1 Haleloià!
Fony niala tany Ejipta ireo Israelita, taranak’i Jakôba,
ka nandao an’ilay firenena lozabe sady hafa fiteny,
2dia tonga Toeramasin’ny Tompo i Joda
ary faritany anjakany i Israely.
3Ny ranomasina nahita ny Israelita ka nandositra;
ny ony Jôrdàna nanjary niorika;
4ny tendrombohitra niantsambotra toa ondrilahy
ary ny havoana nitsambikina toa zanakosy.
5Ahoana ianao, ry ranomasina, no mandositra,
ary ianao, ry ony Jôrdàna, no manjary miorika?
6Ahoana ianareo, ry tendrombohitra,
no miantsambotra toa ondrilahy,
ary ianareo, ry havoana,
no mitsambikina toa zanakosy?
7Aoka ianao, ry tany, hientanentan-kafaliana
eo anoloan’ny Tompo, dia ny Andriamanitr’i Jakôba,
8fa manova ny vatolampy ho farihy Izy,
mahatonga ny karaobato ho loharano!
Who We AreWhat We EelieveWhat We Do
2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.