1 Tantara 6 - Malagasy Bible

Taranaka hafa avy amin’i Levỳ

1Ny zanakalahin’i Levỳ dia i Gersôna sy i Kehata ary i Merarỳ.

2Ireto avy no anaran’ny zanakalahin’i Gersôna: i Libnỳ sy i Simehỳ.

3Ny zanakalahin’i Kehata dia i Hamrama sy i Jitsehara ary i Hebrôna sy i Hoziela.

4Ny zanakalahin’i Merarỳ dia i Mahilỳ sy i Mosỳ.

Ireto ny tarika ao anatin’ny fokon’i Levỳ, araka ny razana nipoirany:

5Avy amin’i Gersôna; i Libnỳ zanakalahin’i Gersôna, i Jahata zanakalahin’i Libnỳ, i Zimà zanakalahin’i Jahata,

6i Jôà zanakalahin’i Zimà, i Hidao zanakalahin’i Jôà, i Zera zanakalahin’i Hidao, ary i Jeôtray zanakalahin’i Zera.

7Taranak’i Kehata: i Jitsehara zanakalahin’i Kehata, i Kôra zanakalahin’i Jitsehara, i Asiry zanakalahin’i Kôra

8i Elkanà zanakalahin’i Asiry, i Abiasafa zanakalahin’i Elkanà,

9i Tahata zanakalahin’i Abiasafa, i Oriela zanakalahin’i Tahata, i Hozià zanakalahin’i Oriela, ary i Saoly zanakalahin’i Ozià.

10Taranak’i Elkanà: i Hamasay sy i Mahata mirahalahy,

11dia i Elkanà zanakalahin’i Mahata, i Tsofo zanakalahin’i Elkanà, i Tôa zanakalahin’i Tsofo,

12i Eliela zanakalahin’i Tôa, i Jerôhama zanakalahin’i Eliela, (ary i Samoela zanakalahin’i Jerôhama).

13Ny zanakalahin’i Samoela dia i Jôela ny zokiny ary i Abià ny zandriny.

14Taranak’i Merarỳ: i Mahilỳ zanakalahin’i Merarỳ, i Libnỳ zanakalahin’i Mahilỳ, i Simehỳ zanakalahin’i Libnỳ, i Hozà zanakalahin’i Simehỳ,

15i Simehà zanakalahin’i Hozà, i Hagià zanakalahin’i Simehà, ary i Hasaià zanakalahin’i Hagià.

16Taranak’i Levỳ no voatendrin’i Davida hihira tao an-tranon’ny TOMPO, niantomboka hatramin’ny nametrahana tao ilay Vatamasina mirakitra ny fanekempihavanana.

17Ambara-panorin’i Salômôna ny tranon’ny TOMPO tao Jerosalema, dia nanao ny raharahan’ny mpihira teo anoloan’ny tranolay atao hoe Tranolay fihaonana ireo, ary nanatontosa ny fanompoany araka ny filaharany avy.

18Ireto àry no mpanatontosa izany fanompoana izany ombàn’ny antokom-pihirany:

Avy amin’ny taranak’i Kehata: i Hemàna mpiventy hira, zanakalahin’i Jôela sy zafin’i Samoela

19sy zafiafin’i Elkanà sy zafin-dohalik’i Jerôhama sy zafin-kitrokelin’i Eliela sy zafim-paladian’i Tôa

20ary zafin-dorian’i Tsofo, dia i Tsofo zanakalahin’i Elkanà sy zafin’i Mahata sy zafiafin’i Hamasay

21sy zafin-dohalik’i Elkanà sy zafin-kitrokelin’i Jôela sy zafim-paladian’i Hazarià ary zafin-dorian’i Tsefanià,

22dia i Tsefanià zanakalahin’i Tahata sy zafin’i Asiry sy zafiafin’i Abiasafa sy zafin-dohalik’i Kôra

23sy zafin-kitrokelin’i Jitsehara sy zafim-paladian’i Kehata ary zafin-dorian’i Levỳ, dia i Levỳ zanakalahin’i Jakôba.

24Teo ankavanan’i Hemàna no nipetrahan’i Asafa mpiventy hira namany. I Asafa dia zanakalahin’i Berekià sy zafin’i Simehà

25sy zafiafin’i Mikaela sy zafin-dohalik’i Bahaseià sy zafin-kitrokelin’i Malkià

26sy zafim-paladian’i Jeôtray ary zafin-dorian’i Zera, dia i Zera zanakalahin’i Hadaià

27sy zafin’i Etàna sy zafiafin’i Zimà sy zafin-dohalik’i Simehỳ

28sy zafin-kitrokelin’i Jahata sy zafim-paladian’i Gersôna ary zafin-dorian’i Levỳ.

29Teo ankavian’i Hemàna kosa i Etàna mpiventy hira naman-dry i Hemàna sy i Asafa. Avy amin’ny taranak’i Merarỳ izy, fa zanakalahin’i Kisy sy zafin’i Habdỳ sy zafiafin’i Malòka

30sy zafin-dohalik’i Hasabià sy zafin-kitrokelin’i Amatsià sy zafim-paladian’i Hilkià

31sy zafin-dorian’i Ametsỳ, dia i Ametsỳ zanakalahin’i Banỳ sy zafin’i Semera

32sy zafiafin’i Mahilỳ sy zafin-dohalik’i Mosỳ sy zafin-kitrokelin’i Merarỳ ary zafim-paladian’i Levỳ.

33Ary ny levîta naman’ireo no nanankinana ny fanompoana hafa rehetra momba ny Tranolay fihaonana, tao an-tranon’Andriamanitra.

34I Aharôna sy ny taranany no mampanetona ny sorona dorana manontolo eo ambony alitara fisoronana sy mampanetona ny vovo-javamanitra eo ambony alitara fandoroana azy; ka nanatanteraka ny raharaha rehetra tao amin’ny Toeramasina Indrindra izy ireo ary nanao ny fombam-pivavahana famelan-keloka ho an’ny vahoaka Israely, araka izay rehetra nandidian’i Mosesy mpanompon’Andriamanitra.

35Ireto avy ny taranak’i Aharôna: i Elehazara zanakalahin’i Aharôna, i Pinehasa zanakalahin’i Elehazara, i Abisoa zanakalahin’i Pinehasa,

36i Bokỳ zanakalahin’i Abisoa, i Hozỳ zanakalahin’i Bokỳ, i Zerahià zanakalahin’i Hozỳ,

37i Meraiôta zanakalahin’i Zerahià, i Amarià zanakalahin’i Meraiôta, i Ahitoba zanakalahin’i Amarià,

38i Tsadôka zanakalahin’i Ahitoba, ary i Ahimahatsa zanakalahin’i Tsadôka.

Ireo tanàna nomena ho fonenan’ny taranak’i Levỳ.

39Ireto no fonenan’ny taranak’i Levỳ, araka ny toerana nisy azy tao amin’ny zara taniny avy. Ny taranak’i Aharôna, avy amin’ny tarik’i Kehata, no voatendrin’ny antsapaka ho voalohany,

40ka dia nomena ny tanàna Hebrôna mbamin’ny kijàna manodidina azy tao amin’ny Joda;

41fa ny saha sy ny tanàna kely miankina amin’i Hebrôna kosa efa nomena an’i Kaleba zanakalahin’i Jefonè.

42-44Ny nomena ny taranak’i Aharôna dia ireto tanàna fialofana ireto: i Hebrôna sy i Libnà, i Jatîra sy i Estemôa, i Hilèna sy i Debira ary i Hasàna, sy i Bety-Semesy mbamin’ny kijàna samy manodidina azy;

45ny avy tamin’ny fokon’i Benjamîna dia i Geba sy i Halemeta ary i Hanatôta mbamin’ny kijàna samy manodidina azy. Dia 13 izany no isan’ny tanàna rehetra anjaran’ny taranak’i Aharôna araka ny fianakaviany avy.

46Ny an’ny taranak’i Kehata sisa, araka ny fianakaviany avy, dia tanàna folo no azony tamin’ny antsapaka: ireo tanàna ireo dia avy tamin’ny fokon’i Efraîma sy ny fokon’i Dana ary ny antsasa-pokon’i Manase.

47Ny an’i taranak’i Gersôna, araka ny fianakaviany avy, dia tanàna 13 no azony tamin’ny antsapaka: ireo tanàna ireo dia avy tamin’ny fokon’i Jisakara sy ny fokon’i Asera ary ny fokon’i Naftalỳ mbamin’ny antsasa-pokon’i Manase any Basàna.

48Ny taranak’i Merarỳ, araka ny fianakaviany avy, dia tanàna 12 no azony tamin’ny antsapaka: ireo tanàna ireo dia avy tamin’ny fokon’i Reobena sy ny fokon’i Gada ary ny fokon’i Zebolòna.

49Nomen’ny Israelita ho an’ny Levita ireo tanàna ireo sy ny kijàna samy manodidina azy.

50Tamin’ny antsapaka ihany koa no nanomezana ireo tanàna avy tamin’ny fokon’i Joda sy ny fokon’i Simehôna ary ny fokon’i Benjamîna, dia ireo tanàna efa voatanisa etsy aloha.

51Ho an’ireo fianakaviana sasany anisan’ny taranak’i Kehata, dia nisy tanàna ho faritra fonenany avy tamin’ny fokon’i Efraîma;

52-54ka nomena azy ireto tanàna fialofana ireto: dia i Sekema, teo amin’ny tendrombohitr’i Efraîma, i Gezera sy i Jôknehama, i Bety-Hôrôna sy i Aialôna ary i Gata-Rimôna mbamin’ny kijàna samy manodidina azy;

55ny tanàna avy tamin’ny antsasa-pokon’i Manase kosa, izany hoe i Tahanàka sy i Jiblehama mbamin’ny kijàna samy manodidina azy, dia nomena an’ireo fianakaviana sisa anisan’ny taranak’i Kehata.

56Ho an’ny taranak’i Gersôna, araka ny fianakaviany avy, dia nisy tanàna avy tamin’ny antsasa-pokon’i Manase: dia i Gôlàna any Basàna sy i Hastarôta mbamin’ny kijàna samy manodidina azy;

57-58nisy avy tamin’ny fokon’i Jisakara: dia i Kisiôna sy i Daberata ary i Ramôta sy i Hanema mbamin’ny kijàna samy manodidina azy;

59-60avy tamin’ny fokon’i Asera: dia i Masala sy i Habdôna ary i Hokôta sy i Rehôta mbamin’ny kijàna samy manodidina azy;

61nisy avy tamin’ny fokon’i Naftalỳ: dia i Kedesa any Galilea sy i Hamôsa ary i Kiriataîma mbamin’ny kijàna samy manodidina azy.

62Ho an’ireo taranak’i Merarỳ, izany hoe ny Levita sisa, dia nisy tanàna avy tamin’ny fokon’i Zebolòna: dia i Rimôna sy i Tabôra mbamin’ny kijàna samy manodidina azy;

63-64nisy avy tamin’ny fokon’i Reobena, eny andafy atsinanan’i Jôrdàna tandrifin’i Jerikao: dia i Betsera any an-taniefitra sy i Jahatsa ary i Kedemôta sy i Mefahata mbamin’ny kijàna samy manodidina azy;

65-66nisy avy tamin’ny fokon’i Gada: dia i Ramôta any Gilehada sy i Mahanaîma ary i Hesbôna sy i Jahizera mbamin’ny kijàna samy manodidina azy.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help