Jeremià 9 - Malagasy Bible

Vahoaka heniky ny lainga

1Raha izao aho no manan-toerana any an-taniefitra

tahaka ny fialofan’ireo mpivezivezy,

dia hilaozako ny fireneko

ka handeha lavitra azy aho.

Satria samy mpijangajanga avokoa

sy mpamadika mpiray tetika izy rehetra.

2«Toy ny tsipîka mihenjana ny lelany,

hoy ny teny hentitry ny TOMPO.

Lainga fa tsy toetra mahatoky

no anjakany eo amin’ny tany.

Mandroso miharatsy hatrany izy,

ary Izaho kosa tsy fantany.

3Samia miaro tena amin’ny namany avy ianareo

ary aza matoky olona na dia ny rahalahy aza;

fa Jakôba vaovao mamitaka tokoa izy,

ary na ny sakaiza aza manaratsy anareo.

4Samy mamitaka ny namany izy

fa tsy misy milaza ny marina,

satria efa zatra mandainga.

Nironany loatra ny fanaovan-dratsy

ka tsy afaka hiverina amiko intsony izy.

5Herisetra arahina herisetra,

ary fitaka arahina fitaka!

Tsy manaiky hahalala Ahy izy,

hoy ny teny hentitra ambarako!»

6Koa hoy ny TOMPOn’izao rehetra izao:

«Hodioviko amin’ny afo izy

ary hozahako toetra.

Satria ahoana ny fomba hafa hataoko

amin’ny faharatsian’ny vahoakako?

7Toy ny zana-tsipîka mahafaty ny lelany,

ka lainga avokoa izay lazainy:

Tsara vava amin’ny namany izy,

fa ao anatiny manao otri-po.

8Koa tsy hirotsaka ve Aho

hamely ireny olona ireny,

ka hamaly faty ny firenena toy izany,

hoy ny teny hentitra ambarako?»

Andron-dranomaso sy toloko

9Noho ny amin’ny tendrombohitra

no hitomaniako sy hitarainako,

ary noho ny amin’ny kijana any an-taniefitra

no hanaovako hira fisaonana,

satria voadoro avokoa izy rehetra

ka tsy andalovan’olona intsony.

Tsy re any intsony ny fitrenan’ny andian’omby;

ary samy lasa nandositra avokoa

ny voro-manidina sy ny bibidia.

10Dia hoy ny Tompo hoe:

«Hataoko korontam-bato i Jerosalema,

ka ho fonenan’ny amboadia;

ary ireo tanànan’i Joda

hataoko lao tsy misy mponina.»

11Mba misy olon-kendry anankiray ve

mba afaka hahatakatra izao?

Raha nitenenan’ny TOMPO izy,

dia aoka mba hanambara

izay antony nahasimba ny tany

sy nahavoadoro azy ho tahaka ny taniefitra

ka tsy andalovan’olona intsony.

12Ary hoy indray ny TOMPO hoe: «Nandao ny fampianarana nomeko azy izy ary tsy nihaino na nanaraka izay nolazaiko taminy;

13nikiry tamin’ny ditram-pony hanao ratsy izy, ka nifikitra tamin’i Bahala izay efa nanazaran’ny razany azy.

14Noho izany, hoy ny TOMPOn’izao rehetra izao sady Andriamanitr’i Israely, indro hofahanako zava-mahafaty ity vahoaka ity, ary hampisotroiko rano misy poizina.

15Haeliko any amin’ny firenen-kafa izay tsy fantany na fantatry ny razany izy, ka hoenjehiko amin’ny ady any ambara-pahalany ritra azy.

16Izany no TOMPOn’izao rehetra izao.

(Ny vahoaka)

Tandremo, antsoy ho tonga

ireo vehivavy mpitomany.

Maniraha haka ireo efa za-draharaha;

17aoka ho tonga faingana ireny

ka hiredona hira fisaonana ho antsika!

Aoka hijoy ny ranomasontsika

ary ho kotsan-dranomaso ny hodi-masontsika!

(Jeremià)

18Misy feo mitaraina re any Tsiôna:

«Indrisy, rava isika sady afa-baràka tokoa

satria voatery hamoy ity tany ity

noho ny nandrodanana ny tranontsika!»

19Ianareo vehivavy, mihainoa ny tenin’ny TOMPO,

sokafy tsara ny sofinareo amin’izay lazainy:

ampianaro hira fisaonana ny zanakavavinareo,

samia ianareo mampianatra ny namany avy

izao tononkira fitomaniana izao:

20«Mianika ny varavarankelintsika ny fahafatesana,

ary miditra ao an-dapantsika;

eny an-dalambe no andringanany ny ankizy

ary eny an-kianja no andripahany ny zatovo.»

(Ny Tompo)

21Ambarao kosa, ry Jeremià,

izao teny hentitry ny TOMPO izao:

«Eny amin’ny tany eny

no miampatrampatra ny fatin’olona,

toy ny zezika aparitaka eny an-tanimboly;

tahaka ny amboara voajinja

sady efa nilaozan’ny mpijinja

saingy tsy misy olona mpanangona.»

Ny fahalalana ny Tompo no tena fahendrena

22Izao no lazain’ny TOMPO:

«Aoka ny hendry tsy hirehareha

amin’ny fahendreny,

aoka ny mahery tsy hirehareha

amin’ny heriny,

ary aoka ny mpanankarena tsy hirehareha

amin’ny hareny!

23Fa raha misy te hirehareha,

dia aoka izy hirehareha

ho afaka mahafantatra Ahy

sy mahalala fa Izaho TOMPO,

dia mampihatra ny hatsaram-po

ary ny rariny sy ny hitsiny eto an-tany.

Eny, ny olona toy ireny no sitrako;

teny hentitra avy amiko TOMPO izany.»

Fampitandremana ireo voafora ivelany fotsiny

24Indro avy ny andro, hoy ny teny hentitry ny TOMPO, izay hirotsahako an-tsehatra hamely ireo voafora ivelany fotsiny:

25na ny Ejiptianina, na ny Jodeanina, na ny Edômita, na ny Hamônita, na ny Môabita na ireo mponina any an-taniefitra izay miharatra fihirifana. Satria izy rehetra ireo, eny na dia ny Israelita koa aza, dia tsy voafora fo ho an’ny Tompo.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help