Jôba 32 - Malagasy Bible

FIROTSAHAN’I ELIHO AN-TSEHATRA(32-37)

1Noho i Jôba nihevi-tena ho marina, dia nitsahatra tsy namaly azy intsony i Elifaza sy i Bildada ary i Tsôfara.

2Koa nirehi-pahatezerana noho izany i Elihò zanakalahin’i Barakela avy amin’ny fokon’i Boza sady anisan’ny tarik’i Rama; tamin’i Jôba no nirehetan’ny fahatezerany, satria mihambo ho marina i Jôba teo anoloan’Andriamanitra.

3Nirehi-pahatezerana tamin’ny sakaizany telolahy koa i Elihò, satria sady tsy nahita valinteny ho an’i Jôba ireo no nanome tsiny an’Andriamanitra.

4Fa mbola niandry i Elihò vao niteny tamin’i Jôba, satria be taona kokoa noho izy ny hafa.

5Rehefa hitany anefa fa tsy nanan-kavaly intsony izy telolahy, dia nirehitra ny fahatezerany.

Manazava ny antony hirotsahany an-tsehatra i Elihò

6Dia niteny i Elihò zanakalahin’i Barakela avy amin’ny fokon’i Boza ka nanao hoe:

Mbola tanora loatra aho fa ianareo kosa efa be taona

koa dia natahotra aho aloha ary tsy sahy

nanambara taminareo izay mba fantatro.

7Fa hoy aho anakampoko hoe: «Aoka ny be taona hiteny,

ary ny anti-panahy hampianatra ny fahendrena.»

8Kanefa ao amin’ny olombelona ao dia ny fanahy,

na ny fofonain’ilay Tsitoha, no manome fahalalana azy.

9Fa tsy hoe taona na traikefa ananana

no mampahendry sy ahalalana ny marina.

10Noho izany, mangataka anareo aho hihaino ahy

fa hambarako aminareo koa izay mba fantatro.

*

11Mba niandry izay kabarinareo aho

ary nampandry sofina tamin’izay halahatrareo,

mandra-pandinidinikareo izay holazaina.

12Eny, nihaino tsara anareo aho,

fa tsy nisy naharesy lahatra an’i Jôba ianareo.

13Ary aza manao hoe: «Efa hitanay ny fahendrena:

Andriamanitra fa tsy olombelona no hamaly azy.»

14Tsy nikabary hamely ahy anefa i Jôba,

ary tsy ny teninareo no hamaliako azy.

*

15Indro fa very hevitra izy telo lahy, ry Jôba,

hany ka tsy mamaly anao intsony

ary tsy mahita izay hotenenina.

16Niandry foana aho fa tsy niteny izy

sady nijanona tsy namaly intsony;

17koa anjarako indray no miteny

hanambara izay mba fantatro.

18Fa feno izay tokony holazaina ny foko;

fanoitra ato anatiko no manery ahy hiteny.

19Mamorivory toa iotrehan-divay ny ato anatiko

ka tahaka ny siny hoditra vaovao efa ho triatra.

20Koa avelao aho hiteny hampahamaivana ahy;

dia ho afaka hanoka-bava aho ka hamaly.

21Tsy mba hizaha tavan’olona aho

na handodoka na iza na iza;

22fa tsy mahay mandodoka olona aho,

sao hofoanan’ny Mpahariko tsy ho ela.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help