1Tamin’ny andro fahavalo, dia nampanalain’i Mosesy i Aharôna sy ny zanany ary ny loholon’i Israely,
2ka hoy izy tamin’i Aharôna:
–Makà ianao ombilahikely anankiray hatao sorona fanalana ny ota sy ondrilahy anankiray hatao sorona dorana manontolo, dia ombilahikely sy ondrilahikely izay samy tsy misy kilema, ka atero eo anatrehan’ny Toeramasin’ny TOMPO.
3Avy eo dia ny Israelita no ilazao hoe: «Makà ianareo osilahy anankiray hatao sorona fanalana ny ota; makà ombilahikely sy ondrilahikely anankiray avy, samy iray taona sady tsy misy kilema, mba hatao sorona dorana manontolo;
4ary makà ombilahy sy ondrilahy anankiray avy mba hovonoina ho sorom-pihavanana eo anatrehan’ny Toeramasin’ny TOMPO, miaraka amina fanatitra lafarinina voaharo menaka; fa anio no hisehoan’ny TOMPO aminareo».
5Rehefa nentina teo anoloan’ny Tranolay fihaonana ny zavatra nandidian’i Mosesy, dia nanatona ny Fiangonan’ny Israelita tsivakivolo ka nijanona teo anatrehan’ny Toeramasin’ny TOMPO.
6Ary hoy i Mosesy hoe:
–Izao no zavatra nandidian’ny TOMPO anareo, ka ataovy; dia hiseho aminareo ny voninahitry ny Tompo.
7Avy eo i Mosesy nilaza tamin’i Aharôna hoe:
–Manatona ny alitara, dia atolory ny anao ny sorona fanalana ny ota sy ny sorona dorana manontolo, ka ataovy ny fombam-pivavahana famelan-keloka ho an’ny tenanao sy ho an’ny vahoaka: atolory koa ny soron’ny vahoaka ary anaovy ny fombam-pivavahana famelan-keloka izy, araka izay nandidian’ny TOMPO.
8Dia nanatona ny alitara i Aharôna ka namono ny ombilahikely hatao fanalana ny ota ho an’ny tenany.
9Ary nentin-janany ho eo amin’i Aharôna ny ran’ilay ombilahikely; dia nanatsoboka ny fanondrony tamin’ny ra i Aharôna, ka notentenany ny tandroky ny alitara; ary ny ra sisa dia naidiny teo am-pototry ny alitara.
10Ny jaborany kosa sy ny voany roa ary ny ila atiny, avy tamin’ilay sorona fanalana ny ota, dia nodorany hanetona teo ambonin’ny alitara, araka izay nandidian’ny TOMPO an’i Mosesy;
11fa ny hena sy ny hoditra kosa nodorany tamin’ny afo teny ivelan’ny toby.
12Dia novonoin’i Aharôna koa ny ondrilahy hatao sorona dorana manontolo; ka rehefa natolotr’ireo zanany azy ny ra, dia nafafiny tamin’ny lafin’ny alitara.
13Ary ny sorona dorana manontolo voarasa sy ny lohany dia natolotr’ireo azy tsirairay, ka nodorana hanetona teo ambonin’ny alitara.
14Rehefa voasasan’i Aharôna koa ny tsinainy sy ny tongony, dia nodorany hanetona teo ambonin’ny alitara niaraka tamin’ny sorona dorana manontolo.
15Avy eo dia natolotr’i Aharôna tamin’ny TOMPO ireo soron’ny vahoaka; ka nalainy ny osilahy hatao sorona fanalana ny otan’ny vahoaka, dia novonoiny ary natolony ho fanalana ny ota, tahaka ny nataony tamin’ilay ombilahikely teo aloha.
16Natolony koa ny ombilahikely sy ondrilahikely ho sorona dorana manontolo ka nataony araka ny fomba fanao.
17Avy eo dia natolony ny fanatitra lafarinina ka nangalany eran-tanan’ila izay nodorany hanetona teo ambonin’ny alitara ankoatra ny sorona dorana manontolo fanolotra isa-maraina.
18Farany, novonoin’i Aharôna ny ombilahy sy ondrilahy izay nentin’ny vahoaka hatao sorom-pihavanana; dia natolotry ny zanany azy ny ra, ka nafafiny manodidina tamin’ny lafin’ny alitara.
19Ary natolotr’ireo azy koa ny tavin’ireo sorom-pihavanana ireo, dia ny jaboran-tsinainy sy ny voany ary ny ila-atiny mbamin’ny hofak’ilay ondrilahy;
20dia napetraka teo ambonin’ny tratran’ireo sorom-pihavanana ireo avokoa ny taviny, vao nodorana teo ambonin’ny alitara;
21fa ny tratrany sy ny feny ankavanana kosa dia nahevahevan’i Aharôna teo anatrehan’ny TOMPO no fomba nanolorany azy, araka izay nandidian’i Mosesy.
22Rehefa voatolotr’i Aharôna ny sorona fanalana ny ota sy ny sorona dorana manontolo ary ny sorom-pihavanana, dia nanandra-tanana manandrify ny vahoaka izy ka nitsodrano azy; izay vao nidina niala teo amin’ny alitara.
23Dia niditra tao amin’ny Tranolay fihaonana ry i Mosesy sy i Aharôna. Nony tafavoaka avy eo izy roa lahy, dia niara-nitsodrano ny vahoaka; ary niseho tamin’ny vahoaka rehetra ny voninahitry ny TOMPO:
24nisy afo nivoaka avy teo anatrehan’ny TOMPO ka nandevona ny sorona dorana manontolo sy ny tavin-kena teo ambonin’ny alitara. Nony nahita izany ny vahoaka rehetra, dia nanao hobin-kafaliana sady niankohoka.
Who We AreWhat We EelieveWhat We Do
2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.