Eksôdy Sava lalana - Malagasy Bible

Sava lalana –«Izaho no Tompo Andriamanitrao, izay namoaka anao hiala tany Ejipta, toera-nanandevozana anao». Io andininy fototra ao amin’ny Eksôdy io (Eks 20.2) no maneho amintsika ny hevitry ny anaran’ny boky (Eksôdy: fialana toerana iray ho any an-kafa) sy ny vontoatin-javatra raketiny: Andriamanitra no mpanafaka ny vahoakany. Io andininy io koa no «fototra iorenan’ny Didy folo»: ilay Andriamanitra izay nanafaka ny Israelita tamin’ny fitiavana dia mandroso tolo-kevitra mba hampiseho ny fitiavany Azy amin’ny alalan’ny fankatoavana ny lalànany.

Rehefa nialokaloka tany Ejipta ny Israelita (Gen 45.17-20; 47.11), dia nanjary vahoaka marobe tany rehefa afaka taonjato vitsivitsy, kanefa lasa nataon’ny mpanjakan’i Ejipta ho andevony. Tsy nihenahena fotsiny teo anoloan’ny fijalian’ny Israelita anefa Andriamanitra fa nifidy an’i Mosesy, anankiray taminy, mba hitarika azy. Famantarana sy famaizana mahery vaika no naneren’Andriamanitra ny Ejiptianina mba hanome fahafahana izany vahoaka izany sy hamela azy handeha (1.1–15.21). Ary rehefa nitarika sy niaro azy ireo tamin’ny famakivakiana ny taniefitra Andriamanitra (15.22–18.27), dia nanokana ny Israelita ho vahoakany ka nanao fanekempihavanana taminy tao Sinay sady nanome azy ny lalàna (19.1–24.18). Taorian’izany, raha mbola nandray ireo torolalana momba ny fanamboarana ny Toeramasina i Mosesy (25–31), dia nanao izay danin’ny fony kosa ireo Israelita ka nivarilavo nanao andriamanitra miendrika ombalahy volamena; niteraka famaizana mivaivay avy tamin’Andriamanitra izany (32–34). Ny famaranana ny boky dia mitantara ny fanamboarana ny Toeramasina izy hanehoan’Andriamanitra ny fanatrehany (35–40).

Ireo iharan’ny fanandevozana isan-karazany teo amin’ny taona mifandimby dia anehoan’ity boky ity ny tena fanafahana izay Andriamanitra ihany no manatanteraka azy mba hahatonga ny olona hanana fiombonana amin’Andriamanitra sy amin’ireo olombelona namany.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help