Nomerỳ 29 - Malagasy Bible

g. Amin’ny andro fitsofana trompetra

1«Amin’ny andro voalohan’ny volana fahafito dia hisy fivoriana masina ho anareo, ka tsy hanao ny asa fanaonareo andavanandro ianareo fa andro fitsofana trompetra izany.

2Ny hatolotrareo ho sorona dorana manontolo, ka hanetona ho hanitra hankasitrahin’ny TOMPO, dia izao: ombilahy iray sy ondrilahy iray avy ary zanak’ondry fito izay samy herintaona avy sady tsy misy kilema.

3Ny biby tsirairay dia hampiarahina amin’ny lafarinina nofetaina tamin’ny menaka, ka lafarinina sivy kilao isan’ombilahy, enina kilao isan’ondrilahy

4ary telo kilao isan-janak’ondry.

5Hanatitra osilahy iray koa ianareo ho sorona fanalana ny ota, hanaovana ny fombam-pivavahana famelan-keloka ho anareo.

6Hataonareo izany ho fanampin’ny sorona dorana manontolo isan’andro sy ny sorona dorana manontolo isaky ny andro voalohan’ny volana miaraka amin’ny fanatitra lafarinina sy divay momba azy; ho sakafo dorana ho an’ny TOMPO izany ka hanetona ho hanitra hankasitrahiny.

h. Amin’ny andro lehibe famelan-keloka

7«Amin’ny andro fahafolon’ny volana fahafito, dia hisy fivoriana masina ho anareo. Hifady hanina ianareo ka tsy hanao ny asa fanaonareo andavanandro.

8Ny hatolotrareo ho sorona dorana manontolo ho an’ny TOMPO, ka hanetona ho hanitra hankasitrahiny, dia izao: ombilahy iray sy ondrilahy iray ary zanak’ondry fito izay samy herintaona avy sady tsy misy kilema.

9Ny biby tsirairay dia hampiarahina amin’ny lafarinina nofetaina tamin’ny menaka, ka lafarinina sivy kilao isan’ombilahy, enina kilao isan’ondrilahy

10ary telo kilao isan-janak’ondry.

11Hanatitra osilahy iray koa ianareo ho sorona fanalana ny ota. Hataonareo izany rehetra izany ho fanampin’ny sorona noho ny andro lehibe famelan-keloka sy ny sorona dorana manontolo tsy tapaka isan’andro ary ny fanatitra divay momba azy.

i. Amin’ny fetin’ny Tranotomboka

12«Ny andro faha-15 amin’ny volana fahafito, dia hisy fivoriana masina ho anareo, ka tsy hanao ny asa fanao andavanandro ianareo. Hanao fetim-piravoravoana ho voninahitry ny TOMPO mandritra ny herinandro ianareo.

13Amin’ny andro voalohany, ny hatolotrareo ho sorona dorana manontolo ka hanetona ho hanitra hankasitrahin’ny TOMPO, dia izao: ombilahy 13 sy ondrilahy roa ary zanak’ondry 14 izay samy herintaona avy sady tsy misy kilema.

14Ny biby tsirairay dia hampiarahina amin’ny lafarinina nofetaina tamin’ny menaka, ka lafarinina sivy kilao isan’ombilahy, enina kilao isan’ondrilahy

15ary telo kilao isan-janak’ondry.

16Hanatitra osilahy iray koa ianareo ho sorona fanalana ny ota. Hataonareo izany ho fanampin’ny sorona dorana manontolo tsy tapaka isan’andro ary ny fanatitra lafarinina sy divay momba azy.

17-34«Amin’ny andro faharoa ka hatramin’ny andro fahafito dia biby tsy misy kilema no hatolotrareo ho sorona dorana miaraka amin’ireo fanatitra mahazatra ho fanampin’ny sorona dorana isa-maraina. Ireto avy izany: amin’ny andro faharoa, dia ombilahy 12 sy ondrilahy roa sy zanak’ondry 14 izay samy herintaona avy, ary koa osilahy iray; amin’ny andro fahatelo, dia ombilahy 11 sy ondrilahy roa sy zanak’ondry 14 izay samy herintaona avy, ary koa osilahy iray; amin’ny andro fahefatra, dia ombilahy folo sy ondrilahy roa sy zanak’ondry 14 izay samy herintaona avy, ary koa osilahy iray; amin’ny andro fahadimy, dia ombilahy sivy sy ondrilahy roa sy zanak’ondry 14 izay samy herintaona avy, ary koa osilahy iray; amin’ny andro fahenina, dia ombilahy valo sy ondrilahy roa, sy zanak’ondry 14 izay samy herintaona avy, ary koa osilahy iray; amin’ny andro fahafito, dia ombilahy fito sy ondrilahy roa sy zanak’ondry 14 izay samy herintaona avy, ary koa osilahy iray.

35«Ary amin’ny andro fahavalo, dia hisy fivoriana famaranana ny fetinareo, ka tsy hanao ny asa fanao andavanandro ianareo.

36Ny hatolotrareo ho sorona dorana manontolo, ka hanetona ho hanitra hankasitrahin’ny TOMPO, dia izao: ombilahy iray sy ondrilahy iray ary zanak’ondry fito izay samy herintaona avy sady tsy misy kilema.

37Ny biby tsirairay dia hampiarahina amin’ny fanatitra lafarinina sy divay momba azy araka ny mahazatra.

38Hanolotra osilahy iray koa ianareo ho sorona fanalana ny ota. Hataonareo izany ho fanampin’ny sorona dorana manontolo isan’andro miaraka amin’ny fanatitra lafarinina sy divay momba azy.

39«Ireo no sorona hatolotrareo ho an’ny TOMPO amin’ny andro fetinareo, afa-tsy izay hataonareo ho fanalàm-boady sy fanati-tsitrapo na sorona dorana izany na fanatitra lafarinina sy divay na koa sorom-pihavanana.»

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help