1 Tao amin’ny tahirin-kiran’ny filohan’antoko-mpihira. Salamo nataon’i Davida.
Adala izay miteny anakampo hoe:
«Tsy misy Andriamanitra!»
Maneho toetra lo sy maharikoriko ireo
sady tsy mba misy manao ny tsara.
2Avy eny an-danitra eny ny TOMPO
no miondrika hijery ny olombelona,
hizaha sao mba misy olon-kendry
izay mitady Azy tokoa.
3Fa izy rehetra no mania
ka samy tsy valahara avokoa;
tsy mba misy manao ny tsara,
na dia iray akory aza!
4Hoy kosa ny TOMPO hoe:
«Tena tsy mahalala mihitsy
ny mpanao ratsy rehetra
fa fitsentsefana ny vahoakako
no ataony foto-pivelomana,
sady Izaho tsy antsoiny akory!»
5Indreo fa matahotra dia matahotra ireny,
satria ny mpivavaka iandanian’Andriamanitra.
6«Nataonareo tsinontsinona ny fikasan’ny ory,
kanefa ny TOMPO ange no fialofany.»
7Hivoaka avy ao Tsiôna anie
ny famonjena an’i Israely!
Ka hifaly sy hiravo ny taranak’i Jakôba,
dia ny vahoaka Israely tsivakivolo,
rehefa hambinin’ny TOMPO indray izy.
Who We AreWhat We EelieveWhat We Do
2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.