Nehemià 9 - Malagasy Bible

Fieken-keloka rodombe

1Ny andro faha-24 tamin’izany volana izany ihany, dia nivory hifady hanina ny Israelita ka samy nitondra akanjo malailay sy nanosim-bovoka ny lohany.

2Niavaka tamin’ny olona rehetra hafa firenena ry zareo ka naka toerana mba hiaiky ny fahotany sy ny heloky ny razany.

3Ary nitsangana teo amin’ny toerany avy izy, dia novakîna nandritra ny adiny telo ny teny tao amin’ny boky mirakitra ny lalànan’ny TOMPO Andriamaniny; nandritra ny adiny telo manaraka kosa dia niaiky heloka ireo sy niankohoka teo anatrehan’ny TOMPO Andriamaniny.

4Ry i Jesoa sy i Binoy, i Kadmiela sy i Sebanià, i Bony sy Serebià, ary i Banỳ sy i Kenany dia nitsangana teo ambonin’ny lampihazo natokana ho an’ny levita ka nitaraina mafy tamin’ny TOMPO Andriamaniny.

5Avy eo ry i Jesoa sy i Kadmiela, i Banỳ sy i Hasabneià, i Serebià sy i Hôdià, ary i Sebanià sy i Petahià, izay samy levita, dia niteny hoe:

–Mitsangàna ka ankalazao ny TOMPO, ilay Andriamanitrareo hatrizay ka ho mandrakizay!

Vavaka fiderana

«Hankalazaina anie, TOMPO ô, ny anaranao malaza

izay ambonin’ny fisaorana sy fiderana rehetra!

6Ianao irery ihany no TOMPO;

Ianao no nanao ny habakabaka midadasika

mbamin’ny kintana rehetra

ny tany sy izay rehetra eo aminy,

ny ranomasina sy izay rehetra ao aminy;

Ianao no mamelona ny voaary rehetra,

ka iankohofan’ny tafiky ny lanitra.

7Ianao no TOMPO Andriamanitra,

Izay nifidy an’i Abrama

ka nampiala azy tao Ora any Kaldea

sy nanome anarana azy hoe Abrahama.

8Fo mahatoky anao no hitanao taminy,

ka nanaovanao fanekempihavanana izy

fa homenao ho azy sy ho an’ny taranany

ny tanin’ny Kanahanita sy ny Hitita, ary ny Amôrita

mbamin’ny Perizita sy ny Jebosita ary ny Girgasita;

ary efa notanterahinao ny teninao,

satria marina Ianao.

9Hitanao ny fahorian’ny razanay tany Ejipta

sady renao ny fitarainany teo amoron’ny Ranomasin’ny Volotara;

10dia nanao famantarana sy fahagagana Ianao

hamelezana ny Farao sy ny mpanompony rehetra

ary ny olona rehetra teo amin’ny taniny,

satria fantatrao fa nianjonanjona

tamin’ny razanay ry zareo.

Nahazoanao laza izany

tahaka izay hita amin’izao anio izao.

11Nosarahinao teo anoloan’ny razanay ny ranomasina

ka nandeha teo afovoany nandia tany maina izy;

fa ireo mpanenjika azy kosa natsipinao tao amin’ny hantsana

ka nilentika tahaka ny vato amin’ny rano lalina.

12Andry rahona no nitarihanao azy raha antoandro,

ary andry afo kosa nony alina,

mba hanazava ny lalan-kalehany.

13Nidina avy tany an-danitra Ianao

dia niteny tamin’ny razanay

teo an-tendrombohitra Sinay

ary nanome azy fitsipika mahitsy sy lalàna marina

ary fepetra sy didy lavorary.

14Tamin’ny alalan’i Mosesy mpanomponao

no nampahalalanao azy ny Sabata

izay andro voatokana ho Anao

sy nanoloranao azy didy sy fepetra ary lalàna.

15Mofo avy tany an-danitra no nomenao azy hanafaka ny hanoanany;

rano avy tamin’ny vatolampy no navoakanao hanala hetaheta azy;

ary nilazanao izy fa hiditra haka ny tany

izay efa nianiananao homena azy.

16Kanjo niavonavona ireo razanay ireo,

dia nanamafy ny hatony izy

ka tsy nihaino ny didinao

17ary nandà tsy nety nanaraka izany

sady tsy nahatsiaro ny zava-mahagaga nataonao hanasoavana azy;

eny, nanamafy ny hatony izy

ka nanao di-doha hiverina

amin’ny fanandevozana azy tany Ejipta.

Fa Andriamanitra mpamela heloka Ianao,

Andriamanitra miantra sy mamindra fo,

ary mahari-po sady be hatsarampo,

ka dia tsy nafoinao ny razanay.

18Tamin’ny nanaovany ombilahikely anidina sy nilazany hoe:

«Io no andriamanitrao

izay nitondra anao niakatra avy tany Ejipta!»,

dia notevatevainy tokoa Ianao;

19kanefa noho Ianao be famindrampo,

dia tsy nafoinao tany an-taniefitra izy:

Ny andry rahona, izay nitari-dalana azy raha antoandro,

dia tsy niala teo akaikiny

na ny andry afo nony alina

mba hanazava ny lalan-kalehany,

20Nomenao azy koa ilay Fanahinao tsara

mba hahatonga hahay manavaka.

Ianao nandefa hatrany ny mana ho sakafony

sy namorona rano hanala hetaheta azy.

21Eny, efapolo taona no namelomanao azy tany an-taniefitra

ka tsy nanan-java-mahory akory izy;

tsy nihatonta ny fitafiany

ary tsy nivonto ny tongony.

22Nanome azy fanjakana sy firenena maro Ianao,

dia nitsinjara ho azy ny faritanin’ireny,

ka lasany ny tanin’i Sihôna mpanjakan’i Hesbôna

sy ny tanin’i Hôga mpanjakan’i Basàna.

23Nohamaroinao ny taranaky ny razanay

ho tahaka ny kintana eny amin’ny habakabaka;

ary nentinao izy ho any amin’ny tany

izay nolazainao tamin’ny razany

fa hidirany hataony fananany.

24Dia niditra ny taranany haka ny tany ho fananany,

ary naetrinao teo anoloany ny Kanahanîta tompon-tany

ka natolotrao ho eo an-tanany.

Dia nataony araka izay nitiavany azy

ny mpanjaka sy ny vahoakan’izany tany izany.

25Nahazo tanàna mimanda sy tany lonaka izy;

nahazo trano feno zava-tsoa isan-karazany,

lavaka famorian-drano voahady,

tany voavoly voaloboka sy ôliva,

ary tany misy hazo fihinam-boa marobe.

Noho ny hatsaramponao lehibe,

dia nihinana izy ka voky

ary nihanatavy ka faly nanaram-po.

26Kanefa nikomiany sy niodinany Ianao,

nariany lavitra azy ny lalànao,

novonoiny ny mpaminaninao

izay nananatra azy mafy hiverina aminao;

koa notevatevainy tokoa Ianao.

27Dia natolotrao izy ho eo an-tanan’ny fahavalony

ka ireo no nampahory azy.

Nefa, tamin’ny andro fahoriany,

dia nitaraina taminao izy

ka nohenoinao tany an-danitra;

ary satria be fiantra Ianao

dia nomenao mpamonjy hatrany izy

hanafaka azy eo an-tanan’ny fahavalony.

28Kanjo rehefa niadana izy,

dia nanao ratsy teo anatrehanao indray;

ary nafoinao izy ho eo an-tanan’ny fahavalony

ka ireo no nanjakazaka taminy.

Dia nitaraina taminao indray izy

ka nohenoinao tany an-danitra;

ary novonjenao imbetsaka izy

satria be fiantra Ianao.

29Nanarinao mafy izy hiverina amin’ny lalànao;

nefa mbola niavonavona ihany,

ka tsy nihaino ny didinao fa nandika ny fitsipikao

izay mahavelona ny olona manatanteraka azy.

Naneho ditra sy nanamafy ny hatony izy,

ary tsy nety nihaino Anao.

30Nandefitra taona maro taminy Ianao,

ary ny mpaminaninao, nentanin’ny Fanahinao,

no nananaranao azy mafy;

fa tsy nety nihaino izy,

ka dia natolotrao ho eo an-tanan’ny hafa firenena.

31Be fiantra Ianao ka tsy nandringana ary tsy nahafoy azy,

satria Andriamanitra mamindra fo sy miantra Ianao.

32Koa ankehitriny, ry Andriamanitra ô,

lehibe sady mahery no mahatahotra Ianao,

ary mitandro ny fanekempihavananao sy fitiavanao.

Aoka re tsy ho zavatra kely eo imasonao

ny fahoriana rehetra efa nanjo ny vahoakanao tsivakivolo

dia ny mpanjakanay sy mpanapaka anay,

ny mpisoronay sy mpaminaninay,

ary ny razanay mbamin’ny tenanay,

manomboka tamin’ny andron’ireo mpanjakan’i Asiria

ka mandrak’izao andro anio izao!

33Mandala ny rariny Ianao tamin’izay rehetra nanjo anay;

satria marina ny nataonao, fa izahay no nanao ratsy.

34Ny mpanjakanay sy mpanapaka anay

ary ny mpisoronay sy ny razanay

dia samy tsy nanatanteraka ny lalànao,

ary tsy niraharaha ny didinao

sy ny fananarana nataonao taminy.

35Teo amin’ny zava-tsoa marobe nomenao azy nandritra ny nanjakàny

ary teo amin’ny tany malalaka sy lonaka

natolotrao ho eo anoloany,

dia tsy nanompo Anao ireo

sady tsy niala tamin’ny ratsy fanaony.

36Ankehitriny dia indreto andevozina izahay

eto amin’ny tany izay nomenao ny razanay

hihinanany ny vokatra sy ny soa avy aminy.

37Vokatra marobe tokoa no aterak’ity tany ity

kanefa lasan’ireo mpanjaka izay notendrenao

hanapaka anay noho ny fahotanay;

eny, manapaka ny tenanay sy biby fiompinay

araka izay itiavany azy izy,

ka ozoim-pahoriana mafy izahay!

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help