Jeremià 39 - Malagasy Bible

1Tamin’ny volana fahafolo, taona fahasivy nanjakàn’i Tsedekià mpanjakan’i Joda, dia tonga i Nebokadnetsara mpanjakan’i Babilôna sy ny tafiny manontolo ka nanao fahirano ny tanànan’i Jerosalema.

2Nony tamin’ny andro fahasivin’ny volana fahefatra tamin’ny taona fahiraika ambin’ny folo nanjakàn’i Tsedekià dia nisy voabanga ny mandan’ny tanàna.

3Nisesika niditra tao an-tanàna ireo rehetra manamboninahitry ny mpanjakan’i Babilôna ary naka toerana teo amin’ny vavahady afovoany, dia i Nergala-Saretsera lehiben’ny etamazaoro, i Samgara-Nebo, i Sarisekima lehiben’ireo tandapa, ary koa ireo manamboninahitra sisa rehetran’ny Babilôna.

4Raha vao nahita izany i Tsedekià mpanjaka sy ireo rehetra miaramilany, dia nandositra. Tamin’ny alina no niala tao an-tanàna izy, ka namakivaky ny zaridainan’ny mpanjaka, izay nandalo tamin’ny vavahady eo anelanelan’ny manda roa, ary nihazo ny lalana mankany amin’ny lohasahan’i Jôrdàna.

5Kanjo nanenjika azy ny tafika babilônianina ka nahatratra an’i Tsedekià tao amin’ny lemak’i Jerikao. Dia nisambotra ity mpanjaka izy ary nitondra azy tany amin’i Nebokadnetsara mpanjakan’i Babilôna izay tao Riblà, tanin’i Hamata, tamin’izany fotoana izany. Tao no namoahan’i Nebokadnetsara didim-pitsarana hamelezana an’i Tsedekià.

6Tao koa no nampamonoany ho faty ireo zanak’i Tsedekià roa lahy teo imason-drainy sy ireo andrianan’i Joda rehetra.

7Avy eo dia nasainy nopotsirina voamaso i Tsedekià sady norohizany rojovy mba hoentina any Babilôna.

8Ankoatra izany, dia nodoran’ny Babilônianina ny lapan’ny mpanjaka sy ny tranon’ny olona tao Jerosalema sady noravany ny mandan’ny tanàna.

9Ary ny mponina sisa tao an-tanàna sy ireo olona nitolo-batana ary ny mpahay taozavatra sisa dia nalefan’i Nebozaradàna lehiben’ny mpiambina ho sesitany tany Babilôna.

10Kanefa nisy ihany ampahany tamin’ny vahoaka mahantra, dia ireo olona tsy manana na inona na inona, no navelany teo amin’ny tany sady notolorany tanimboaloboka sy tanimboly.

Nafahana i Jeremià

11Ary i Nebokadnetsara mpanjakan’i Babilôna nanome baiko an’i Nebozaradàna lehiben’ny mpiambina ny amin’i Jeremià ka nanao hoe:

12«Ndeha alaovy izy, ary tandremo tsara mba tsy hisy hanisy ratsy azy, fa ataovy izay angatahany aminao!»

13Ary i Nebozaradàna lehiben’ny mpiambina nifanaraka tamin’i Nebosazbàny izay lehilahy tena mahatoky ny mpanjaka sy i Nergala-Saretsera lehiben’ny etamazaoro sy ny manamboninahitra sisa rehetran’ny mpanjaka,

14ka nampaniraka haka an’i Jeremià tao an-kianjan’ny trano fiambenana, dia nanolotra azy teo an-tanan’i Gedalià, zanakalahin’i Ahikama sady zafikelin’i Safàna. Ary i Gadalià kosa dia hamela an’i Jeremià hody any aminy. Dia niaina teo anivon’ny vahoaka i Jeremià.

Hafatra ho an’i Hebeda-Melèka

15Fa fony mbola voatana tao an-kianjan’ny trano fiambenana i Jeremià, dia nisy kosa tenin’ny TOMPO taminy nanao hoe:

16«Mandehàna lazao amin’i Hebeda-Melèka etiôpianina hoe: ‹Izao no lazain’ny TOMPOn’izao rehetra izao sady Andriamanitr’i Israely: Indro efa nambarako tamin’ny mponin’ity tanàna ity ny loza fa tsy ny soa. Noho izany dia hotanterahiko izay nolazaiko ary ho tsapanao tsy ho ela izany.

17Nefa amin’ny andro izay hahatongavan’izany loza izany, hoy ny teny hentitra avy amiko TOMPO, dia hafahako ianao, ka tsy hatolotro eo an-tanan’ireo olona atahoranao.

18Havotako tokoa ianao mba tsy ho faty an’ady, ka ho voavonjy ny ainao, satria natoky Ahy ianao. Teny hentitra avy amiko TOMPO izany.› »

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help