Jôba 10 - Malagasy Bible

Valintenin’i Jôba (tohiny): nateraka nolevonin’Andriamanitra aho

1Koa satria maharikoriko ahy ny fiainana,

dia tsy hitana ela intsony ny fitarainako aho

fa tezitra anaty ka voatery hiteny.

2Izany no hitenenako amin’Andriamanitra hoe:

Aza manameloka ahy,

fa ampahafantaro ahy kosa

ny alahelonao amiko.

3Mahafaly anao ve ny mampahory ahy

ka tsy hiraharaha ny asan’ny tananao,

fa homba kosa ny tetiky ny olon-dratsy?

4Mijery zavatra tahaka ny fijerinay olombelona azy ve Ianao

na manomban-javatra tahaka ny fanombànanay olombelona azy?

5Moa fohy tahaka ny anay ve ny fiainanao,

ka voafetra ho taona vitsivitsy monja?

6Koa nahoana no mitady ny fahadisoako Ianao

ary mikatsaka ny fahotako?

7Fantatrao tsara ange fa tsy meloka aho,

ary tsy misy olona afa-miala eo am-pelatananao.

8Ny tananao izay nanao sy namolavola ahy

no indro fa mitady hanimba ankehitriny.

9Tadidio fa notefenao toy ny fanaka tanimanga aho

ary haverinao ho amin’ny vovoka indray.

10Ianao no namorona ahy tao an-kibon’i neny

toy ny famela ronono handry ao anaty tavoara.

11Koa notafinao hoditra sy nofo aho

ary norarinao taolana sy hozatra.

12Nomenao aina ombàm-pitiavana aho,

ka ny fiahianao no niaro ny aiko.

13Saingy nisy tsiambaratelo nafeninao ahy,

dia izao zavatra fantatro fa tao an-tsainao izao:

14raha vantany vao nanota aho,

dia hahatratra ahy ambodiomby Ianao

ka tsy hamela mihitsy ny hadisoako.

15Koa lozako raha tàhiny ka meloka aho;

fa na dia tsy manan-tsiny aza aho,

dia tsy ho sahy hiandrandra akory,

satria safo-kenatra sady fadiranovana.

16Raha mba mitraka aho,

dia hihaza ahy toy ny liona ianao,

ka ny asanao mahatalanjona

no hamelezanao ahy indray.

17Totoafo ny fanafihana ataonao amiko;

ataonao avo roa heny ny fahatezeranao amiko,

ary tafika mifanontona no mamely ahy.

18Nahoana no navoakanao tao an-kibon’i neny aho?

Toy izay aho mba maty tao tsy nisy mpahita,

19ka vao niala tao an-kibo

dia nentina ho any am-pasana

tahaka ny tsy ary akory.

20Fotoana vitsy sisa iainako ankehitriny.

Koa atsaharo amin’izay ny famelezanao ahy

mba hahazoako maka aina kely,

21alohan’ny handehanako tsy hiverina intsony

any amin’ny tanin’ny haizina sy alo-pahafatesana;

22any ny mangiran-dratsy na somambisamby dia toy ny alina

izay anjakan’ny alo-pahafatesana sy ny korontana,

any ny hazavana dia tahaka ny alina mikitroka.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help