Mikà 6 - Malagasy Bible

Miampanga ny vahoakany ny Tompo

1-2«Mitsangàna Ianao, ry TOMPO!

Mandahara eo anoloan’ny tendrombohitra.»

Mihainoa ny adin’ny TOMPO,

ianareo ry tendrombohitra

sy ianareo ry fanorena-matezan’ny tany,

fa manana ady amin’ny vahoakany ny TOMPO;

ny Israelita no ifandaharany.

Henoinareo àry izay lazain’ny TOMPO:

3«Ry vahoakako, inona moa no nataoko anareo?

ary inona no nanasarako anareo? Valio Aho!

4Fa nampiakariko avy tany Ejipta ianareo

ary nafahako avy tamin’ny fanandevozana,

ka nirahiko hitarika anareo

i Mosesy sy i Aharôna ary i Miriama.

5Ry vahoakako, mba tsarovy

izay nokasain’i Balàka mpanjakan’i Môaba hatao

sy ny navalin’i Bilehama zanakalahin’i Behôra azy,

ary izay niseho hatreo Sitima ka hatrany Gilgala,

mba hahafantaranareo asa nanasoavako anareo.»

Izay takîn’ny Tompo amin’ny olombelona

6«Inona àry no hoentiko,

rehefa manatona aho hiankohoka

eo anatrehan’ny TOMPO,

Andriamanitra avo indrindra?

Moa zanak’omby iray taona

hatao sorona dorana manontolo ve

no hoentiko rehefa manatona Azy aho?

7Ho sitraky ny TOMPO ve ny ondrilahy an’arivony

na ny menaka mikoriana toy ny renirano?

Hatolotro Azy ve ny zazalahy voalohan-terako

ho fanalana ny heloka amam-pahotàko?»

8Tsia, ry olombelona, fa efa nampianarina anao

ny fitondrantena tsara

sy izay tadiavin’ny TOMPO aminao:

dia ny hanao ny rariny

sy handala ny fitiavana

ary ny hanaraka an’Andriamanitrao amim-panetrentena.

9Fahendrena ny manaja ny TOMPO!

Miantso ny ao an-drenivohitra Izy manao hoe:

«Mihainoa, ianareo ry fokon’i Joda

sy ry loholona mivory eto an-drenivohitra!

10Moa hohadinoiko ve ny harena maloto

nangonin’ny ratsy fanahy ao an-tranony

sy ny famarana tsy ampy?

Zavatra mahatsiravina izany!

11Moa heveriko ho madio

izay mampiasa mizana mandainga

sy mitondra an-kitapo ny vato tsy marina?

12Mpanao herisetra ny mpanan-karena

amin’ity renivohitra ity;

ary mandainga sy mamitaka ny hafa ireo mponina ao aminy.

13Izaho kosa nanomboka nikapoka anareo,

mba handringanana anareo noho ny fahotanareo.

14Hihinana ianareo nefa tsy ho voky,

fa mbola eo aminareo ihany ny mosary,

Hampirina ianareo nefa tsy hahatahiry;

ary izay voatahirinareo aza

dia holevoniko amin’ny ady.

15Hamafy ianareo, nefa tsy hijinja;

hanery ôliva, nefa tsy hihosotra menaka;

hanosihosy voaloboka, nefa tsy hisotro divay.

16Fa tandremanareo fatratra

ny ohatra ratsy nasehon’i Hômrỳ mpanjaka

sy ny fihetsiky ry i Ahaba mianakavy,

ka narahinareo ny fomba amam-panaony.

Noho izany, dia hatolotro horavana

ity renivohitrareo ity

ary ho fihomehezana ianareo mponina ao aminy;

ka ianareo no hitondra ny latsa

mianjady amin’ny vahoakako.»

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help