Estera 10 - Malagasy Bible

Tafasandratra ambony tokoa i Môrdôkay

1Ny amperôra Kserksesa dia nampanao asa an-terivozona ny mponina an’atitany sy amorontsiraka teo amin’ny fanjakany.

2Izay rehetra nataony araka ny fahefana sy ny herimpo nananany ary koa ny andinindininy momba ny nanondrotany an’i Môrdôkay dia efa voasoratra ao amin’ilay boky milohateny hoe Asan’ireo amperôran’i Media sy i Persia

.

3I Môrdôkay, ilay Jiosy, no olona ambony indrindra nanarakaraka ny amperôra Kserksesa teo amin’ny fanjakana; sady nalaza sy mamy hoditra izy teo amin’ny Jiosy rehetra mpiray firenena aminy, noho izy nitady hahasoa ny fireneny sy nanao didy hiadanan’ny olona rehetra iray firazanana aminy.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help