Isaià 43 - Malagasy Bible

1Ankehitriny kosa izao no lazain’ny TOMPO

Izay nahary anao, ry firenen’i Jakôba

sy namorona anao, ry vahoaka Israely:

«Aza matahotra ianao, fa efa navotako;

ny anaranao no efa niantsoako anao, ka Ahy ianao.

2Raha mamakivaky ny rano ianao,

dia homba anao Aho;

raha miampita ny ony ianao,

dia tsy hanafotra anao ireny;

raha mandeha eo anivon’ny afo ianao,

dia tsy ho may akory

fa tsy handoro anao ny lelafo.

3Satria Izaho no TOMPO Andriamanitrao,

ilay Masin’i Israely mpamonjy anao.

Nomeko hanavotana anao i Ejipta;

ary nataoko solonao i Etiôpia sy i Sebà.

4Satria sarobidy eo imasoko ianao,

manan-danja amiko sady tiako.

Koa nanome olona ho solonao Aho

sy firenena maro ho takalon’ny ainao.

5Aza matahotra fa momba anao Aho.

Avy any atsinanana no hamerenako ny taranakao,

avy any andrefana no hanangonako ireo olonao.

6Hoy Aho amin’ny avaratra: ‹Omeo Ahy ireo›,

ary amin’ny atsimo: ‹Aza hazonina izy!›

Avereno amiko ny zanako lahy avy any lavitra

sy ny zanako vavy avy any am-paran’ny tany,

7dia izay rehetra mitondra ny anarako

sady noarîko sy novolavolaiko

mba hanome voninahitra Ahy.

Ianareo no vavolombeloko

8Avoahy ny olona mana-maso nefa jamba,

ary manan-tsofina nefa marenina.

9Aoka hiangona ny firenena rehetra

ary hivory ny olombelona!

Iza amin’ireo andriamanitrareo

no mahalaza aminay ny zava-nitranga?

Aoka izy hanambara aminay

ny zava-niseho voalohany.

Aoka hasehony ny vavolombelony

mba haneho ny fahamarinany;

ary aoka ny vavolombelony hihaino azy

ka hanamafy hoe: «Marina izany!»

10Hoy ny teny hentitry ny TOMPO hoe:

Ianareo vahoakako no vavolombeloko,

ianareo no mpanompoko izay nofidiko

mba hahafantaranareo sy hitokianareo Ahy

ary hahatakaranareo ny maha Izaho Ahy;

talohako dia tsy nisy Andriamanitra

ary tsy hisy handimby Ahy aoriako.

11Izaho dia Izaho ihany no TOMPO,

ka tsy misy mpamonjy afa-tsy Izaho.

12Izaho no nanambara sy nanome ny famonjena

ka nampahafantatra izany rahateo,

fa tsy nisy andriamani-kafa tao aminareo.

Koa ianareo no vavolombeloko,

hoy ny teny hentitra avy amiko TOMPO;

ary Izaho no Andriamanitra.

13Eny, hatrizay hatrizay

dia izany no maha Izaho Ahy.

Tsy misy maharombaka izay eo an-tanako,

ary tsy misy mahaova izay ataoko.

Manomana ny fodian’ny vahoakany ny Tompo

14Izao no lazain’ny TOMPO mpanavotra anareo,

dia ilay Masin’i Israely:

«Noho ny fitiavako anareo

dia haniraka olona hankany Babilôna Aho,

mba hamaha ny hidy rehetra.

15Izaho no TOMPO, ilay Masinareo,

Mpahary an’i Israely sady mpanjakanareo.»

Lalam-baovao any an-taniefitra

16Izao no lazain’ny TOMPO,

ilay nanokatra lalana tany an-dranomasina

sy nitari-dalana teo anivon’ny rano manonja,

17Ilay nampamoaka ny kalesy sy ny soavaly

ary ny miaramila sy ny andian-tafika mahery,

dia indray lavo ireo ka tsy tafarina intsony,

sempotra ka maty toy ny lahin-jiro milofika;

eny, izao no lazain’ny TOMPO ankehitriny:

18«Aza tsaroanareo intsony

ny zava-niseho voalohany,

aza itodihana intsony ny lasa.

19Fa hanao zavatra vaovao Aho;

ary ankehitriny efa mipoitra sahady izany,

ka ho hainareo fantarina tokoa.

Eny, hisava lalana any an-taniefitra Aho

sady hampandriaka ony an-tany karakaina.

20Dia hanome voninahitra Ahy ny bibidia

mbamin’ny amboahaolo sy ny vorombe,

satria manisy rano any an-taniefitra Aho

sy nampandriaka ony an-tany karakaina

mba hampisotroako ny vahoaka nofidiko,

21dia ilay vahoaka noforoniko ho Ahy

ka hitantara ny antony hiderany Ahy.»

Fifandaharan’ny Tompo sy i Israely

22Dia izao koa no lazain’ny Tompo:

«Tsy Izaho no nantsoinao, ry firenen’i Jakôba,

ary efa sasatra tamiko aza ianao, ry vahoaka Israely.

23Tsy ho Ahy no nitondranao zanak’ondry

hatao sorona dorana manontolo,

ary tsy ho fanomezam-boninahitra Ahy ny soronao.

Tsy nampanompo anao tamin’ny fitakiana fanatitra Aho

na nanasatra anao tamin’ny fitakiana vovo-javamanitra.

24Tsy ho Ahy no namoizanao volafotsy

mba hividianana veromanitra;

ary tsy Izaho no novokisanao

tamin’ny jaboran’ny soronao.

Fa ianao no nampanompo Ahy tamin’ny fahotanao

sy nanasatra Ahy tamin’ny helokao.

25Kanefa Izaho dia Izaho mihitsy

no mamela ny fahadisoanao

noho ny amin’ny tenako ihany,

ka tsy hotsarovako intsony ny fahotanao.

26Ampahatsiarovy Ahy hoe ny fanakiananao Ahy,

dia avia hifandahatra momba izany isika;

ka ianao no aoka hanao famisavisana

mba hahitana ny mahamarina anao!

27Ilay razanao voalohany efa nanota,

ary ireo mpitondrateninao efa nikomy tamiko.

28Koa dia nataoko afa-baràka

ireo mpiandraikitra ny Toeramasina,

natolotro haringana ny firenen’i Jakôba

ary navelako holatsaina ny vahoaka Israely.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help