Hôsea 8 - Malagasy Bible

Izay mamafy rivotra hijinja tadio

1Tsofy ny anjomara,

fa ho toy ny voromahery

ny fiantefan’ny loza

amin’ny tanin’ny TOMPO.

«Satria nandika ny fanekempihavanako

ireo olon’i Israely ireo, hoy Izaho TOMPO,

ary nanohitra ny fampianarako.

2Na dia mitaraina amiko aza izy hoe:

‹Ry Andriamanitr’i Israely ô,

mahalala Anao izahay!›,

3dia efa nolavin’i Israely ny tsara,

ka hanenjika azy ny fahavalo.

4Nanangana mpanjaka

izay tsy nofidiko izy

ary nanendry filoha

izay tsy fantatro akory.

Nanaovany sampy

ny volafotsy na ny volamenany

mba ho fongotra aminy.

5Maharikoriko ilay ombilahikelinareo,

ry olon’i Samaria!

Mampirehi-pahatezerana Ahy ianareo

Mandra-pahoviana ny tenanareo

no tsy hiharam-pamaizana?

6Fa avy tamin’i Israely io ombilahikely io,

mpahay taozavatra no namboatra azy,

ka dia tsy Andriamanitra izy;

eny, ho montsamontsana

ilay ombilahikelin’i Samaria.

7Mamafy rivotra ianareo

ka hijinja tadio.

Fa hoy ny ohabolana hoe:

«Vary tsy amin-tsalohy

tsy vanon-ko lafarinina.»;

ary raha tàhiny aza hisy,

dia ny vahiny no handany azy.

8Voatelina i Israely;

ary indro izy efa tonga

toy ny fanaka tsy misy vidiny

any amin’ny hafa firenena.

9Nandeha niakatra tany Asiria izy;

mahay mizaka tena ny borikidia,

fa mividy sakaiza ho azy kosa i Efraîma.

10Na dia nizara fanomezana

tamin’ny firenen-kafa aza izy,

dia tonga kosa ny fotoana

hamoriako azy ankehitriny.

Ary tsy ho ela izy dia hijaly

noho izay hatambesatr’ilay mpanjakan’andriana.

11Nampitombo ireo alitara i Efraîma

mba hahatonga azy hanota;

eny, ireo alitara ireo tokoa

no mahatonga azy hanota.

12Na ho an’arivony mihitsy aza

no hanoratako ho azy ny lalànako,

dia hoheveriny ho zava-poana izany.

13Mahavatra manatitra sorona izy

satria te hihinan-kena.

Nefa Izaho TOMPO tsy faly amin’izany;

ankehitriny tsaroako ny heloka nataony

ary teteziko tsirairay ny fahotany.

Tsy maintsy hiverina any Ejipta izy.

14«Nanangan-dapa maro i Israely,

ka nanadino ny Mpanao azy.

I Joda koa etsy an-daniny

dia nampitombo tanànamimanda;

nefa handefasako afo ny tanànany

ka holevonin’izany ny lapany.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help