Jônà 2 - Malagasy Bible

Ny vavak’i Jônà

1Nandefa trondro lehibe hitelina an’i Jônà ny TOMPO. Koa nitoetra telo andro sy telo alina tao an-kibon’ilay trondro i Jônà.

2Tao izy no nanandratra izao vavaka izao tamin’ny TOMPO Andriamaniny

3ka nanao hoe:

Tao an-katerena aho, TOMPO ô,

no velon-taraina taminao,

ka namaly ahy Ianao;

tao anatin’ny toeran’ny maty

no niantsoako vonjy taminao,

ka nihaino ahy Ianao.

4Natsipinao tao amin’ny lalina aho,

dia tao an-kibon’ny ranomasina.

Nanafotra ahy ny riaka;

natosakao tamiko avokoa

ny alon-dranonao aman’onjanao.

5Dia hoy aho anakampo hoe:

«Indro aho voaroaka tsy ho eo imasonao, Tompo ô,

kanefa mbola manatrika ny tempolinao masina ihany.»

6Efa mby hatendako ny rano;

nanafotra ahy ny ranomasina,

ary ny ahidrano nisaringotra amin’ny lohako.

7Tany amin’ny fanambanin’ny tendrombohitra

no nahatafalatsaka ahy,

ka nihidy tamiko mandrakizay

ny vavahadin’ny sehatry ny maty.

Nefa Ianao, ry TOMPO Andriamanitro ô,

nampiakatra ahy velona avy tao an-davaka.

8Raha iny efa ho faty iny aho,

dia nahatsiaro Anao, TOMPO ô,

ary ny vavaka nataoko taminao

dia tonga tao an-tempolinao masina.

9Fa izay mivavaka amin’ny andriamani-tsiizy

dia aoka hiala amin’ireny sampy ifikirany ireny.

10Fa izaho kosa amin-kira fiderana

no hanolorako sorona aminao,

ary hanefako ny voady izay nataoko.

Anao, TOMPO ô, ny famonjena!

11Ary notenenin’ny TOMPO ilay trondro mba hamoaka an’i Jônà, dia naloany ho eny amin’ny tany maina izy.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help