1 Samoela 13 - Malagasy Bible

Fikomiana tamin’ny Filistinina. Fahadisoan’i Saoly

2Nifantina miaramila telo arivo lahy tamin’ny Israelita i Saoly, ka ny roa arivo lahy dia teo ambany fifehezany tao Mikmasy sy tany an-tendrombohitr’i Betela, fa ny arivo lahy kosa dia nofehezin’i Jônatàna tao Gibehàn’i Benjamîna. Ary ny vahoaka sisa dia nasain’i Saoly nody any aminy avokoa.

3Novonoin’i Jônatàna ho faty ny governora filistinina izay tao Gebà, ary fantatry ny Filistinina izany. Nasain’i Saoly notsofina nanerana ny taniny tontolo ny anjomara satria hoy izy anakampony hoe: «Aoka ho fantatry ny Hebreo izany!»

4Koa dia fantatry ny Israelita rehetra fa novonoin’i Saoly ho faty ny governora filistinina iray; ary nahatonga ny fahatezeran’ny Filistinina tamin’i Israely izany. Dia nivory nanaraka an’i Saoly tany Gilgala ny tafiny.

5Ny Filistinina kosa tetsy an-danin’izany dia vory lanona mba hiady amin’i Israely: nanana kalesy telo alina sy mpitaingin-tsoavaly enina arivo, ary miaramila betsaka tahaka ny fasika eny amoron-dranomasina izy ireo, ary tonga nitoby tao Mikmasy, atsinanan’i Bèty-Avena.

6Rehefa hitan’ny Israelita fa tandidomin-doza izy, dia lasa ny olona niery tany anaty zohy, sy tany anaty kirihitra, tany amin’ny harambato sy tany ambanin’ny tany, ary tany an-dava-pantsakana.

7Ny Hebreo sasany aza tafita an’i Jôrdàna mba hialokaloka any amin’ny tanin’i Gada sy i Gilehada.

Mbola tany Gilgala i Saoly tamin’izay, ary rano an-dravina ny miaramila rehetra nanaraka azy.

8Fito andro no niandrasany ny fe-potoana nomen’i Samoela, nefa i Samoela tsy tonga tany Gilgala. Nanomboka niparitaka nandao an’i Saoly ny miaramilany.

9Koa nodidian’i Saoly hoentina eo aminy ny biby hatao sorona dorana manontolo sy ny sorom-pihavanana, ary dia ny tenany mihitsy no nanolotra ny sorona dorana manontolo.

10Vao vita ny sorona nataony, dia tonga i Samoela; ary nanatona hitsena azy i Saoly mba hiarahaba azy.

11Dia hoy i Samoela nanontany azy:

–Fa inona no nataonao?

Ka novalian’i Saoly hoe:

–Rehefa hitako fa niparitaka nandao ahy ny miaramilako, ary ianao koa tsy tonga tamin’ny fotoana nifanomezana, nefa ny Filistinina efa vory lanona tao Mikmasy,

12dia noheveriko fa ankehitriny dia ho avy hanafika ahy atỳ Gilgàla ny Filistinina; nefa izaho ity tsy mbola nahazo ny fanambinan’ny TOMPO, koa dia ny tenako mihitsy no nandray andraikitra nanatitra ny sorona dorana manontolo.

13Ary hoy i Samoela tamin’i Saoly:

–Nanaonao foana tahaka ny olona adala ianao! Tsy notandremanao akory ny didy nomen’ny TOMPO Andriamanitrao anao. Fa raha mba nataonao anefa izany, dia ho nampanjakain’ny TOMPO mandrakizay tamin’i Israely ianao sy ny taranakao.

14Ankehitriny kosa dia tsy haharitra ny fanjakanao. Ny TOMPO efa nifidy olona izay tiany ary nanendry azy ho filohan’ny vahoakany, satria ianao tsy nitandrina ny didiny.

15Nandao an’i Gilgàla i Samoela ka nanohy ny diany. Ny miaramila sisa kosa nanaraka an’i Saoly, rehefa niala tao Gilgàla ity mpanjaka mba hanatona ireo miaramilany hafa tany Gibehàn’i Benjamîna. Noisain’i Saoly ny miaramila mbola tafaraka taminy, ka nisy lehilahy tokony ho eninjato eo ho eo.

16Nitoby tao Gibehàn’i Benjamîna i Saoly sy ny zanany ary ireo miaramila niara-dia taminy, fa ny Filistinina kosa tao Mikmasy.

17Indray andro dia nisy mpanao vy very ny ainy nivoaka avy tamin’ny tobin’ny Filistinina, ka nizara telo izy ireo. Ny andiany voalohany nihazo ny lalana mankany Hôfrà ao amin’ny faritr’i Sohala,

18ny andiany faharoa ny mankany Bèty-Hôrôna, ary ny fahatelo ny mankany amin’ny sisin-tany dia ny lalana mandondona ny lohasahan’i Tsebôhima tandrifin’ny taniefitra.

19Tamin’izany, dia tsy nahitana mpanefy teo amin’ny tanin’i Israely, satria natahotra ny Filistinina sao mahavita sabatra aman-defona ny Hebreo.

20Noho izany dia samy nankany amin’ny Filistinina ny Israelita mba hanasa ny lelan’angadinombiny, ny lapikany sy ny famakiny ary ny angadiny.

21Ny fanasana lelan’angadinomby na lapika, na famaky, na angady na ny fanindronan’omby dia mitentina androatokon’ny sekela volafotsy.

22Koa tamin’ny andro nipoahan’ny ady dia tanam-polo no nentin’ny miaramila israelita; i Saoly sy i Jônatàna zanany ihany no mba nanana sabatra sy lefona.

23Nisy andiana miaramila filistinina naka toerana teo amin’ny hadilalan’i Mikmasy.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help