Isaià 35 - Malagasy Bible

Ny fiverenan’ireo voababo ho any Tsiôna

1Aoka hiravoravo ny taniefitra

sy ny tany karankaina!

Aoka hifaly ny tany ngazana

ka hamony voninkazo meva toy ny lisy.

2Aoka ho rakotra voninkazo izy

ka hitotorebika sy handihy

ary hihorakora-pifaliana!

Satria nomen’ny TOMPO azy ny voninahitr’i Libano

mbamin’ny famirapiratan’ny tendrombohitra Karmela

sy ny famirapiratan’ny lemak’i Sarôna.

Amin’izay no hahitana ny voninahitry ny TOMPO

sy ny famirapiratan’ilay Andriamanitsika.

3Ampaherezo ny tanana miraviravy

ary hatanjaho ny lohalika malemy.

4Lazao amin’izay kivy hoe:

«Mahereza, aza matahotra;

indro ny Andriamanitrareo

tonga hitondra famaizana

ka hanasazy ny fahavalonareo;

Izy mihitsy no tonga hamonjy anareo.»

5Dia hahiratra ny mason’ny jamba

ary handre ny sofin’ny marenina.

6Hitsambikina toy ny diera ny mandringa,

hiteny an-kafaliana ny lelan’ny moana,

satria hiboiboika any an-taniefitra ny rano

ary hisy ranon-driaka any amin’ny tany ngazana.

7Ny tany karakaina hanjary farihy,

ny tany mangentana hiboiboika loharano.

Ary eo amin’ny toerana famitsahan’ny amboadia

dia hanirian’ny volotara sy ny zozoro.

8Any no hisy arabe voamboatra

hantsoina hoe «lalana voatokana».

Tsy hahazo handalo eo izay maloto

ary tsy hitonantonana eo ny mpanompo sampy;

fa ny Tompo dia hisava izany lalana izany,

ho an’ny vahoakany ihany.

9Tsy hahitana liona io lalana io

sady tsy hiakaran’ny biby masiaka;

tsy hisy ho hita eo ireny

fa izay nafahan’ny Tompo no handeha eo.

10Izany no lalana hiverenan’ireo navotan’ny TOMPO,

ka hahatongavany ao Tsiôna amin’ny fihobiana;

haravoana mandrakizay no ho eny amin’ny endriny,

hafaliana sy haravoana no hanenika azy

fa handositra kosa ny alahelo aman-tsento.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help