Salamo 112 - Malagasy Bible

SALAMO Sambatra ny olo-mahitsy mahay miantra

1 Haleloià!

ALEFA

Sambatra ny olona izay manaja ny TOMPO

BETA

sady finaritra tokoa mankatò ny didiny.

GIMELA

2Hahery eto amin’ity tany ity ny zanany;

DALETA

ombàn’ny Tompo fitahiana ireo olo-mahitsy:

HE

3fananana sy harena no ao an-tranony.

VAO

Maharitra hatrany koa ny asa fiantràny:

ZAINA

4na dia ao anatin’ny haizina aza

dia iposahan’ny hazavana ireo olo-mahitsy

HETA

izay miantra sy mamindrafo

ary mitandro ny fahamarinana;

TETA

5tsara ny miantra sy ny mampisambotra

JODA

ary ny mitantana asa fihariana amim-pahitsiana.

KAFA

6Tsy hihontsona na oviana na oviana ny olo-marina;

LAMEDA

haharitra mandrakizay ny fahatsiarovana azy.

MEMA

7Ny fandrenesana loza dia tsy mba atahorany;

NONA

ny fony mitombina matoky ny TOMPO.

SAMEKA

8Mahery fo izy ka tsy mba hatahotra

HAINA

ary dia hahita ny fahavalony resy.

PE

9Malala-tanana izy manome ny mahantra;

TSADE

maharitra hatrany ny asa fiantràny,

KÔFA

ka hitraka hombam-boninahitra izy.

RESA

10Mahita izany kosa ny olon-dratsy ka sosotra;

SINA

hikitro-nify izy sady ho rera-po.

TAO

Ho foana ireo fanirian’ny olon-dratsy.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help