1Ary hoy ny TOMPO tamiko:
–Mandraisa takela-tanimanga iray lehibe, dia soraty araka ny fanaon’ny olona izao: «Ho an’i Mahera-Salala-Hasy-Baza» na hoe «Ho an’i Faingàna hamabo-Dodòna handroba.»
2Nasehoko tamin’ny vavolombelona roa mahatoky izany, dia tamin’i Orià mpisorona sy i Zakarià zanakalahin’i Jeberekià.
3Dia nankao amin’ny mpaminanivavy vadiko aho, ka nitoe-jaza izy ary niteraka zazalahy. Koa niteny tamiko ny TOMPO hoe:
–I Mahera-Salala-Hasy-Baza no ataovy anarany.
4Fa raha tsy mbola mahay miantso Dada sy Neny akory io zaza io, dia hoentina eo anatrehan’ny mpanjakan’i Asiria ny haren’i Damasy sy ny remby voababo tao Samaria.
Ny fandrobana an’i Samaria5Mbola nanafatra ahy indray ny TOMPO ka nanao hoe:
6–Ity vahoaka ity dia manao tsinontsinona
ny ranon’i Silôà izay misononòka mora;
ka kivy izy manoloana an’i Retsîna
sy manoloana ilay zanakalahin’i Remalià.
7Noho izany, hakariko hamely ity vahoaka ity
ny ranon’i Eofrata, izay rano be sady manonja,
dia ny mpanjakan’i Asiria
sy ny heriny manontolo.
Hiala amin’ny làlany ny ony Eofrata
ka hihoatra ny morony rehetra,
8hibosesika any Joda sady hanafotra azy,
ary hiakatra hatreny am-bozony.
Eny, hihanaka lavitra amin’ny sisiny roa i Eofrata
ka hanenika ny velaran’ny taninao, ry Himanoela.
Ny tetika tsy mahomby kotrehin’ireo vahoaka9Mangovita ianareo, ry firenena,
ka mihorohoroa fatratra!
Aoka hanongilan-tsofina ianareo,
ry faritra rehetra any lavitra any:
hirongo fiadiana tokoa ianareo,
nefa hihorohoro fatratra;
eny, hirongo fiadiana tokoa ianareo,
nefa hihorohoro fatratra.
10Manaova fikasana fa ho rava izany,
manaova lahateny aman-karajia
fa tsy hisy ho tanteraka akory ireny,
satria Andriamanitra no momba anay.
Ny vato mahatafintohina11Fony nihazona ahy ny TOMPO ka nampitandrina ahy tsy hanahaka ny toetoetran’ity vahoaka ity, dia niteny tamiko toy izao:
12«Aza ataonareo hoe fikomiana avokoa
izay lazain’ity vahoaka ity ho fikomiana,
ary aza matahotra na mangovitra akory
amin’izay zavatra atahorany.»
13Ny TOMPOn’izao rehetra izao ihany
no aoka hoekenareo ho masina!
Izy no hatahoranareo sy hangovitanareo.
14-15Toeramasina tsy azo zimbazimbaina ny Tompo,
ka ho vato mahasolafaka
sy vatolampy mampianjera Izy,
ho an’ny fanjakana roa eto Israely;
ary maro no hianjera eo
ka ho lavo sy ho mongomongo.
Ho harato sy fandrika ny Tompo
ho an’ny mponina ao Jerosalema;
ary maro no ho voafandrika eo
ka tsy ho afa-mitsoaka.
16«Fonosy izany hafatra izany, ry Isaià,
ary asio tombokase ny fampianarana
ho eo anivon’ireo mpianatro ihany.»
Fotoam-pahanginana sy fiandrasana17Hiandry ny TOMPO aho satria manafin-tava amin’ny taranak’i Jakôba Izy izao, kanefa manantena Azy aho.
18Ny tenako sy ny zaza izay nomen’ny TOMPO ahy dia natao famantarana sy fambara mialoha ho an’i Israely avy amin’ny TOMPOn’izao rehetra izao sady monina ao an-tendrombohitra Tsiôna
.19Misy milaza hoe: «Anontanionareo ny avelon’ny maty izay mibitsibitsika sy misaosao eo am-pilazana ny hoavy. Ara-dalàna raha manontany izay heveriny ho andriamanitra ny vahoaka iray; ara-dalàna raha manontany ny maty izy mba ho fanasoavana ny velona.»
20Izao kosa no havalinareo izany: «Ao amin’ny fampianarana sy ny hafatry ny TOMPO ihany no tsy maintsy hiverenana.» Fa izay tsy miteny araka izany baiko izany dia tsy hiposahan’ny taratry ny maraina.
Haizina mikitroka21Handalo ao amin’io tany io ny olona,
izay efa vizana sy noana.
Noho ny hanoanana dia hisafoaka izy
ka hanozona ny mpanjakany sy ilay Andriamaniny.
Hiandrandra ny lanitra izy
22ary hiondrika hijery ny tany,
ka indro fahoriana sy haizina no hitany,
haizim-pito mampitebiteby sy alina tsy misy mangirana.
Ny mpanjaka vaovao23Kanefa tsy hisy haizina intsony
eo amin’ny toerana izay efa nozoim-pahoriana.
Nataon’ny Tompo afa-baràka fahiny
ny tanin’i Zebolòna sy i Naftalỳ;
fa atỳ aoriana kosa dia homeny voninahitra
ny lalana manamorona ny ranomasina,
sy ny faritra eny am-pita atsinanan’i Jôrdàna
ary koa i Galilea onenan’ny hafa firenena.
Who We AreWhat We EelieveWhat We Do
2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.