Ezekiela 8 - Malagasy Bible

Ny fanompoan-tsampy ao amin’ny tempolin’Andriamanitra

1Tamin’ny taona fahenina taorian’ny fahababoana, nony andro fahadimin’ny volana fahenina, dia nipetraka tao an-tranoko aho ary nipetraka manoloana ahy ireo loholon’i Joda. Teo no voatsindrin’ny herin’ny Tompo ANDRIANANAHARY aho.

2Hitako nisy toa miendrika olona no fijery azy. Tahaka ny afo ny tenany hatreo amin’ny tehezany no ho midina, ary mamirapiratra sy manjelanjelatra tahaka ny metaly mangirana kosa ny tapany ambony.

3Nisy toa tanana natsotrany tamiko ka noraisiny tamin’ny volon-dohako aho. Tanatin’izany fahitana avy amin’Andriamanitra izany, dia tsaroako ho ningain’ny Fanahin’Andriamanitra ho eny ana habakabaka aho ka nentiny hankany Jerosalema. Mby teo amin’ny vavahadin-tanàna izay mitodika mianavaratra aho, dia teo amin’ny toerana nisy ilay sarivongan-tsampy tsy zakan’Andriamanitra.

4Ary indro niseho tamiko teo ny voninahitr’ilay Andriamanitr’i Israely, tahaka ny nahitako azy tao an-dohasaha.

5Ary hoy Andriamanitra tamiko: «Atopazo mianavaratra ny masonao, ry ilay taranak’olombelona.» Dia nataoko izany. Indro teo avaratry ny vavahady nisy alitara iray; ary ilay sarivongan-tsampy tsy zakan’Andriamanitra dia hitako teo akaikin’ny fidirana.

6Dia hoy indray ny Andriamanitra hoe: «Ry ilay taranak’olombelona, hitanao tsara ve izay ataon’ny olona eo? Fa ny firenen’i Israely dia manao izay fomba maharikoriko mba hampanalavitra Ahy amin’ity toerako masina ity. Nefa mbola hahita fomba hafa maharikoriko toy izany ianao.»

7Ary nitondra ahy ho eo am-bavahadin’ny kianja ivelan’ny tempoly izy, ka hitako fa nisy hirika teo amin’ny rindrina.

8Dia hoy Andriamanitra tamiko: «Ry ilay taranak’olombelona, gorobahy ny rindrina.» Dia nogorobahiko ny rindrina ka nasiako banga.

9Ary hoy indray Izy tamiko: «Midira ianao ary jereo ny fomba ratsy maharikoriko ataon’ireo olona ireo eto.»

10Dia niditra aho ary izao no hitako: rakotry ny sary mampiseho ireo biby mandady sy biby hafa mahatsiravina rehetra ny rindrina manodidina ahy, ary hita teo avokoa ny sampin’i Israely.

11Nitsangana teo anoloan’ireo sary ireo ny loholona fitopolo lahy tamin’ny vahoakan’i Israely, ka isan’ireny i Jazanià zanakalahin’i Safàna. Samy nitana lovia fandoroana vovo-javamanitra teny an-tanany avy izy ary nidonaka ny setrok’izany.

12Dia nanontany ahy Andriamanitra hoe: «Ry ilay taranak’olombelona, hitanao tsara ve izao izay ataon’ny loholon’i Israely ao amin’ny miafina, fa samy manana toerana voatokana ho an’ny sampiny avy izy? Nefa manamarin-tena izy ka manao hoe: ‹Tsy mahita anay ny TOMPO fa efa nandao ny taninay Izy›. »

13Ary hoy koa Andriamanitra hoe: «Mbola hahita fomba ratsy hafa maharikoriko fanaony koa ianao.»

14Dia nentin’ny TOMPO aho hankeo anoloan’ny vavahadin’ny tranony, izay mitodika mianavaratra. Nisy vehivavy maro nipetraka teo, ary nitomany ny fahafatesan’i Tamoza.

15Koa nanontany ahy Andriamanitra hoe: «Hitanao tsara ve izao, ry ilay taranak’olombelona? Mbola hahita fomba maharikoriko goavana kokoa noho izao aza ianao.»

16Dia nentin’ny TOMPO aho hankao an-kianja anatiny amin’ny tranony. Manoloana ny varavaran’ny Toeramasina, dia nisy tokony ho 25 lahy teo anelanelan’ny Toeramasina sy ny alitara fisoronana. Niamboho ny Toeramasina ireo ary nitodika miantsinanana ka niankohoka mba hivavaka amin’ny masoandro.

17Dia nanontany ahy indray Andriamanitra hoe: «Hitanao tsara ve izao, ry ilay taranak’olombelona? Nefa tsy afa-po amin’izao fomba maharikoriko ataony izao izy fa mbola fenoiny herisetra koa ny tany, ka manao izay mampahasosotra Ahy lalandava izy. Jereo izy izao fa mampakatra rantsan-kazo eo amin’ny orony.

18Ary Izaho kosa dia hamely azy amin’ny fahatezerako; tsy ho antra fijery azy Aho ary tsy hamindrafo aminy. Ka na dia hikiakiaka hiantso vonjy amiko aza izy, dia tsy hohenoiko.»

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help