Filipianina Sava lalana - Malagasy Bible

Sava lalana Ny tanàna voalohany nitorian’i Paoly ny Vaovao Mahafaly tany Eorôpa dia i Filipy, tanàna tany Masedônia izay faritany rômanina fahizay (tao avaratra atsinanan’i Gresy). Nanorina Fiangonana tao i Paoly amin’ny diany faharoa (jereo Asa 16.12-40). Nony afaka taona vitsivitsy, fony i Paoly nigadra (tany Efeso hoy ny sasany, tany Kesaria na tany Rôma hoy ny hafa: jereo Fil 1.7), dia nanoratra taratasy mampihetsi-po fatratra ho an’ny Filipianina izy. Te hisaotra azy ireo i Paoly noho ny fanomezana nampitondrainy an’i Epafrôdito ho azy, tamin’ny fotoana nandiavany fahasahiranana sy fahoriana. Te hampirisika azy rehetra koa i Paoly mba hifikitra amin’i Kristy, ka tsy ho voafitaky ny fampianaran-diso izay nisoko mangina tao amin’ny Fiangonany.

Vao manomboka i Paoly, dia manambara ny hafaliany sy ny fankasitrahany, rehefa mahatsiaro ny kristianina tao Filipy (1.1-11). Manaraka izany, dia milazalaza ny amin’ny tenany izy. Eo anatrehan’ny ho avy izay saro-pantarina, dia asehon’i Paoly ny fahatokiana tanteraka vokatry ny firaisany amin’i Jesoa Kristy (1.12-26). Ampirisihiny ny Filipianina mba hiorina mafy amin’ny finoana sady hiezaka hifanara-tsaina tsara, ka haneho ny fanetrentena sy ny toe-panahy vonon-kanompo izay samy avy amin’i Jesoa Kristy (1.27–2.18). Mandra-pifankahitana anefa, ny fifandraisan’i Paoly apôstôly sy ny Filipianina dia hiandraiketan’i Timôty mpiara-miasa amin’i Paoly (2.19-30).

Mampitandrin-tena mafy ny Filipianina i Paoly ny amin’ireo olona mivadika amin’ny tena Vaovao Mahafaly. Asainy maka tahaka azy ny Filipianina ka tsy hiroa saina amin’izay kendren’ny fiainana kristianina: dia ny hitovy amin’i Jesoa Kristy (toko 3). Fampirisihana sy fisaorana ary fanaovam-beloma no mamarana ny taratasy (toko 4).

Ity taratasy ity dia natao hoe «taratasy momba ny hafaliana», satria ny hafaliana no foto-kevitra hita mivohitra ao hatramin’ny fanombohana ka hatramin’ny famaranana. Izany hafaliana izany dia mifamatotra amin’ny tsy fivadihana amin’i Kristy Izay manatontosa ny asa ankalazaina amin’ilay tononkira hita ao 2.6-11. Mba ho hitanao koa ve izany hafaliana izany?

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help