Jeremià 49 - Malagasy Bible

Ny Hamônita

1Fanambaràna momba ny Hamônita. Izao no lazain’ny TOMPO:

«Nahoana ny andriamanitra Milkôma

no naka ny tanin’i Gada ho fananany?

Ary nahoana ny Hamônita no monina

ao amin’ny tanàna israelita?

Tsy manan-janakalahy va i Israely

mba ho afa-kandova izany?

2Ka hoy ny teny hentitry ny TOMPO:

«Indro avy ny andro hampandrenesako akoran’ady

ao Rabà, renivohitry ny Hamônita.

Dia ho tonga tanàna aolo sy rava izy

ary ireo tanàna miankina aminy ho kilan’ny afo

ka ho lasan’i Israely indray, hoy Aho,

ny fananana efa azy fahiny.»

3Ry olon’i Hesbôna,

manaova hira fitomaniana hoe:

«Rava ny tanàna Hay!»

Manaova antso vonjy ianareo,

ry tanàna miankina amin’i Rabà.

Mitafia gony ho fisaonana

ary manaova hira fitomaniana

sady miveziveze etsy sy eroa ao anaty fefy,

fa lasan-ko babo ny andriamanitra Milkôma

mbamin’ny mpisorony sy ireo filoham-bahoakany.

4Adray, ry Rabà, zazavavy mpikomy!

Ahoana no ireharehanao amin’ny lohasahanao,

dia ireo lohasahanao mahavokatra be,

sy itokianao amin’ireo tahirinao hoe:

«Iza moa no ho sahy hanafika ahy?»

5Ka hoy ny teny hentitry ny Tompo

ANDRIAMANITR’izao rehetra izao:

«Indro Aho hahatonga fampihorohoroana aminao

avy amin’ny olona rehetra manodidina anao.

Horoahina hizotra eo anoloanareo avy ianareo

ka tsy hisy hamory izay mandositra.

6Rehefa afaka izany vao hampodîko

avy amin’ny fahababoany ny Hamônita.

Izany no teny hentitra avy amiko TOMPO.»

I Edôma

7Fanambarana momba an’i Edôma.

Izao no lazain’ny TOMPOn’izao rehetra izao:

Tsy misy olon-kendry intsony ve ao Temàna?

Efa very saina ve ireo matsilo saina?

Sa efa vasoka ny fahendreny?

8Miverena ilalana, mandosira, ry olon’i Dedàna,

misitriha any anaty lava-bato any,

satria ny loza, ry taranak’i Hesao,

no ataoko mihatra aminareo;

izao ny fotoana irotsahako an-tsehatra hamely anareo.

9Koa raha tonga any aminareo ny mpioty voaloboka,

dia tsy hamela sampahony hotsimponina izy.

Raha avy alina ny mpangalatra,

dia handrava mandra-pahafapony.

10Izaho no haka ny fanananareo

ry taranak’i Hesao,

Haharihariko ny fierenareo,

ka tsy ho afa-miafina intsony ianareo.

Ringana ianareo, mpiray firenena samy taranak’i Hesao;

ringana ny mpiara-belona aminareo,

ka tsy hisy olona hanao hoe:

11«Ankino amiko ny kambotinareo

fa izaho no hamelona azy;

ary mahazo matoky ahy ny mpitondratenanareo.»

12Izao tokoa no lazain’ny TOMPO: «Indro fa izay tsy tokony hisotro amin’ny tsatokaty aza, tsy maintsy nisotro ihany; koa ianao ve no ho afaka, ry Edôma? Tsia, tsy ho afaka ianao, tsy maintsy hisotro amin’ny tsatokaty ianao!

13Eny, Izaho TOMPO dia mianiana amin’ny tenako ary hentitra ny teny ambarako fa i Bôtserà renivohitrao dia hampahonena ka ho tonga oha-pandatsana ary ho rava ka ho tonga oha-panozonana; ary ireo tanàna lehibe mpifanila aminy dia ho rava mandrakizay.»

14Nahare hafatra avy amin’ny TOMPO aho tamin’ny alalan’ny iraka izay nalefany ho any amin’ireo firenen-kafa nanao hoe:

«Mivoria ianareo!

Mandehana hamely an’i Edôma!

Mitsangàna hanafika azy!

15Indro hataoko bitika ianao, ry Edôma

raha mitaha eo amin’ny samy firenena,

ka hataon’ny olona tsinontsinona.

16Mampangovitra ny olona ianao

sady mihevi-tena ho ambony

kanefa mamita-tena.

Ary ianao izay mipetraka

eny an-tsefatsefaky ny harambato

ka mamikitra eny antampon-kavoana,

na dia mametraka ny akaninao ho avo

toy ny an’ny voromahery aza ianao,

dia havarimbariko avy eny.»

Izany no teny hentitry ny TOMPO.

17«Ho toerana mahonena i Edôma, ka hampahonena sy hampivarahontsana izay rehetra mandalo azy ny fahavoazany.

18Fa ho rava tahaka an’i Sôdôma sy Gômôra mbamin’ireo tanàna manodidina azy izy, hoy ny TOMPO. Tsy hisy honina ao aminy ary tsy hisy olona hivahiny any intsony.»

19Hoy koa ny TOMPO: «Indro Aho toy ny liona

miakatra avy ao an-kirihitralan’i Jôrdàna

ka mirifatra mankany amin’ny fonenany;

ka ao anatin’ny indray mipi-maso

no hampandosirako ireo Edômita.

Ary hapetrako hifehy ao Edôma

ilay nofidiko ho lehibeny.

Koa iza no azo ampitahaina amiko?

Iza no sahy hifandahatra amiko?

Ary iza no mpitondra hahatohitra Ahy?»

20Noho izany, henoy àry ny tetika

novolavolain’ny TOMPO hamelezana an’i Edôma

sy ny paika nomaniny hamelezana ny mponina ao Temàna:

ho toy ny fitondra biby fiompy mihitsy

no hitondrana azy any an-kafa

hatramin’ny olona farany indrindra.

Ny fonenany mihitsy aza no manilika azy.

21Hihorohoro ny tany

noho ny fidoboky ny fianjerany;

hatrany amin’ny Ranomasin’ny Volotara

no manako ny antso vonjy ataony.

22Indro toa voromahery hipaoka no manidina sy misodisody eo ambonin’i Bôtserà. Amin’izany andro izany dia hangitakitaka toy ny vehivavy miteraka na dia ny lehilahy mahery fo aza.

I Damasy

23Fanambaràna ny amin’i Damasy.

Very hevitra ny ao Hamata sy Harpada!

Kivy izy fa nandre ny vaovao ratsy.

Manahy sy mitebiteby ny fony

ka tsy azo notonena.

24Efa ketraka ny olon’i Damasy

ka nihodina mba handositra;

satria tora-kovitra ireo

sady mangitakitaka sy mitaintaina

toy ny vehivavy raha miteraka.

25Ahoana re no dia ilaozana

ity tanàna malaza sady tanànam-pifaliana ity!

26Noho izany, dia ho faty eny an-kianja eny ny zatovony; ary ny miaramilany rehetra ho ripaka amin’izany andro izany, hoy ny teny hentitry ny TOMPOn’izao rehetra izao.

27Handrehetako afo ao an-tanànan’i Damasy ka handevona ny lapan’i Bena-Hadada.

Ny foko arabo

28Fanambaràna ny amin’ny Arabo ao Kedara sy ireo fanjakan’i Hatsôra izay resin’i Nebokadnetsara mpanjakan’i Babilôna. Izao no lazain’ny Tompo:

Mitsangàna ianareo, ka miakara hamely an’i Kedara,

Ravao avokoa izay rehetra an’ny olona any an-taniefitra.

29Aoka horobaina ny lainy sy ny ondry aman’osiny,

ny fialofany sy ny entany rehetra!

Ary aoka hoentina ny ramevany!

Aoka izy hiantsoantsoana hoe:

«Fampihorohoroana hatraiza hatraiza».

30Ry olon’i Hatsôra, mandosira lavitra

ka misitriha any anaty lava-bato,

hoy ny teny hentitry ny TOMPO.

Fa manana fikasana hamely anareo

i Nebokadnetsara mpanjakan’i Babilôna,

ary nanomana tetika hahavoa anareo.

31Mitsangàna ianareo, hoy ny teny hentitry ny TOMPO,

ka miakara hamely firenena tsy manana ahiahy

fa mihevitra ho miaina am-pilaminana,

ka tsy manana varavarana na hidy

sady mitoka-monina.

32Hoentin’ny fahavalony ho babo

ny ramevany sy ny ondry aman’osiny marobe.

Haparitako any amin’ny vazantany rehetra

ireo mponina voaharatra fihirifana ireo.

Hitondrako fandravana hatraiza hatraiza izy,

hoy ny teny hentitry ny TOMPO.

33Hanjary fonenan’ny amboahaolo i Hatsôra

ka ho toerana mampahonena mandrakizay.

Tsy hisy honina ao aminy

ary tsy hisy olona hivahiny any intsony.

I Helama

34Hafatry ny TOMPO azon’i Jeremià mpaminany ho an’ny Helamita, tamin’ny fiandohan’ny fanjakan’i Tsedekià mpanjakan’i Joda.

35Izao no lazain’ny TOMPOn’izao rehetra izao:

«Hopotehiko ny tsipîkan’i Helama

fa izany no loharanon’ny heriny.

36Avy any atsimo sy avaratra

ary avy any atsinanana sy andrefana

no handefasako ny rivotra efatra

hamelezana an’i Helama.

Haeliko any amin’ny vazantany rehetra izy,

ka tsy hisy firenena

izay tsy ahitana Helamita voaroaka.

37Hampihorohoroiko ny Helamita

eo anatrehan’ny fahavalony,

dia eo anatrehan’izay mitady hahafaty azy.

Amin-katezerana mirehitra

no andefasako loza hamely azy.

Hoenjehiko amin’ny ady ireo

mandra-paharingako azy.

38Hofoanako tsy hisy ao Helama

ny mpanjaka sy ny mpitondra ambony

mba hametrahako ny sezafiandrianako ao,

hoy ny teny hentitra avy amiko TOMPO.

39Nefa indray andro any ny Helamita

dia haveriko avy any am-pahababoana ihany,

hoy ny teny hentitra avy amiko TOMPO.»

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help