1 Haleloià!
Ry mpanompon’ny TOMPO, miderà,
eny, miderà ny anaran’ny TOMPO.
2Hisaorana anie ny anarany
hatrizao ka ho mandrakizay!
3Hatrany atsinanana ka hatrany andrefana,
hoderaina anie ny anaran’ny TOMPO!
4Ambonin’ny firenen-drehetra ny TOMPO;
ambonin’ny lanitra ny voninahiny.
5Iza no tahaka ny TOMPO Andriamanitsika?
Mipetraka eo an-tsezafiandrianany ao ambony Izy
6kanefa miondrika mba hitazana
izay eny an-danitra sy etỳ an-tany,
7manarina ny malahelo hiala amin’ny vovoka
sy manandratra ny mahantra hiala amin’ny fako
8mba hampiray toerana azy amin’ny mpifehy,
dia ireo mpifehy mitondra ny vahoakany;
9mahatonga ny momba ho heni-kafaliana Izy
satria manome azy trano honenana sy zaza maro.
Who We AreWhat We EelieveWhat We Do
2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.