Salamo 107 - Malagasy Bible

BOKY FAHADIMY(Salamo 107–150)SALAMO Fisaorana an’Andriamanitra mpanafaka

1Miderà ny TOMPO ianareo fa tsara Izy:

–eny, maharitra mandrakizay ny fitiavany!

2Aoka hiredona izany ny navotan’ny TOMPO,

dia ireo navotany ho afaka teo an-tanan’ny mpampahory

3ka nangoniny avy tany amin’ny tany rehetra

atsinanana sy andrefana, avaratra sy atsimo!

4Tao ireo nirenireny tany an-taniefitra aman-tany foana,

tsy nahita tanàna honenana akory,

5noana sy nangetaheta,

sady reraka aina koa tao anatiny.

6Dia niantso vonjy tamin’ny TOMPO izy fa ory

ka nafahany tamin’ny fahatereny,

7nentiny tamin’ny lala-mahitsy

hahatongavana an-tanàna honenana.

8Aoka izy hidera ny TOMPO noho ny fitiavany

sy ny zava-mahagaga vitany ho an’ny olombelona,

9fa ny main’ny hetaheta nomeny hosotroina

ary ny reraky ny hanoanana novokisany soa!

10Tao ireo nipetraka tao am-ponja maizim-pito,

voagejam-pahoriana sy voagadra vy,

11satria nikomy tamin’ny tenin’Andriamanitra

sady naniratsira ny anatr’ilay Avo Indrindra.

12Dia nofolahiny tamin’ny fahoriana ny fony;

potraka izy, nefa tsy nisy mpanarina.

13Dia niantso vonjy tamin’ny TOMPO izy fa ory

ka nafahany tamin’ny fahatereny,

14navoakany tamin’ny haizim-pito

sady novahany fatorana.

15Aoka izy hidera ny TOMPO noho ny fitiavany

sy ny zava-mahagaga vitany ho an’ny olombelona,

16satria ny vavahady varahina novakîny

ary ny hidy vy notapatapahiny!

17Tao ireo adala toetra nijaly tokoa

noho ny hadisoana sy ny heloka vitany,

18ka nomonamonainan’ny sakafo rehetra

ary efa teo ambavahaonan’ny fahafatesana.

19Dia niantso vonjy tamin’ny TOMPO izy fa ory

ka nafahany tamin’ny fahatereny,

20nandefasany ny teniny, dia sitrana

ary notsoahany tao anaty lavaka.

21Aoka izy hidera ny TOMPO noho ny fitiavany

sy ny zava-mahagaga vitany ho an’ny olombelona!

22Aoka izy hanolotra sorom-piderana

sy hihoby mitanisa ny asan’Andriamanitra!

23Tao ireo niainga hiantsambo an-dranomasina

sy nanao raharaha teny ambony ranobe,

24dia indreo nahita ny asan’ny TOMPO

sy ny zava-mahagaga nataony an-drano lalina.

25Fa vao niteny ny Tompo, dia nirongatra ny rivo-mahery

ka nampisamboaravoara ny onjan-dranomasina.

26Ny sambo nisavoana nanakatra ny lanitra,

dia nitontona ao an-davaky ny onja;

fadiranovana toa miempo ny ain’ny mpiantsambo.

27Fanina izy sady nivembena toy ny mamo,

ka very avokoa izay mba hakingàny.

28Dia niantso vonjy tamin’ny TOMPO izy fa ory

ka notsoahany tamin’ny fahatereny.

29Ny rivo-mahery novany ho tsiotsioka,

ary ny onjan-drano nihanalefaka;

30dia faly ny mpiantsambo fa nisy fitoniana

sady nentin’ny Tompo an-tseranana irîna.

31Aoka izy hidera ny TOMPO noho ny fitiavany

sy ny zava-mahagaga vitany ho an’ny olombelona!

32Aoka hanandratra Azy ny vahoaka tafangona

ary hidera Azy ny loholona tafavory!

33Ny Tompo no manova ny ony ho taniefitra

sy ny loharano ho tany mangentana

34ary ny tany lonaka ho tanin-tsira,

noho ny faharatsian’ny mponina eo.

35Kanefa koa ny taniefitra ovàny ho farihy,

ny tany karankaina ho feno loharano

36mba hamponenana ireo noana

izay hanorin-tanàna honenana,

37hamafy eny an-tsaha sy hamboly voaloboka

ka hanangona ny vokatr’ireny.

38 Tahîn’ny Tompo izy ka mihamaro fatratra;

ny biby fiompiny koa tsy avelany hihavitsy.

39Fa misy kosa firenena mihavitsy sy mietry

noho ny fahoriana sy ny loza ary ny alahelo.

40Ataon’ny Tompo rakotra henatra ny mpifehy

ka mirenireny an-tany foana tsy misy lalana;

41fa atrakany ho afa-pahoriana kosa ny mahantra

ary hamaroiny toy ny andian’ondry ny fianakaviany.

42Mahita izany ny olo-mahitsy ka mifaly;

fa mikombom-bava kosa ny olon-dratsy rehetra.

43Izay hendry, aoka hisaintsaina izany

sy hahatsapa ny fitiavan’ny TOMPO!

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help