1Lozanareo izay manorina fiadanana amin’i Tsiôna
sy mitoky amin’ny tendrombohitr’i Samaria,
dia ianareo mihevi-teny ho sangany eo amin’ilay
firenena malaza indrindra
ka hatonin’ny taranak’i Israely!
2Mankanesa any Kalnè ianareo ka mijere;
avy ao dia mandehana any Hamata, tanàna lehibe;
ary midina ho any Gata tanànan’ny Filistinina.
tsy miroborobo noho ireo fanjakana ireo ny anareo,
na dia kely noho ny taninareo aza ny taniny!
3Mitady hampihemotra ny andron’ny loza ianareo
nefa mampanatona ny fanjakan’ny herisetra;
4mandrimandry eo ambony farafara miravaka ivoara ianareo
ary mitsilailay eo ambony divà
sady mihinana zanak’ondry avy tamin’ny andriany
sy zanak’omby matavy.
5Mihirahira manaraka ny feon-dokanga ianareo
sy mamorona zava-maneno tahaka an’i Davida.
6Misotro divay amin’ny kaopy lehibe ianareo
sady manosotra ilomanitra ny lohanareo,
fa tsy mba malahelo amin’ny fahavoazan’ny fokon’i Jôsefa.
7Noho izany, ankehitriny dia ianareo
no ho voalohany amin’izay ho lasan-ko babo
ka hifarana hatreo ny korananareo mpanao filibàna.
Ny fandravana an’i Samaria8Ny TOMPO efa mianiana amin’ny tenany;
Ilay TOMPO Andriamanitr’izao rehetra izao
dia manao teny hentitra hoe:
«Mahatsiravina Ahy ny avonavon’ny fanjakan’i Israely
ary hàlako ireo lapany,
ka hatolotro ny fahavalony ny renivohitra Samaria
mbamin’izay rehetra ao anatiny.»
9Koa raha mbola misy olona folo sisa
ao amin’ny trano iray
dia ho faty ao ireo.
10Ny tompo-manjo no haka ny faty,
sy voatery hamoaka azy hiala ny trano,
sady hiteny amin’izay anankiray sisa velona
ao an-trano hoe:
«Mbola misy ve miaraka aminao?»
Ka hovaliany hoe: «Tsy misy intsony!»
Ary hampiany hoe: «Mangina!
Fa aza tonontononina ny anaran’ny TOMPO.»
11Eny, tandremo fa manome baiko ny TOMPO;
dia ho montsamontsana ny trano vaventy
ary ho samatsamaka ny trano madinika.
Fandresena anankiroa tsy misy fotony12Moa mihazakazaka eny an-kisolasola-bato ve ny soavaly,
ary moa ampihosena ranomasina ve ny omby,
no dia navadikareo ho poizina ny rariny,
ary ho zava-mangidy ny fanarahan-dalàna?
13Mifaly amin’ny tanàna Lôdabara azonareo indray ianareo;
dia milaza koa ianareo hoe: «Tsy tamin’ny herintsika ve
no nakantsika ny tanàna Karnaîma?»
14Kanefa izao no teny hentitra
ataon’ny TOMPO Andriamanitr’izao rehetra izao:
«Indro Aho, ry taranak’i Israely,
hanangana firenena hamely anareo,
dia firenena hampahory anareo
manomboka hatreo Lebô-Hamata
ka hatrany amin’ny lohasahan-driaka Harabà.
Who We AreWhat We EelieveWhat We Do
2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.