1 Tao amin’ny tahirin-kiran’ny filohan’antoko-mpihira. Hohiraina araka ny feon’ny hoe «Aza ravana....» Salamo nataon’i Davida.
2Moa dia ny rariny tokoa ve
no lazainareo, ry manampahefana?
Moa araka ny hitsiny ve
no itsaranareo ny olona?
3Tsy izany, fa minia manao ny ratsy ianareo;
ny herisetra ataonareo no afafinareo amin’ity tany ity.
4Hatrany am-bohòka ny olon-dratsy no mivoana;
hatramin’ny vao teraka ny mpandainga no maniasia.
5Misy poizina tahaka ny menarana izy;
manentsin-tadîny tahaka ny bibilava marenina
6izay tsy mihaino ny mpanao safosiaka azy,
na dia ny mahasondriana indrindra aza.
7Andriamanitra ô, torotoroy ao am-bavany ny nifiny;
TOMPO ô, montsany ny vangin’ireo zary liona ireo.
8Hihanaka toa rano abosasaka anie izy,
hadisadisa toa ahitra voahosihosy;
9ho tahaka ny lelosy anie izy,
ka hiempo eny am-pandehanana;
ho tahaka ny zaza tsy tonga volana
ka tsy hahita masoandro na oviana na oviana!
10Tsy mbola tonga kirihitra akory
ny tsilo novolen’ny olon-dratsy,
dia hongotan’ny tafiotra sahady
na mbola maitso na efa maina.
11Ny olo-marina hifaly hahita ny famaliana ny mpanota
sy hanasa tongotra amin’ny ran’ireo olon-dratsy.
12Amin’izay ny besinimaro hiaiky hoe:
«Eny, valisoa no anjaran’ny olomarina;
eny, misy Andriamanitra mitsara eto an-tany.»
Who We AreWhat We EelieveWhat We Do
2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.