Estera 3 - Malagasy Bible

Tezitra amin’i Môrdôkay i Hamàna

1Tatỳ aorian’izany, dia nomen’ny amperôra Kserksesa laharana ambony i Hamàna zanakalahin’i Hamedatà sady taranak’i Agaga, ka nasandrany hipetraka eo amin’ny toerana maha praiminisitra.

2Ny mpandraharaha rehetra tao an-dapa dia nandohalika sy niankohoka teo anatrehan’i Hamàna, satria izany no didin’ny amperôra. Fa i Môrdôkay kosa tsy mba nety nanao izany.

3Ka hoy ny mpandraharaha hafa tamin’i Môrdôkay:

–Nahoana ianao no mandika ny didin’ny amperôra?

4Na dia naverimberin’ireo tamin’i Môrdôkay isan’andro aza izany fanontaniana izany, dia tsy niraharaha izy fa namaly fotsiny hoe:

–Jiosy aho!

Dia notaterin’ireo tamin’i Hamàna izy mba hizahany na haharitra amin’ny teniny ihany i Môrdôkay na tsia.

5Rehefa hitan’i Hamàna fa tsy mba nety nandohalika sy niankohoka teo anatrehany tokoa i Môrdôkay, dia tezitra mafy izy.

6Nampahafantarina azy rahateo fa Jiosy i Môrdôkay. Ary nataon’i Hamàna fa tsy ampy ny maninji-tanana hamely an’i Môrdôkay irery ihany, ka dia notadiaviny haringana koa ny Jiosy rehetra manerana ny fanjakan’i Kserksesa, satria mpiray firenena amin’i Môrdôkay ireo.

7Tamin’ny taona faha-12 nanjakan’i Kserksesa, volana voalohany na volana Nisàna, no nanaovana ny antsapaka (atao hoe Porîma) teo anatrehan’i Hamàna hahafantarana ny fotoanandro tokony hanatanterahana izany; ka rehefa notetezina ny andro sy ny volana, dia ny volana faha-12 na volana Adara no voatondron’ny antsapaka.

Omanin’i Hamàna ny fandringanana ny Jiosy

8Ary hoy i Hamàna tamin’ny amperôra Kserksesa:

–Ry andriamanjaka, misy firenena iray efa miely eny amin’ny faritany rehetra manerana ny fanjakana; maningana io firenena io ary hafa lalàna noho ny firenena rehetra sady tsy mba mankatò ny lalànanao. Tsy mahasoa anao ny mamela azy fotsiny amin’izao.

9Koa raha sitrakao, dia aoka ianao hamoaka didy an-tsoratra mba handringanana azy; volafotsy 340 000 kilao kosa no haloako ho eo an-tanan’ireo mpandraharahanao mba harotsany ao amin’ny tahirim-bolam-panjakana.

10Dia nesorin’ny amperôra teny an-tanany ny peratra tombokase ka nomeny an’ilay fahavalon’ny Jiosy, dia i Hamàna zanakalahin’i Hamedatà sady taranak’i Agaga;

11ary hoy izy tamin’i Hamàna:

–Afoy ho anao ny volafotsy; ary hatolotra anao koa izany firenena izany hanaovanao azy araka izay sitrakao.

12Tamin’ny volana voalohany, andro faha-13, dia nantsoina ireo mpitantsoratry ny amperôra: Araka izay rehetra nandidian’i Hamàna no nanoratany taratasy ho an’ny solotenan’ny amperôra sy ho an’ny governora isam-paritany ary ho an’ny mpitondra isam-pirenena, dia taratasy araka ny fomba fiteny sy fanoratry ny firenena isan-tokony. Tamin’ny anaran’i Kserksesa no nanasoniavana azy ka nasiana tombokase tamin’ny peratry ny amperôra.

13Nisy iraka nampitondraina ireo taratasy ireo ho any amin’ny faritany rehetra manerana ny fanjakana. Ny baiko raketiny dia ny handringanana sy hamonoana ho ripaka ny Jiosy rehetra, na tanora na antitra, hatramin’ny zaza amam-behivavy aza, ary koa ny handrobana ny fananany. Anatin’ny indray andro monja no hanatanterahana izany fandripahana izany, dia ny andro faha-13 amin’ny volana faha-12 na volana Adara.

14Ny kopian’io taratasy io dia navoaka ho didy manan-kery amin’ny isam-paritany ary nampahafantarina ny olona rehetra mba hampiomana azy ho amin’izany andro izany.

15Noho ny baikon’ny amperôra, dia nandeha faingana ny iraka; ary navoaka tao Sosany renivohitra koa izany didy manan-kery izany. Dia nipetraka hisotro ny amperôra sy i Hamàna, fa very hevitra kosa i Sosany iray tanàna.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help