Ohabolana 22 - Malagasy Bible

1Aleo laza tsara toy izay harem-be;

ary aleo mahazo sitraka amin’olona

toy izay mahazo volamena sy volafotsy.

2Izao no iombonan’ny mpanankarena sy ny mahantra:

samy nataon’ny TOMPO izy roa.

3Mahatsinjo ny loza ny malina ka miery;

fa ny kely saina kosa mandroso ka voa.

4Ny vokatry ny fanetren-tena sy ny fanajana ny TOMPO

dia harena sy voninahitra ary fiainana.

5Feno tsilo sy fandrika ny lalan’ny ratsy fanahy;

koa izay te hiaro ny ainy dia manalavitra izany.

6Vao manomboka fiainana, dia omeo fizàrana tsara ny zaza;

fa na rehefa antitra aza izy, dia tsy hiala amin’izany.

7Ny mpanankarena manapaka ny mahantra,

ary izay misambotra dia andevon’ny mpampisambotra.

8Izay mamafy tsy fahamarinana dia hijinja fahoriana,

fa ho levona ny fitaovam-pamoretany.

9 Hotahîna izay manana fijery mangoraka,

satria mizara ny haniny amin’ny mahantra izy.

10Roahy ny mpaniratsira fa hitsahatra ny fifandirana,

ary hifarana koa na ny ady na ny fanalam-baràka.

11Izay te ho sakaizan’ny mpanjaka

dia handala eritreritra madio sy fiteny mahatehotia.

12Ny TOMPO miahy sy miaro ny tena fahalalana,

fa mamaky bantsilana kosa ireo tenin’ny mpamadika.

13Hoy ny kamo hoe: «Misy liona ao ivelany ao;

ka mety ho fatiny aho, raha eny an-dalambe.»

14Tevana lalina ny tenin’ny vehivavy vadin’olona,

ka izay voaozon’ny TOMPO no hianjera ao.

15Latsa-paka ao am-pon’ny zaza ny hadalana,

ka tsorakazom-pamaizana no hanongotra izany aminy.

16Izay mampahory ny mahantra dia mampahazo tombontsoa azy;

izay manome ny mpanankarena dia mihamahantra.

Fampitandremana samihafa: Anatra telopolo

17Atongilano ny sofinao ka henoy ny tenin’ny hendry

ary aoka hotandremanao ny traikefa ananany.

18Ho hafinaretanao ny fitahirizana izany ao am-po;

ary aoka izy tsy hiala eo amin’ny molotrao.

19Ny hanananao fitokiana ny TOMPO

no ampahafantarako izany aminao anio.

20Ho anao no nanoratako anatra telopolo

izay feno torohevitra sy traikefa,

21mba hahafantaranao fa mitombina

ireo fampianarana azo antoka ireo

sy hanaovanao koa tatitra azo antoka

amin’izay olona naniraka anao.

(anatra voalohany)

22Aza manendaka ny mahantra, noho izy mahantra;

ary aza mampahory tsy mana-mpiahy amin’ny fitsarana.

23fa ny TOMPO hiaro azy amin’ny adiny,

ka hipaoka ny ain’ireo nipaoka ny fananany.

(anatra faharoa)

24Aza mety ho sakaizan’ny olona mora tezitra

ary aza miaraka amin’ny olona saro-po,

25fandrao hianatra ny fanaony ianao

ka ho voasingotra hatramin’ny ainao.

(anatra fahatelo)

26Aza mety mandray tanan’olon-kafa ianao

ho mariky ny fiantohanao trosan’ny namanao;

27fa raha tsy manan-kaloa ianao,

dia halaina mbamin’ny farafara fandrianao.

(anatra fahefatra)

28Aza mba mamindra ny baorina tranainy

izay napetraky ny razanao ho faritry ny saha.

(anatra fahadimy)

29Jereo io olona manao tsara ny asany io:

ho afa-miasa eo anatrehan’ny mpanjaka izy

toy izay ho mpiasa tsy misy mpahalala.

(anatra fahenina)
Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help