Salamo 17 - Malagasy Bible

SALAMO Ankehitriny miantso Anao aho

1 Vavaka nataon’i Davida

Mandrenesa, TOMPO ô! Mitaky rariny aho.

Enga anie ho tandrinao izato fitarainako!

Mba henoy re ny vavaka ataoko

fa teny tsisy fitaka izany.

2Avy aminao no tokony hivoaka

ny didim-pitsarana momba ahy,

satria mahita ny hitsiny Ianao.

3Efa nandinika ny foko Ianao,

ary avy alina namotopototra ahy;

nizaha sy nisedra ny toetrako Ianao

fa tsy nahita n’inona n’inona hokianina.

Tsy niteny ratsy

4toy ny ataon’ny olona aho

fa ny baiko voalazanao no hany notandremako.

Ny sori-dalan’ny didinao

5no nifikiran’ny diako;

ny tongotro tsy mba nivoana

hiala amin’ireo soritrao.

6Koa miantso Anao aho, Andriamanitra ô,

satria mamaly vavaka Ianao.

Aoka mba hanongilan-tsofina amiko Ianao

handrenesanao izay lazaiko!

7Asehoy ahy ny fitiavanao mahagaga,

dia Ianao Izay mpamonjy amin’ny mpampahory

ho an’ireo mialoka eo ankavananao.

8Tandremo toy ny anakandriamaso aho

ka afeno sy arovy eo ambany elatrao

9mba tsy ho azon’ny olon-dratsy

izay mampahory ahy tokoa,

dia ireo fahavalo romotra

tonga manemitra ahy.

10Tsy mba manana fo mangoraka izy,

ary ny teniny feno avonavona.

11Mitsongo dia ahy no ataony;

ka indreo izy manodidina ahy

sady mibandrina ahy

fa te hamotraka ahy an-tany,

12toa liona mamitsaka am-pierena

efa may ny hamiravira remby.

13Mirotsaha amin’izay Ianao, TOMPO ô,

mba hanohitra sy handaboka azy;

ny sabatrao re no anafaho ahy

mba tsy ho azon’ny olon-dratsy aho.

14Aoka ny sandrinao, TOMPO ô, handroaka azy

mba tsy ho eo amin’ny velona intsony

fa izany no natao ho anjarany etoana.

Ampigohy azy ny mafaitra tahirizinao ho azy;

ny zanany koa anie hisotro amin’izany

ka hamela ny sisa ho an’ny zafikeliny!

15Fa izaho kosa nomenao rariny,

ka ho afaka hanatri-tava Anao;

ary isaky ny mifoha aho,

dia ho afa-po amin’ny endrikao.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help