Ezekiela 47 - Malagasy Bible

Ny loharanon’ny tempoly

1Ary nitondra ahy niverina ho eo am-pidirana amin’ny tempoly ralehilahy. Koa hitako fa nisy rano niboiboika avy tao ambanin’ny tokonana atsinanana, fa nitodika niantsinanana ny tempoly. Io rano io dia nidina teo ambanin’ny lafiny ankavanan’ny tempoly ka nandalo teo atsimon’ny alitara.

2Dia nitondra ahy nivoaka ny tempoly tamin’ny vavahady avaratra izy ka nampandeha ahy nanodidina tany ivelany hipaka amin’ny vavahady atsinanana. Ary indro avy teo ankavanan’ity vavahady ity no nikoriana ny rano.

3Nandroso niantsinanana ralehilahy, nitana tady izay nandrefesany dimanjato metatra niantsinanana. Avy eo dia nampita ahy ny rano izy ka hatreny an-kitrokeliko izany.

4Dia nandrefy dimanjato metatra indray izy, ary nampita ahy ny rano ka hatreny an-dohaliko izany. Nony afaka dimanjato metatra manaraka dia nampita ahy ny rano indray izy, ka hatreny andilako ny rano.

5Nandrefy dimanjato metatra indray izy, ka ony tsy azoko niampitana intsony ny rano fa efa nihalalina. Eny, ony tsy azo iampitana intsony izy raha tsy amin’ny lomano.

6Ary hoy ralehilahy tamiko: «Hitanao tsara ve izany, ry ilay taranak’olombelona?» Dia nentiny nihataka kely aho, vao naveriny indray hankeo amoron’ny ony.

7Rehefa tafaverina teo aho, dia hitako fa nisy hazo marobe teny amoron’ny ony an-daniny roa.

8Ary hoy ralehilahy tamiko: «Mizotra hankany amin’ny faritra atsinanana ity ony ity ka midina ny lohasahan’i Jôrdàna ary mivarina eo amin’ny Ranomasina Maty. Rehefa tonga eo an-dranomasina izy, dia manavao ny ranony hanjary hahasalama.

9Hifanaretsaka ny zava-miaina isan-karazany ary hitombo marobe ny trondro, na aiza na aiza hivarinan’ilay ony. Fa hanadio ny ranomasina izany; ka any amin’izay hivarinany dia hitondrany aina.

10Ary manomboka eo Haîna-Gedỳ ka hatrany Haîna-Heglaima, dia hisy mpanarato hanahy ny haratony eny amoron’io ranomasina io. Fa hahitana trondro marobe isan-karazany ao tahaka ny any amin’ny Ranomasina Mediteranea.

11Nefa kosa ireo heniheny sy honahona eo amoron-tsiraka dia tsy hodiovina fa havela ho fakana sira.

12Ary eny amoron’ny ony an-daniny roa dia hanirian’ny hazo fihinam-boa isan-karazany. Tsy halazo na oviana na oviana ny raviny ary tsy hitsahatra ny voany, fa hamoa isam-bolana izy satria voatondrak’ilay rano mivoaka avy ao amin’ny tempoly. Ny voany dia hatao sakafo, ary ny raviny hatao fanafody.»

Araikitry ny Tompo ny sisin-tanin’i Israely.

13Izao no lazain’ny Tompo ANDRIANANAHARY: «Toy izao no faritry ny tany izay hifampizaràn’ny foko israelita roa ambin’ny folo, ka hahazoan’ny fokon’i Jôsefa anjaran-droa.

14Samy hanana anjara faritany mitovy ny foko tsirairay. Efa nianiana manko Aho fa homeko ny razanareo ity tany ity, ka ho azonareo ho fanananareo.

15Toy izao no faritry ny tany: Ny sisin-tany avaratra dia hiainga eo amin’ny Ranomasina Mediteranea, ka hanaraka ny lalana mankany Hetlôna sy Lebô-Hamata ary Tsedada;

16avy eo dia mandalo ny tanàna Berôtà sy Sibraîma anelanelan’ny fanjakan’i Damasy sy fanjakan’i Hamata ary mandalo ny tanàna Hatsara-Henôna ao akaikin’ny sisin-tanin’i Haoràna.

17Izany sisin-tany izany dia miainga eo amin’ny Ranomasina Mediteranea ka hatrany Hatsara-Henôna any atsinanana. Any avaratra izy dia voafefin’ny fanjakan’i Damasy sy i Hamata. Izay no sisin-tany avaratra.

18Ny sisin-tany atsinanana kosa dia hiainga eo Hatsara-Henôna anelanelan’i Damasy sy i Haoràna, ka hanaraka ny lohasahan’i Jôrdàna eo anelanelan’ny faritanin’i Gilehada sy ny tanin’i Israely, ary hipaka any Tamara eo amoron’ny Ranomasina Maty. Izay no sisin-tany atsinanana.

19Ny sisin-tany atsimo dia hiainga eo Tamara ka hipaka hatrany amin’ny ranon’i Meribà any Kadesy, ary hanaraka ny ranon-driakan’i Ejipta ka hipaka eo amin’ny Ranomasina Mediteranea. Izay no sisin-tany atsimo.

20Ny sisin-tany andrefana kosa dia ny Ranomasina Mediteranea no mamaritra azy hatreo atsimo ka hatrany Lebô-Hamata any avaratra. Izay no sisin-tany andrefana.

21«Hifampizarànareo foko israelita io tany io.

22Antsapaka no hizarànareo azy ho anareo ary koa ho an’ny vahiny mipetraka sy efa miteraka eo aminareo. Ireny koa dia tokony hoentinareo tahaka ny Israelita ka ho valovotaka hahazo zaratany antsapaka eo anivon’ny fokon’i Israely.

23Samy homenareo ny anjarany avy eo amin’ny foko izay hipetrahany ny vahiny. Teny hentitra avy amiko Tompo ANDRIANANAHARY izany.»

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help