ny an’ireo zatovo izay mihinana ny hanina fihinan’ny mpanjaka, ka araka izay ho hitanao no hataonao aminay.
14Dia nekeny izany soso-kevitra izany, ka notsapainy nandritra ny folo andro izy efa-dahy.
15Ary nony tapitra ny folo andro, dia hita fa tsara endrika sy natavy kokoa izy noho ny zatovo rehetra izay nihinana ny hanina fihinan’ny mpanjaka.
16Koa nesorin’ilay mpiandraiki-draharaha ny anjara hanina sy divain’izy efa-dahy, ka anana no nomeny azy.
17Ireo zatovo efa-dahy ireo dia nomen’Andriamanitra fahaizana amam-pahalalana amin’ny sehatra rehetra momba ny soratra sy ny fahendrena; ary i Daniela nahafantatra ny hevitry ny fahitana sy nofy rehetra.
18Rehefa tonga ny andro voatendrin’ny mpanjaka hitondrana ireto zatovo rehetra hankeo anatrehany, dia nentin’ilay lehiben’ny tandapa teo anoloan’i Nebokadnetsara ireo;
19ary niresaka tamin’ireo ny mpanjaka, ka tsy nisy hita izay tahaka an’i Daniela sy i Hananià ary i Misaela sy i Habeda-Negao. Koa dia nanompo ny mpanjaka izy efa-dahy.
20Fony nanontany azy zavatra isan-karazany momba ny fahendrena sy fahaiza-manavaka kosa ny mpanjaka, dia nahatsapa fa nihoatra impolo heny noho ny mpanao majika aman-tsikidy rehetra tao amin’ny fanjakany manontolo ireo.
21Ary i Daniela dia nahatratra ny taona voalohany nanjakan’i Kirosy.
Who We AreWhat We EelieveWhat We Do
2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.