Tononkiran'i Salômôna 6 - Malagasy Bible

1Fa nankaiza ny malalanao,

ry vehivavy tsara tarehy indrindra?

Nivily aiza ny malalanao

mba hiarahanay aminao hitady azy?

(Ravehivavy)

2Midina any an-jaridainany ny malalako,

dia any an-tsaham-boninkazo mandraradraraka,

mba hirao-bilona any sy hioty lisy.

3An’ny malalako aho ary ahy ny malalako.

Amin’ny toerana misy lisy

no mirao-bilona izy.

Ny sarin’ilay malala (Ralehilahy)

4Ianao, rahavako, dia tsara tarehy

tahaka ny tanàna Tiritsà

sady kanto tahaka an’i Jerosalema

ary mahatalanjona toa andian-kintana.

5Aza ajerinao ahy ny masonao

fa mampiontanontana ny foko.

Ny volon-dohanao dia toy ny andian’osy

midina ny tendrombohitra Gilehada.

6Ny nifinao dia fotsy toa andian’ondrivavy

izay efa voahety sy avy nampandroana;

samy manana rahavavy kambana ireo,

ka tsy misy izay tsy tahaka izany.

7Menamena toa hasin’ampongabendanitra

ireo takolakao anatin’ny voalinao.

8Mpanjakavavy enimpolo no an’ny mpanjaka,

valopolo ny vaditsindranony

ary tsy hita isa ny zatovovaviny;

9fa vehivavy iray ihany no voromahailalako,

dia ilay voromahailalako tsy misy tomika,

vavitokan’ny reniny sady zanany tiany indrindra.

Ireo vehivavy hafa izay mahita azy

dia manambara azy hoe sambatra;

ary ny mpanjakavavy sy ny vaditsindrano

dia samy midera azy manao hoe:

10«Fa iza moa io vehivavy io

izay manjelanjelatra toy ny maraina

sady tsara tarehy toy ny volana

sy mamirapiratra toy ny masoandro

ary mahatalanjona toa andian-kintana?»

11Midina ao an-jaridainam-boankazo aho

hijery ny tsirim-boly eny an-dohasaha

sy hizaha raha mitsimoka ny voaloboka

na mamony ny ampongabendanitra.

12Kanefa tsy ampoimpoiziko ny nanjo ahy;

fa nahatonga ahy hatahotahotra ianao,

ry ilay vehivavy mpiray firenena amiko

sady zanakavavin’olom-banona.

(Ireo tovovavy sy vehivavy)

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help