Salamo 79 - Malagasy Bible

SALAMO Avoty izahay, Tompo ô, satria voa mafy tokoa

1 Salamo nataon’i Asafa.

Andriamanitra ô, nidiran’ireo hafa firenena ny taninao

ka nozimbazimbainy ny tempolinao masina

ary nataony korontam-bato i Jerosalema.

2Ny fatin’ny mpanomponao,

eny, ny nofon’ireo mpivavaka aminao,

dia nomeny ho sakafon’ny papango

ary natsipiny hohanin’ny bibidia.

3Ny ran’ireo mpanomponao

dia nataony mandriaka toy ny rano

manerana an’i Jerosalema,

ka tsy misy olona tavela handevina.

4Tonga fandatsan’ny vahoaka hafa

izay mpifanila aminay izahay,

zary fihomehezana sy faneso

ho an’ireo firenena manodidina anay.

5TOMPO ô, mandra-pahoviana izahay

no hitananao ny fahatezeranao

sy ity fahasarotam-piaronao

izay mandoro tahaka ny afo?

6Aoka ireo firenen-kafa no hotezeranao,

dia ireo firenena tsy mahalala Anao,

ireo fanjakana tsy mivavaka aminao,

7fa norobainy ny taranak’i Jakôba

ary nosimbàny ny tany fonenany.

8Aza tsaroana hamelezana anay

ny heloka vitan’ireo talohanay;

fa aoka ny famindramponao

no ho tonga haingana hitsena anay,

satria voa mafy tokoa izahay!

9Andriamanitra mpamonjinay ô,

vonjeo izahay noho ny voninahitrao;

mba avelao re ny fahotanay,

ka afaho izahay noho ny lazanao.

10Nahoana ny firenen-kafa no hanontany hoe:

«Aiza àry izay Andriamanitrareo?»

Aoka ho fantany sy hohitanay

fa valianao ny ran’ireo mpanomponao

izay novonoin’izy ireny ho faty!

11Aoka ho tonga eo anatrehanao

ny fitarainan’ireo voafonja!

Araka ny haben’ny herinao

no iarovy ny ain’ireo voaheloka ho faty.

12Tompo ô, mba valio impito heny

amin’ireo firenena mifanila aminay

ny fanalàm-baràka nataony Anao.

13Fa izahay vahoakanao,

andian’ondry fiandrinao,

dia hanolotra fisaorana Anao mandrakizay,

hanambara ny fiderana Anao hatrany hatrany.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help