1 Kôrintianina 16 - Malagasy Bible

Famoriam-bola ho an’ny vahoakan’Andriamanitra

any Jerosalema

1Momba ny famoriam-bola atao ho an’ny vahoakan’Andriamanitra any Jerosalema, dia izao: mba manaova koa ianareo, araka ireo fepetra nasaiko narahin’ny Fiangonana rehetra any Galatia.

2Isan’alahady dia samia mba manokana vola ao aminy avy arakaraka izay vola miditra ka hitahiry izany, mba tsy hilaina intsony ny hamoriam-bola amin’ny fahatongavako.

3Ary rehefa tonga aho, dia izay olona sitrakareo no hirahiko sy hampombaiko taratasy mba hitondra ny fanomezanareo hankany Jerosalema.

4Raha ilaina moa ny handehanako any, dia hiara-dia izahay.

Dia kasain’i Paoly hatao

5Hankatỳ aminareo aho rehefa avy niteny an’i Masedônia (fa hitety io faritany io aho).

6Angamba hitoetra maharitra eo aminareo aho na handany ny ririnina mihitsy aza; ka dia ianareo no hamatsy ahy sy hanatitra ahy any amin’izay toerana tokony halehako.

7Fa tsy mikasa hitsidika anareo mandalo fotsiny aho, satria manantena hitoetra eo aminareo fotoana maharitraritra raha sitrapon’ny Tompo.

8Kanefa mbola hijanona eto Efeso aho mandra-piavin’ny Pentekôsta;

9satria varavarana lehibe no misokatra ho ahy hahazoako miasa tsara eto, na dia maro aza ny mpanohitra.

10Rehefa tonga i Timôty, dia mba ataovy izay hahatsapany fa tsara fandray azy ianareo; satria miasa tahaka ahy koa izy amin’ny asan’ny Tompo.

11Aoka mba tsy hisy hanao tsinontsinona azy. Omeo vatsy izy ary atero mba ho tonga soa aman-tsara atỳ amiko, fa miandry azy aho sy ireo havana iray finoana eto.

12Fa i Apôlao havantsika kosa dia nampirisihiko matetika hankatỳ aminareo miaraka amin’ny havana sasany iray finoana; saingy tsy tiany hatao mihitsy izany ankehitriny, fa ho avy ihany izy rehefa misy hahafahany.

Teny farany sy fanaovam-beloma

13Miambena ianareo, mamahara tsara amin’ny finoana, aoka hitombandahy, mahereza.

14Ataovy amim-pitiavana ny zavatra rehetra.

15Fantatrareo ry i Stefanasy mianakavy: ireo no kristianina voalohany tany Akaîa sady nanokan-tena hanampy ny vahoakan’Andriamanitra. Mangataka anareo aho, ry havako,

16mba hanaiky tsara ny olona tahaka ireny mbamin’izay rehetra miara-miasa sy miara-misasatra aminy.

17Mahafaly ahy ny fahatongavan’i Stefanasy sy i Fôrtnato ary i Akaîko, fa ireo no nahefa ny tsy vitanareo.

18Sady namelombelona ahy izy telo lahy no namelombelona anareo. Koa mahaiza mankasitraka ny olona tahaka ireny.

19Manao veloma anareo ireo Fiangonana atỳ amin’ny faritany Azia. Noho isika tafaray amin’ny Tompo, dia manao veloma anareo i Akoilà sy i Prisila mbamin’ny Fiangonana mivory ao an-tranony.

20Manao veloma anareo ireo havana rehetra iray finoana eto.

Mifanaova veloma amin’ny fanoroham-pihavanana.

21Soratanako izao teny izao: Veloma, hoy i Paoly.

22Raha misy tsy manam-pitiavana ny Tompo, aoka izy ho voaozona!

Maràna tha – Avia, ry Tomponay ô!

23Homba anareo anie ny fahasoavan’i Jesoa Tompo!

24Momba anareo rehetra izay tafaray amin’i Kristy Jesoa ny fitiavako!

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help