Isaià 47 - Malagasy Bible

Fampitandremana farany an’i Babilôna

1Midîna ambany ka mipetraha amin’ny vovoka,

ry vahoaka mponin’i Babilôna, hoy ny TOMPO;

mipetraha amin’ny tany, ry renivohitry ny Kaldeanina

fa tsy misy sezafiandrianana ho anao intsony,

satria ianao tsy hantsoina intsony hoe:

«Babilôna tsara tarehy» na «Babilôna mirenty».

2Makà vato fikoseham-bary ka mitotoa koba.

Asehoy ny randranao, akaro ny morontongotr’akanjonao,

asehoy ny ranjonao, hahazoanao mita ny renirano.

3Aoka hiseho ny fitanjahanao

ary ho hita izay mahamenatra anao.

Hanao valifaty tokoa Aho

ka tsy misy mahasakana Ahy,

4hoy Ilay Mpanavotra anay.

Ny TOMPOn’izao rehetra izao no anarany,

dia Ilay Masin’i Israely.

5Mipetraha mangina ianao

ary misitriha any amin’ny maizina,

ry renivohitry ny Kaldeanina,

satria ianao tsy hantsoina intsony hoe:

«tompovavin’ny fanjakana maro».

6Tezitra mafy tamin’ny vahoakako Aho,

ka navelako hovetavetaina ilay anjara fananako.

Natolotro teo an-tananao izy,

kanefa tsy mba namindranao fo

fa nampitondrainao zioga mavesatra

hatramin’ny be antitra aza.

7Nihambo haharitra mandrakizay ianao

ka ho tompovavin’izao tontolo izao hatrany,

fa tsy noeritreretinao akory izay niseho

ary tsy noheverinao akory izay ho avy aoriana.

8Ry tanàna tia fahafinaretana

sady mipetraka tsy manana ahiahy,

ianao miteny anakampo hoe:

«Izaho dia tsy manan-tsahala!

Tsy ho mpitondratena mihitsy aho

ary tsy ho faty anaka na oviana na oviana.»

Fa ankehitriny henoinao kosa izao:

9Amin’ny indray andro monja

dia hihatra tampoka aminao ireto loza roa ireto:

ho faty zanaka ianao sady hanjary mpitondratena.

Eny, hihatra aminao avokoa ireo,

na dia maro aza ny ody fampiàsanao

ary na dia zavontany aza ny fankatòvanao.

10Natoky ireo ody ratsy fanefitrao ianao,

ka nanao hoe: «Tsy misy mahita ahy.»

Nefa ny fahendrena sy ny fahalalana

nihamboanao hananana ihany

no nampivadika atidoha anao,

ka nampiteny anao anakampo hoe:

«Izaho dia tsy manan-tsahala!»

11Koa indro hihatra aminao ny loza

izay tsy hainao avily hidify anao;

indro hiantonta aminao ny fahavoazana

izay tsy azonao iarovan-tena;

eny, hihatra tampoka aminao ny faharavana,

dia faharavana izay tsy ampoizinao.

12Tohizo ihany àry ny fankatòvanao

sy ny ody maro fampiàsanao

izay efa niezahanao hatry ny fahatanoranao;

angamba hahazoanao tombontsoa izany

na koa hampitahoranao izay mananontanona anao.

13Vizana manontany ireo mpanandro ianao.

Aoka hiseho sy ho avy hamonjy anao

ireo mpamariparitra ny lanitra

sy ireo mpandinindinika ny kintana

ka mampahafantatra isaky ny tsinam-bolana

izay zavatra tsy maintsy ho tonga aminao!

14Ho toy ny mololo no hanjo ireo mpanandro ireo:

ho main’ny afo izy ka tsy hahavonjy tena

ho afaka amin’ny herin’izany lelafo izany;

fa tsy ho vainafo kely hanendasa-mofo izany

na ho fatan’afo tsotra natao hamindroana!

15Izany, ry Babilôna, no hanjo ireo mpimasinao

izay efa nisasaranao nanontaniana

hatry ny fony ianao mbola tanora.

Samy handeha amin’izay halehany izy,

fa tsy hisy na dia iray aza hahavonjy anao.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help