1Toy izao no lisitry ny taranak’i Hesao na koa i Edôma.
2Naka vady kanahanita i Hesao, dia i Hadà zanakavavin’i Elôna izay hetita, sy i Ohôlibamà zanakavavin’i Hanà sady zafikelin’i Tsibehôna izay hivita,
3ary i Basemata zanakavavin’i Jismahela sady anabavin’i Nebaiôta.
4Ary i Hadà niteraka an’i Elifaza tamin’i Hesao, fa i Basemata kosa niteraka an’i Rehoela;
5ary i Ohôlibamà kosa niteraka an’i Jehîsa sy i Jahilama ary i Kôrà. Ireo no zanakalahy naterak’i Hesao tao amin’ny tany Kanahàna.
6Nentin’i Hesao ireo vadiny sy ireo zanany lahy sy vavy ary ireo olona rehetra tao an-tranony, mbamin’ny biby fiompiny sy ny biby rehetra mpitondra ny entany; ary nentiny koa ireo fananana rehetra izay azony tao amin’ny tany Kanahàna, dia lasa nankany an-tany hafa izy mba ho lavitra an’i Jakôba rahalahiny.
7Satria efa samy be harena loatra izy mirahalahy ka tsy afaka ny hiara-monina intsony; ary ny faritany nisy azy dia tsy ampy hihinanan’ny biby fiompin’ny roa tonta.
8Izany no nipetrahan’i Hesao na i Edôma tany an-tendrombohitra Sehira.
Ny taranak’i Hesao9Toy izao no lisitry ny taranak’i Hesao, razamben’ny Edômita izay nonina teny an-tendrombohitra Sehira.
10Ireto no anaran’ny zanakalahin’i Hesao: i Elifaza zanakalahin’i Hadà vadiny, ary i Rehoela zanakalahin’i Basemata vadiny.
11Ny zanakalahin’i Elifaza dia i Temàna sy i Omara, i Tsefao sy i Gahetama ary i Kenaza.
12I Timnà vadikelin’i Elifaza dia niteraka an’i Hamalèka taminy koa. Ireo no zafikelin’i Hesao sy i Hadà vadiny.
13Ny zanakalahin’i Rehoela dia i Nahata sy i Zera ary i Samà sy i Mizà. Ireo no zafikelin’i Hesao sy i Basemata vadiny.
14Ny amin’i Ohôlibamà, zanakavavin’i Hanà sy zafikelin’i Tsibehôna sady vadin’i Hesao, dia ireto kosa no zanakalahiny: i Jehîsa sy i Jahelàma ary Kôrà.
15Ireto avy no filoham-pianakavian’ny taranak’i Hesao. Samy filoham-pianakaviany avokoa ireo zanakalahin’i Elifaza lahimatoan’i Hesao, dia i Temàna sy i Omara, i Tsefao sy i Kenaza,
16i Kôra sy i Gahetama ary i Hamalèka; tao amin’ny faritr’i Edôma ireo ary zafikelin’i Hadà.
17Samy filoham-pianakaviany avokoa ny zanakalahin’i Rehoela zanak’i Hesao, dia i Nahata sy i Zera ary i Samà sy i Mizà; tao amin’ny faritr’i Edôma ireo ary zafikelin’i Basemata vadin’i Hesao.
18Samy filoham-pianakaviany avokoa ireo zanakalahin’i Ohôlibamà vadin’i Hesao, dia i Jehîsa sy i Jahilama ary i Kôrà; izy telo lahy kosa dia avy tamin’i Ohôlibamà izay zanakavavin’i Hanà sy vadin’i Hesao.
19Ireo no taranak’i Hesao na hoe i Edôma, ka samy filoham-pianakaviany avy.
20Ny mponina taloha tao amin’ny faritr’i Edôma dia ireo taranak’i Sehira ilay Hôrita. Ny zanakalahin’i Sehîra dia i Lôtàna sy i Sôbala, i Tsibehôna sy i Hanà,
21i Disôna sy i Etsera ary i Disàna. Ireo no filoham-pianakaviana hôrita, tao amin’ny faritr’i Edôma.
22Ny zanakalahin’i Lôtàna dia i Hôry sy i Hemàma. Nanana anabavy atao hoe Timnà i Lôtàna.
23Ireto no zanakalahin’i Sôbala: i Halevàna sy i Manahata, i Hebala sy i Sefao ary i Onama.
24Ireto no zanakalahin’i Tsibehôna: i Aià sy i Hanà; ity Hanà ity no nahita rano tany an-taniefitra, fony izy niandry ny borikin’i Tsibehôna rainy.
25Ireto no zanak’i Hanà: i Disôna no lahy ary i Ohôlibamà no vavy.
26Ireto no zanakalahin’i Disôna: i Hemdàna sy i Esbàna ary Jitràna sy i Keràna.
27Ireto no zanakalahin’i Etsèra: i Bilehàna sy i Zaha ary i Hakàna.
28Ary ireto no zanakalahin’i Disàna: i Hotsa sy i Aràna.
29Ireto avy no filoham-pianakavian’ny Hôrita: i Lôtana sy i Sôbala, i Tsibehôna sy i Hanà,
30i Disôna sy i Etsera, ary i Disàna. Ireo no filoham-pianakavian’ny Hôrita araka ny isan-tarika avy, tao amin’ny tany Sehira.
31Ireto avy ny mpanjaka nifandimby nanjaka tao amin’ny tany Edôma, fony tsy mbola nisy mpanjaka nanjaka tamin’ny Israelita.
32Nanjaka tao Edôma i Bela zanakalahin’i Behôra, avy ao amin’ny tanànan’i Dinehaba.
33Rehefa maty izy, dia i Jôbaba, zanakalahin’i Zera avy ao Bôtserà, no nanjaka nandimby azy.
34Rehefa maty i Jôbaba, dia nanjaka nandimby azy i Hosama avy ao amin’ny faritanin’ny Temanita.
35Rehefa maty i Hosama, dia nanjaka nandimby azy i Hadada, zanakalahin’i Bedada, avy ao an-tanànan’i Havita. Izy io no nandresy ny Midianita teny an-tsahan’i Môaba.
36Rehefa maty i Hadada, dia nanjaka nandimby azy i Samlà avy ao Masrekà.
37Rehefa maty i Samlà, dia nanjaka nandimby azy i Saoly avy any Rehôbôta amoron’ny ony Eofrata.
38Rehefa maty i Saoly, dia nanjaka nandimby azy i Bahala-Hanàna, zanakalahin’i Hakbôra.
39Rehefa maty i Bahala-Hanàna, dia nanjaka nandimby azy i Hadara avy ao an-tanànan’i Pahò; ny anaran’ny vadiny dia i Mehetabeela, zanakavavin’i Matreda sady zafikelin’i Me-Zahaba.
40Ireto no anaran’ireo filoham-pianakavian’ny taranak’i Hesao, araka ny isan-tarika sy ny toerany avy:
41i Timnà sy i Halvà, i Jeteta sy i Ohôlibamà, i Elà sy i Pinôna,
42i Kenàza sy i Temàna, i Mibitsara
43sy i Magdiela ary i Hirama. Ireo no filoham-pianakavian’ny Edômita araka ny fonenany teo amin’ny faritaniny avy.
I Hesao no razamben’ny Edômita.
Who We AreWhat We EelieveWhat We Do
2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.