Ohabolana 25 - Malagasy Bible

1Indreto koa no ohabolan’i Salômôna voaangon’ny olon’i Hezekià mpanjakan’i Joda.

Ohabolana isan-karazany

2Andriamanitra dia omem-boninahitra

noho Izy manao zava-miafina;

ny mpanjaka kosa dia omem-boninahitra

noho izy manazava ny zavatra ataony.

3Ny haavon’ny lanitra sy ny halalin’ny tany

ary ny ao am-pon’ny mpanjaka dia samy tsy fantatsika.

4Esory amin’ny volafotsy ny lotony,

dia fanaka sarobidy no havoakan’ny mpanefy;

5esory tsy ho eo amin’ny mpanjaka ny olon-dratsy

dia fahamarinana no hiorenan’ny fiandrianany.

6Aza miedinedina eo anatrehan’ny mpanjaka

na misolantsolana eny amin’ny toeran’ny lehibe;

7fa aleo ianao hilazana hoe: «Miakara etỳ»,

toy izay mahita ny tenanao haetry

eo anatrehan’ny manan-kaja.

8Izay zavatra hitan’ny masonao,

aza maika ny hitondra izany am-pitsarana,

fandrao tsy hitanao izay hatao amin’ny farany

rehefa voaporofon’ny namanao fa ianao no diso.

9Alamino miaraka amin’ny namanao ny adinao aminy,

nefa aza tsikafonina ny tsiambaratelon’ny hafa;

10fandrao izay mandre hanome tsiny anao

ka dia ho afa-baràka mandrakizay ianao.

11Toy ny paoma volamena voahaingo volafotsy,

no hasarobidin’ny teny lazaina amin’ny ilàna azy.

12Toy ny kavina sy rojo volamena

no hasoan’ny anatry ny hendry amin’izay mihaino.

13Mamelombelona aina ny hatsiakan’ny rano mamanala

amin’ny fotoam-pijinjana mafana;

mamelombelona aina toy izany koa ny iraka mahatoky

amin’ny tompony naniraka azy.

14Tahaka ny rahona sy rivotra tsy mitondra orana

ny olona mampanantena zavatra izay tsy homeny akory.

15Izay manam-paharetana no maharesy lahatra mpitsara;

ary ny teny malefaka mampilefitra ny henjana.

16Raha mahita tantely ianao, dia hano izay sahaza anao,

fandrao ho leony ianao ka handoa azy;

17aoka ianao tsy hateti-pankany an-tranon’ny namanao,

fandrao tofoka aminao izy ka hankahala anao.

18Mandratra toy ny langilangy na sabatra

na koa zana-tsipîka maranitra

ny olona mijoro ho vavolombelona mandainga

mba hanamelohana ny namany.

19Toy ny mitsako amin’ny nify mihozongozona

na mihazakazaka amin-tongotra kilemaina

ny matoky olona mpamadika

amin’ny androm-pahoriana.

20Toy ny manary lamba amin’ny andro mangatsiaka

na toy ny manisy vinaingitra amin’ny fery,

toy izany koa izay mihira amin’olona malahelo.

21Raha noana ny fahavalonao, dia omeo hanina;

raha mangetaheta izy, dia omeo rano hosotroiny;

22fa raha manao izany ianao,

dia toy ny manala vainafo eo an-dohany.

Ary ny TOMPO no hamaly soa anao.

23Ny rivotra avy any avaratra mahatonga orana,

ary ny fanendrikendrehana olona mahavinitra endrika azy.

24Aleo mitoetra amin’ny efitra kely ao an-tampon-trano

toy izay miray trano amin’ny vehivavy liana ady.

25Toy ny rano mangatsiaka ho an’ny tenda main-ketaheta

ny vaovao mahafaly avy any an-tany lavitra.

26Toy ny loharano voaloto sy fantsakana voapoizina

ny olo-marina milefitra eo anoloan’ny olon-dratsy.

27Tsy tsara ny mihinana tantely be loatra

na koa ny mitady hahazo voninahitra be loatra.

28Toa tanàna rava tsy misy manda intsony

ny olona izay tsy mahatsindry fo.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help