2 Tantara 16 - Malagasy Bible

Ny ady nifanaovan’i Asà sy i Bahasà mpanjakan’i Israely(Jereo 1 Mp 15.16-22)

1Tamin’ny taona faha-36 nanjakàn’i Asà, dia niakatra hanafika ny tanin’i Joda i Bahasà mpanjakan’i Israely ka nanamafy ny tanànan’i Ramà izy mba hisakanan-dalana an’i Asà mpanjakan’i Joda.

2Koa nangalan’i Asà volafotsy sy volamena ny raki-tsoa tao an-tranon’ny TOMPO sy tao an-dapan’ny mpanjaka; dia nalefany ho an’i Bena-Hadada mpanjakan’i Siria izay nipetraka tany Damasy izany sady nombany hafatra hoe:

3«Aoka hisy fanekena amiko sy aminao, toy izay nisy tamin-draiko sy tamin-drainao. Koa indro mandefa volafotsy sy volamena ho anao aho; fa ndeha tsoahy ny fifanekenao tamin’i Bahasà mpanjakan’i Israely mba hialany amin’ny taniko.»

4Dia neken’i Bena-Hadada ny tenin’i Asà mpanjaka; ary nirahiny ireo filohan-tafiny hamely ny tanànan’i Israely, ka dia nahazo an’i Hiôna sy i Dana ary i Abela-Maîma mbamin’ny tanàna rehetra tany Naftalỳ izay nisy trano fitahirizam-bokatra.

5Nony ren’i Bahasà izany vaovao izany, dia nitsahatra tsy nanamafy ny tanànan’i Ramà intsony izy, fa nampijanona ny asany.

6Novorin’i Asà mpanjaka ny Jodeanina rehetra; ka ireo no nanaisotra ny vato sy ny hazo tao Ramà, izay vao nohamafisin’i Bahasà. Dia nampiasan’i Asà ireo fitaovana ireo hanamafisana an’i Geba sy i Mitsepà.

Naiditr’i Asà am-ponja i Hananỳ mpaminany

7Tamin’izany fotoana izany dia nankeo amin’i Asà, mpanjakan’i Joda, i Hananỳ mpaminany ka nanao taminy hoe:

–Tsy ny TOMPO Andriamanitrao no niankinanao fa ny mpanjakan’i Siria; noho izany, dia votsotra tsy ho eo ambany fahefànao ny tafiky ny mpanjakan’i Siria.

8Tsy tafika marobe ve ny Etiôpianina sy ny Libianina ary tsy betsaka ve ny kalesiny ama-mpitaingin-tsoavaliny? Nefa noho ny niankinanao tamin’ny TOMPO, dia natolony teo an-tananao ireo.

9Fa manopy maso ny tany tontolo ny TOMPO mba hanohana izay miraiki-po tanteraka aminy. Adala ianao tamin’io fihetsikao io, ka dia hisy ady hihatra aminao manomboka izao.

10Dia tezitra sy nisafoaka tamin’ilay mpahita i Asà noho izany ka nampiditra azy am-ponja. Ary nisy olona sasany koa nampahorîn’i Asà tamin’izay fotoana izay.

Fiafaràn’ny nanjakàn’i Asà(Jereo 1 Mp 15.23-24)

11Ny tantaran’i Asà, na tamboalohany na tafara, dia voasoratra ao amin’ny Bokin’ireo mpanjakan’i Joda sy i Israely

.

12Tamin’ny taona faha-39 nanjakàn’i Asà, dia narary mafy tamin’ny tongony izy; kanefa, na niharan’aretina aza izy, dia tsy nitady vonjy tamin’ny TOMPO fa tamin’ny mpitsabo ihany.

13Rehefa maty i Asà tamin’ny taona faha-41 nanjakany ka lasa nodimandry any amin’ny razany,

14dia nalevina tao amin’ny fasana izay nolavahany tao an-Tanànan’i Davida. Nampandrina teo amin’ny fandriana efa nofenoina zava-manitra samy hafa araka ny fanaon’ny mpiangaly an’izany izy, ary mbola nandorana zava-manitra betsaka ho fisaonana azy.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help