1 Tononkira. Salamo nataon’i Asafa.
2Andriamanitra ô, aza mangina Ianao,
aza mihenahena sy mijanom-potsiny.
3Indreo misafoaka ny fahavalonao
ary miandranandrana ny mpankahala Anao.
4Mikotrika fiokoana hamelezana ny vahoakanao ireo
ary mifandinika hanohitra ny olona arovanao.
5Hoy ireo hoe: «Andeha holevonintsika
tsy ho firenena izy;
dia tsy hotsarovana intsony
ny anarana hoe Israely.»
6Efa niray tetika tokoa ireo
ka nifanaiky hanohitra Anao:
7dia ny Edômita sy ny Jismahelita,
mbamin’ny Moâbita sy ny Hagirita,
8ny Gebalita sy ny Hamônita sy ny Hamalekita,
ary ny Filistinina miaraka amin’ny mponina any Tiro;
9nikambana taminy koa ny Asirianina
mba hifarimbona amin’ny taranak’i Lôta.
Fiatoana
10Andriamanitra ô, ataovy tahaka an’i Siserà ireo,
ataovy tahaka an’i Siserà sy i Jabîna
teo amin’ny renirano Kisôna,
na ataovy tahaka ny Midianita
11izay naringana tao Haîna-Harôda
ka nanjary zeziky ny tanimboly;
12ataovy tahaka an’i Hôreba sy i Zeeba ny andriandahiny
ary tahaka an’i Zebà sy i Tsalmonà ny lehibeny rehetra,
13dia ireo olona nilaza hoe:
«Andeha halaina ho antsika
ilay fonenan’Andriamanitra.»
14Andriamanitro ô, ataovy fanina izy
tahaka ny vovoka atambolin’ny tadio
na tahaka ny akofa paohin’ny rivotra.
15Toy ny afo mandoro ala,
toy ny lelafo mandrehitra tendrombohitra
16no anenjeho azy amin’ny tafio-drivotrao
sy ampitahory azy amin’ny rambon-danitrao.
17Saròny henatra ny tavany
mba hitadiavany Anao, TOMPO ô.
18Aoka ho menatra sy ho raiki-tahotra izy
hatrany amin’ny mandrakizay
ka hangaihay sy ho ringana!
19Ary aoka ho fantany fa Ianao ihany no TOMPO,
ilay Avo Indrindra, eto ambonin’ny tany tontolo!
Who We AreWhat We EelieveWhat We Do
2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.